Teny iditra |
tsara
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Mahafinaritra jerena: Tsara izany raha trano Manana toetra maha-izy azy: Fanjaitra tsara Manana toetra takin' ny raharahany, mahafatra-po: Mpampianatra tsara; renim-pianakaviana tsara Manana ny toetra ilaina ara-pitondran-tena; tsy misy hokianina: Olona tsara Rakoto Vita tomombana ka mahatonga higàga; kanto: Tsara izay lahateny nataon-dRakoto izay! Soa, mahasoa: Tsara ny hevitra nomeny ahy Mahomby, mahasoa, misy vokany: Fanafody tsara; famaizana tsara Mety: Tsara ny mangina raha misy miteny [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Good; well [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Bon [1.3, 1.8]
|
| Qui a de bonnes qualités, beau [1.3]
|
| Bien [1.8]
|
Ohatra | Dia nivady nifanara-draharaha tsara Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy, fa nitovy saina.
[2.293]
|
Haiendriteny |
Tsotra : |
tsara |
Filaza mandidy : |
tsarà |
|
Sampanteny |
Tohi-kevitra |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
tsarà
|
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny mpamaritra
|
Fanazavàna teny frantsay | Soyez bon [1.3]
|
Kamban-teny |
|
|
Teny iditra |
tsara
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fanaovana izay hahafantarana ny marina, ny rariny; famakafakana sy fandanjalanjana atao mba hanavahana ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fanapahana, fanelanelanana amin' ny olona miady. [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Jugement [1.3]
|
Sampanteny |
|
Teny iditra |
tsara
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Bara]
teny,
resaka
[1.78]
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Mpanahaka |
fototsara ~
marotsara |
|
Teny iditra |
tsara
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny frantsay | [Bezanozano]
(sens général : bon, beau). Arbre à bois gris, peu durable, se détériorant à l'humidité. On en fait cependant des planches. Non identifié. [1.196]
|
Voambolana |
|