Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 108 Takila 110 ->

2: Raha ny amin'ny fivavahana pantheisma no heverina dia tsy mba manan-kolazaina izahay, fa aoka ho an-drizareo be fahendrena izay mandinika ny tena zavatra sy ny hery miafina ao anatiny izany fivavahana izany, fa aoka ho aty Bara ihany izahay.

3: Raha ny amin'ny fivavahana politheisma no saintsainina, loha làlana sy vody làlana amin'izany antoko izany izahay fa tsy mihevitra an’Andriamanitra iray ihany izahay, fa ataonay ho maro izy ary ny olona rehetra aza dia samy manana izay Andriamanitra iray avy.

4: Raha ny hiafaran’izao fiainana izao indray no heritreretina, tsy mba kivy ambony ihany ny amin'izany izahay ka hanondri-doha eto an-tany na hihevitra toy ny Bouddhista hoe : « Tonga any amin'ny fahafoanana rehefa miala amin'izao fiainana izao. » (Nirvana) Fa velom-panantenana izahay fa mbola hitohy ihany izao fiainana izao any ankoatra, dia hatrao Amboromena, ka hatrany an-danitra izay tany soa .


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany