Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 106 Takila 108 ->

  ka araky ny lazain’ireo manonofy ireo dia mbola mivady ihany ireo mpivady efa samy maty 40 na 60 taona lasa ireo eo am-panofisana azy, ka izany no porofo fa mbola mivady izy ireo. Ny fananana koa dia arakaraky ny habetsahan’ny zavatra nalofo azy ihany : Ireo mpanarivo nilofo zavatra maro ireo dia maro koa ny fananany. Ary ireo mahantra tsy manana ireo kosa dia mba faly ihany hono, satria tonga any amin'ny fianakaviany ka izay kely ananan’ireo dia mba iarahan’izy rehetra mifaly. Inoany dia inoany fa ireo maty ireo dia tonga ankohonan’ Andriamanitra ka izany no anomezan’ireo ho faty ireo toky ny zanany aty afara, fa hangata-javatra amin'Andriamanitra izy homeny azy na inona na inona izany. Ireo ihany koa hono no irak’Andriamanitra haka ny havany avy rehefa ho faty izy ireo.

Ny ho toetry ny ratsy fanahy any ankoa [tra]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany