Fizahan-teny

Ohabolana : havitra

Ohabolana 1Ny saina toy ny farango, raha tsotra loatra tsy mahazo, raha melo-doatra mipaoka ny tokony tsy hopaohina. [2.558 #3234]
Ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina. [2.165 #2176]
Dikanteny frantsayL' esprit (ou l' intelligence) est comme une broche: s' il est trop simple (litt. droit), il n' attrape rien; et s' il est trop recourbé, il emporte (Litt. rafle) ce qui ne devrait pas être emporté. [2.165]

Ohabolana 2Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona; ary raha tany misy loha, dia misy lela; ary raha tany misy lela, dia misy havitra. [2.165]
Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona ; ary raha tany misy loha, dia misy lela ; ary raha tany misy lela, dia misy hevitra. [2.415 #307]
Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona; ary raha tany misy loha, dia misy lela; ary raha tany misy olona, dia misy havitra. [2.165]
Dikanteny frantsaySi dans un pays il y a des mares, il y a des grenouilles ; s' il y a des têtes, il y a des langues ; et s' il y a des langues, il y a des pensées. [2.415 #307]
Si un pays contient des mares, il y a des grenouilles; et si un pays contient des têtes, il y a des langues; et si un pays contient des langues (ou: des gens), il s' y trouve des idées. [2.165]

Ohabolana 3Raha tsy mety ho hevitra dia havitra. [2.165 #2266, 2.415 #6381, 2.558 #3673, 2.653 #2722]
Dikanteny frantsayCe qui ne peut devenir un accommodement, devient comme une tringle pointue en fer. [2.415 #6381]
Si ce n' est pas une (bonne) idée, c' est une broche (de cuisine). [2.165]
Fanazavana frantsayC.à.d. ce n' est rien du tout, et il ne faut pas en tenir compte. Ce proverbe repose sur un jeu de mots. [2.165]
Jeu de mots sur hevitra pensée, et havitra pointe en fer. Se disait des idées auxquelles on s' attache obstinément sans souffrir aucune modification. [2.415 #6381]

Fizahan-teny