|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  kinga
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  11 Fatrapanao zavatra haingana sy tsara, haingam-panao zavatra, mailaka, mivikiviky: Kinga ery Ikoto rehefa miasa
12 Mahay, havanambanana: Mpitendry zavamaneno kinga Rakoto. [1.1]
13 maila-pihetsika [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  14 clever, quick, shrewd [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 habile, leste [1.8, 1.13]
16 adroit, agile [1.13]
Ohatra  17  kinga sy maha miafina koa ry ilay matsaka [2.470#12]
18  Nisy mpitoraka kinga iray efa nomanina amin' ireo mpanotrika akaiky. [2.472#217]
Tovy hevitra  19 kingakinga
Mpanahaka  20  fanalo, 21  lahilahy, 22  mailaka, 23  mailamailaka, 24  malady, 25  malaky, 26  mariadriaka, 27  marisika, 28  matselaka, 29  mavibika, 30  mavika, 31  mavitribitrika, 32  mavitrika, 33  mivikiviky, 34  tselika
Fikambanana  35  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how kinga

Teny iditra (2/3) 36  kinga
Sokajin-teny  37  filaza mandidin' ny mpamaritra kinga [Fitanisana]
Ohatra  38  Ary ialahy, ry Dera, mba kingà  sy mahaiza mihetsika, fa misy zavatra kendreko amin' ialahy amin' izao fahatongavan' izy telo mianaka aty izao. [2.4#9]

Teny iditra (3/3) 39  kinga
Sokajin-teny  40  anarana
Fanazavàna teny frantsay  41 [Tankarana] petit cours d'eau, ruisseau, affluent. § tanandranoboka, vinany. [1.19]
Voambolana  42  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)

Fivaditsoratra  43 kangy, kingà, kinga

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15