Fizahan-teny

Ohabolana : voatsiary

Ohabolana 1Aza mila voatsiary ka mangata-pary iray vany. [2.558 #777]
Aza mila voa tsy ary: mangata-pary iray vany ka mitady izay tsy hiraisana. [2.165 #300]
Mila voatsiary, mangata-pary iray vany, ka mitady izay tsy hihavanana. [2.558 #2341, 2.653]
Dikanteny frantsayNe demandez pas l' impossible: (comme de) demander un morceau de canne à sucre (à celui qui n' en a qu' un lui-même) et chercher ainsi querelle (litt. la séparation). [2.165]

Ohabolana 2Aza mila voatsiary ka tandroky ny moka no tadiavin-ko sotro fotsy. [2.558 #778]
Aza mila voa tsy ary : tandroky ny moka, ka "ataoko sotro fotsy". [2.415 #2072, 2.653 #627]
Dikanteny frantsayNe cherchez pas un fruit qui n' existe pas et ne demandez pas l'impossible, comme celui qui voit les antennes d'un moustique et dit : avec ces cornes je ferai des cuillers blanches. [2.415 #2072]

Ohabolana 3Aza mila voa tsy ary, toy ny mpisikidy mampandihy ny marary. [2.165 #36]
Mpisikidy mila voatsiary : ny marary indray no ampandihizina. [2.653 #1989]
Toy ny mpisikidy mila voatsiary : ny marary no ampandihizina. [2.653 #3215]
Dikanteny frantsayNe demandez pas l' impossible comme le devin voulant faire danser le malade (avant de lui prédire son rétablissement). [2.165]

Ohabolana 4Fa ny iray sotro asisika, ary ny iray nila voa tsy ary. [2.653 #877]
Ny iray sotro asisika, ary ny iray mila voatsiary. [2.415 #1223]
Dikanteny frantsayL' un est agaçant comme la cuiller qui repique sans cesse dans le plat, l' autre est exigeant au point de vouloir des fruits qui n' ont jamais existé. [2.415 #1223]
Fanazavana frantsaySe disait des ménages en désaccord continuel. [2.415 #1223]

Ohabolana 5Misikidy tsy marary : mila voatsiary. [1.147 #M127]

Fizahan-teny