Fizahan-teny

Ohabolana : amboalambo

Ohabolana 1Amboalambo tsy ampoka : homana ny sisan’ ny mpiasa. [2.653 #139]
Amboalambo tsy ampoka, ka mihinana ny sisan' ny mpiasa. [2.558 #168]

Ohabolana 2Aza ny andro iray tsy lasana no anaovana ahy amboalambo. [2.165 #688]
Aza ny andro iray tsy lasana no anaovana ahy ho amboalambo. [2.653]
Dikanteny frantsayNe me traitez pas de fainéant parce que je reste un jour sans travailler. [2.165]

Ohabolana 3Dovidovy endrika ka tian' ny olona haratsiana ary amboalambo tarehy ka tian' ny kabary hodiavina. [2.558]
Dovidovy endrika, ka tian' ny olona hoharatsina ; ary amboalambo tarehy, ka tian' ny kabary hodiavina. [2.415 #4862, 2.653 #863]
Dikanteny frantsayIl a l' air chétif, aussi aime-t-on à se moquer de lui ; il a l' air d' un aventurier, aussi s' attire-t-il fréquemment des discussions. [2.415 #4862]

Ohabolana 4Harongam-pohatra ny momba; milevin' ila fa tsy lo ny miteraka, andrasan' amboa varavarana ny amboalambo, ary mandry be tsy matory ny mpitrosa. [2.558]
Harongam-pohatra ny momba; milevin' ila tsy lo ny miteraka. [2.415 #912]
Harongam-pohatra ny momba ; milevin' ila tsy lo ny miteraka ; andrasan' amboa varavaranany amboalambo ; mandry be tsy matory ny mpitrosa. [2.653 #1037]
Dikanteny frantsayLa femme stérile est comme un arbre haronga arraché ; la femme qui a enfanté peut avoir sa moitié enfouie sans être pourrie. [2.415 #912]
Fanazavana frantsayCe proverbe dit la tristesse de la stérilité et le bonheur de la maternité ; il fait allusion au placenta que le père va enfouir au sud de la maison, après la naissance de l' enfant. [2.415 #912]

Ohabolana 5Izay miaraka amin' ny mpiasa dia mpiasa; izay miaraka amin' ny amboalambo dia amboalambo. [1.1 #62, 2.974 #91]
Izay sakaizan' ny mpiasa dia mpiasa, ary izay sakaizan' ny amboalambo dia amboalambo. [2.415 #5184]
Fanazavana malagasyIzay mitovitovy ihany no fatra-piaraka. [1.1 #62]
Dikanteny frantsayFréquenter un ouvrier, c’est être ouvrier, fréquenter un vagabond, c’est devenir vagabond. [2.974 #91]
Qui fréquente les gens honnêtes et laborieux est honnête et laborieux ; qui fréquente les mauvais sujets est mauvais sujet. [2.415 #5184]
Fanazavana frantsayAnalogue au français : dis-moi qui tu fréquentes et je te dirai qui tu es. [2.415 #5184]

Ohabolana 6Ny kisoa manao tondro-molotra, ny amboalambo manao hatsi-maso. [2.558 #3051]

Ohabolana 7Telo no amboalambo: ny anankiray mpiasa, anankiray mpihinan-kena, ary ny anankiray jiolahy. [2.165]
Dikanteny frantsayIl y a trois espèces de vagabonds: ceux qui travaillent, ceux qui mangent de la viande (c.à.d. les voleurs), et les brigands. [2.165]

Fizahan-teny