Fizahan-teny

Ohabolana : baka

Ohabolana 1Babantany, hoatry ny vehivahy somorina. [2.415 #4822]
Baka lany sahaza, hoatry ny vehivavy somorina. [2.415 #4822]
Baka lany sahaza, toy ny vehivavy somorina. [2.558 #842, 2.653 #727, 2.165]
Tapitra ohatra, hoatry ny vehivavy somorina. [2.415 #4822]
Dikanteny frantsayQui est sans pareil et dépasse toute comparaison, comme une femme barbue. [2.415 #4822]
Sans pareil, comme une femme barbue. [2.165]
Fanazavana frantsayIncomparable, prodigieux ; se disait en bonne ou mauvaise part. [2.415 #4822]

Ohabolana 2Hianao baka mahay misisika, izaho kirongo tsy azo hidirana; raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia midiridiry ho amponga aho! [2.558 #1319]
Hianao baka mahay misisika, izaho korongo tsy azo hidirana : raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [2.415 #3468, 2.653 #1058]
Raha mihenjan-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [1.1]
Fanazavana malagasyTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsayVous avez les cornes écartées, propres à donner le coup qui consiste à introduire une corne entre les deux cornes de l' adversaire ; mais moi, j' ai les cornes courbes qui empêchent les vôtres de s' y engager ; si vous prétendez vous raidir comme un câble, je me tends comme un tambour. [2.415 #3468]
Fanazavana frantsayParoles fières ; elles font allusion aux combats Je taureaux : je ne vous crains pas. [2.415 #3468]

Ohabolana 3Raha baka mahay manorirana hianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [2.165 #412, 2.415 #6379]
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [1.1]
Raha baka mahay mihorirana ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [1.1]
Raha baka mahay misisika ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [1.1]
Raha kirongo tsy azo idirana izy dia baka mahay manohana izahay. [2.558 #3590]
Fanazavana malagasyTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsaySi vous avez des cornes dirigées en dehors et pouvez ainsi donner des coups de côté, moi, par contre, j' ai les cornes tournées en dedans et vous ne pourrez pas entrer. [2.165]
Si vous avez les cornes en dehors et si vous savez frapper de côté, moi j' ai les cornes en dedans et vous n' entrerez pas. [2.415 #6379]
Fanazavana frantsayAllusion aux combats des taureaux. [2.165]
Allusion aux combats de taureaux. [2.415 #6379]

Ohabolana 4Toy ny tandroky ny haolo: kirongo mahazo; baka mahavoa. [2.653, 2.165]
Toy ny tandroky ny haolo : Kirongo mahazo sady tsy azo idirana, baka mahavoa sady mahay manohana. [2.558 #4332]
Dikanteny frantsayComme les cornes des bœufs sauvages: celles qui sont rentrantes sont solides, et celles qui sont divergentes frappent bien. [2.165]
Fanazavana frantsayLes unes et les autres ont leurs avantages. [2.165]

Ohabolana 5Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na be felantanana mahatakona ny masoandro. [2.558]
Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na befelatanana mabatakona ny masoandro. [2.974 #81]
Tsy misy hazo baka mahatohana ny lanitra, na be felatanana mahatakona ny masoandro. [2.415 #3155, 2.653 #3515]
Dikanteny frantsayAucun bâton fourchu ne peut soutenir le ciel; aucune feuille de latanier ne peut cacher le soleil. [2.974 #81]
Il n' y a pas d' arbre fourchu qui puisse soutenir le ciel, ni d' homme qui ait les mains assez larges pour cacher le soleil. [2.415 #3155]

Fizahan-teny