Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 105 Takila 107 ->

amin'ny ony fanadinoana ka tonga tsy mahatsiaro tena na mahalala olon-kafa intsony ny efa maty. Hafa noho izany ny fiheveran’ny Bara azy, fa miara-mifaly amin'ireo havany efa maty ireo ny olona rehefa miala amin'izao fiainana izao. Tsy mifanalavitra ny toerany toy ny hoe fari-tany samihafa fa dia fitoerana amin'ny tany iray ihany. Ny toetra izay toeny taty an-tany dia mbola ho toeny any koa, satria ny any dia heveriny ho tohin’ny teto ihany. Nefa tsara lavitra noho ny eto an-tany. Ny filaharan ’ny ankohonana sy ny fanjakana koa dia mbola inoany fa mandeha tsy miova tamin’izany ihany ny any. Ny mpanjaka mbola hanjaka amin'ny vahoakany efa maty ihany. Ny ray aman-dreny, ny zanaka dia mbola milamina arak’izany. Ny vady mbola vady ihany. Ny mpivady toa tsy hisaraka intsony
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany