Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 17 Takila 19 ->

[vao sitrana ] ny sasany ao anatin’ny ora 2 na 3 monja dia afaka. Ny sasany dia marary ka dihizina, ireo no atao hoe « Bilo » (salamanga ). Ny salamanga izay manaraka ny sitrapon’ilay fanahy mitondra azy dia sitrana soa rehefa afaka ny fotoana voafetra hampandihizany azy. Nefa misy ny sasany tsy mety manao izay ampanaoviny azy - maro ny zavatra ampanaovan’ireo fanahy ratsy ireo ny olona (bilo) azony - ka anariny aloha, fa nony tsy mety amin’izany dia ampitahoriny biby masiaka ; raha mbola tsy manaraka amin'izay indray dia entiny ao anaty rano lalina sy ny antsana ary ny raiketa ho faty any, fa tsy mety manaraka ny didiny. Ny sasany kosa rehefa tsy mety ny ataony, dia asainy mandray antsy ka ampandidiny ny tendan’izy tenany ka maty.

Izany no asan’itony fanahy ratsy itony ka tena mahatsiravina ; ary ny olona voany dia mitolona amin'ny rivotra [sy ny fanahy ratsy]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany