Teny iditra tadiavina (tady)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao izay hahitana azy: Notadiavin' ny polisy efa ho roa volana io mpangalatra io
Mitovy hevitra: karohina ~ zahana
Tiana, irina: Lazao inona no tadiavinao, anaka, fa homeko anao
Kasaina: Tadiavin-drainy hatao kilasimandry Isambilo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be sought for, to be looked for. [1.2]
 To be sought, to be looked for [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on cherche [1.8]
 Inconnue. [Voambolana: Matematika] [1.13]
Ohatra 
1Ny karatra, ny hetra, ny fanatontosana ny raharaham-panjakana, ny filaminana, ny asa, ny fanarahan-dalàna antsakany sy an-davany, ny fanatanterahana izany rehetra izany no tadiaviko [2.472]
2Fa angaha tadiavin' i Dera hafenina ato izy ireo! [2.4]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tadiavina, tadiaviko, tadiavinao, tadiaviny, tadiavintsika, tadiavinay, tadiavinareo, tadiavin', tadiavin-, tadiavim-, tadiavi-
Ny lasa : notadiavina, notadiaviko, notadiavinao, notadiaviny, notadiavintsika, notadiavinay, notadiavinareo, notadiavin', notadiavin-, notadiavim-, notadiavi-
Ny hoavy : hotadiavina, hotadiaviko, hotadiavinao, hotadiaviny, hotadiavintsika, hotadiavinay, hotadiavinareo, hotadiavin', hotadiavin-, hotadiavim-, hotadiavi-
Filaza mandidy : tadiavo
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20