Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 87 Takila 89 ->

[Ireo kintana ] mifindrafindra  amin'ny alina ireo no ataony hoe : « basia mifindra » (basia = kintana araky ny teny Bara) Tena fambara loza ho an’izay mahita azy hono, izy io toy ny hahatonga fahafatesana tampoka aminy, na hahajamba azy aza raha ho moramora. Mba hisakanana izany loza avy aminy izany anefa dia tsy maintsy mandrora raha mahita azy fa tsy mampaninona intsony izy rehefa nandrorana. 

b- Ny tarosa

Indraindray dia misy zavona mifararaotra roa na telo eo amin'ny lanitra hatrany avaratra ka hatrany atsimo, na hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, ohatra ny soro-dàlana no fijery ireo. Io no ataony hoe « tarosa » ka tena tsy tonga fotsiny izy io araky ny heviny fa hisy zavatra hiseho indrindra fa ny fahavalo. Koa tamin’ny andro fahatany gasy raha nahita azy dia ataony
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany