Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 16 Takila 18 ->

[miomana ] mandrakariva ny mpifana isaky ny mivoaka tao an-trano mba hihosotra zava-maimbo fa tsy serany izany na hitondra fitohy (antsy kely) fa atahorany koa io. Nefa raha tsy voany amin'ny tena izao dia asiany amin'ny hanina koa. Ary mba ho fiarovana amin'izany raha misy hanina avy any an-trano hafa entina ho an’ny mpifana dia asiana vain’afo eo amboniny fa tsy sahiny intsony ny misy izany.

Arovana mafy koa ny zazakely sao vonoany ka asiana hazo maintso maimbo eo amin'ny hevohevo (kidoro) sy handoroana hotron’omby na tandroka eo am-patana hisakanana ny hidirany ao an-trano hampatahotra na hamparary ny zaza fa tsy tohany koa ny fofon’ireo zavatra ireo.

Asian’itony fanahy ratsy itony koa ny olona rehetra izay sendra azy na amin'ny alina na amin'ny andro eny an-dàlana sy eny an-tsaha ka maro ny marary tampoka toratorana. Ny sasany marary ela vao sitrana [ny sasany]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany