|
|
|
|

Teny iditra (1/10)1  hasina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10] hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin' ny fanahy na olona na zavatra na toerana sasany, ka mahatonga azy hohajaina, hankatoavina, hatahorana. Ohatra: matahotra ny hasin' ny Zanahary sy ny razana ary ny Vazimba ny ntaolo, ka manaja azy ireo fatratra sy mivavaka taminy. Mbola misy tavela saiky eran' ny Nosy ny atao hoe tany masina sy hazomasina sy loharano masina ary biby masina koa. Samy ninoana sy natahorana ny hasin' ny andriana, ny ody ny ozona sy ny tsodrano
4  [1.1] Hery ananan' ny zavatra iray: Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo
Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran' olombelona: Manan-kasina ny tanindrazana ~ Ninoan' ny Malagasy ny hasin' ny Mpanjaka
Haja, hamendrehana ananan' ny tsirairay: Maty hasina aho fa nodikain' ilay iny ny lohako
Hery, zo, sata, fandaitra
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] "mana" or sacred power; sanctity; virtue
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3] vertu, force, puissance, la grâce, propriété naturelle ou surnaturelle, efficacité, vertu attachée à un objet, ce qui rend digne de respect
7  [1.8] vertu ou puissance mystique ou surnaturelle; sainteté
8  [1.196] Pouvoir surnaturel attribué à certaines plantes : Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo ity : cet arbre a le pouvoir, la vertu de guérir plusieurs maladies (R. P. Malzac). Ce mot racine souvent prononcé hasy a donné les mots mpimasy, omasy, ombiasy, noms dans les diverses régions des spécialistes du traitement par les plantes
Ohatra  9  Nasain'Ilaidama nandoa hasina Andriambola, dia afaka. [2.298]
Voambolana  10  Filôzôfia
Sampanteny 
11  Matoantenin' ny mpanao :
12  Matoantenin' ny iharana :
13  Anarana :
14  Mpamaritra :
Tovy hevitra  15  fandaitra, hery, sata, zo
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Lohateny  31  Hasina (Rabearivelo Jean-Joseph)
32  Ny hasin' Andrianampoinimerina (Ranova Panah)
Ohabolana  33  Ohabolana misy io teny hasina io

Teny iditra (2/10)34  hasina
Sokajin-teny  35  anarana
Fanazavàna teny malagasy  36  [1.1] sira: Tsy ampy hasina ny laoka
Fanazavàna teny frantsay  37  [1.3] sel, saveur, goût

Teny iditra (3/10)38  hasina
Sokajin-teny  39  anarana
Fanazavàna teny malagasy  40  [1.78] [Tanala] harikivy: tsy tamitamy ny hasiñ'io voangy io (tsy zaka ny harikivin'io voasary io)

Teny iditra (4/10)41  hasina
Sokajin-teny  42  anarana
Fanazavàna teny malagasy  43  [1.78] [Tambahoaka] vidy, vidiny

Teny iditra (5/10)44  hasina
Sokajin-teny  45  anarana
Fanazavàna teny malagasy  46  [1.1] Vola na zavatra hafa atao fanomezana amin' ny fotoana na toe-javatra sasantsasany: Hasin-jaza, hasin-tanana
Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka amin' ny fandroana ho fankatoavana ny maha-andriamanjaka azy: Niakatratany an-drova nanolotra ny hasina ho an' ny Mpanjaka isam-pirenena ny vahoaka
Vola nomena ny mpanjaka raha nisy raharaha toy ny fifampivarotana, ny fananganana na fanarianjaza... teo amin' ny fokonolona: Vola roa karazana no no-m en' izay nanan-d raharaha natao teo amin' ny fokonolona, dia ny hasina ho an' ny Andriamanjaka ary ny orimbato ho an' ny fokonolona
Fanazavàna teny anglisy  47  [1.7] a ceremonial gift
Fanazavàna teny frantsay  48  [1.8] cadeau rituel
Kamban-teny 
Lahatsoratra  52  Randzavola: hasina ao amin' ny Baiboly (=> hetra)

Teny iditra (6/10)53  hasina
Sokajin-teny  54  anarana
Fanazavàna teny malagasy  55  [1.1] Fanolanana zavatra, toy ny kofehy, tady; fampihevingevenana, fandrotsirotsiana
Fanazavàna teny frantsay  56  [1.3#223] action de rouler, comme en filant, en tordant des cordes
action de bercer, d'agiter, de balancer quelqu'un ou quelque chose dans un drap, une couverture, un hamac
Sampanteny 
57  Matoantenin' ny mpanao :
58  Matoantenin' ny iharana :

Teny iditra (7/10)59  hasina
Sokajin-teny  60  anarana
Fanazavàna teny malagasy  61  [1.1] Ny ilany iray amin' ireo toa efitrefitra mielakelaka na misaratsaraka amin' ny zavatra iray: Hasim-boasary
Fanazavàna teny frantsay  62  [1.196] (du malais asing) Nom donné aux compartiments de certains fruits ; exemple hasim-boasary : quartier d'une orange. Par extension, nom donné aux loges de l'ovaire dans une fleur. Le verbe mihasinkasina s'applique aux fruits qui se séparent en tranches ou quartiers comme l'orange, le citron, etc. Miefitra anatiny toa hasim-boasary : se séparer à l'intérieur comme les quartiers d'une orange ; au sens figuré, se dit des jeunes ménages qui s'isolent dans la grande famille patriarcale
Sampanteny 
63  Anarana :

Teny iditra (8/10)64  hasina
Sokajin-teny  65  anarana
Fanazavàna teny malagasy  66  [1.1] Hazo tsy dia lehibe loatra, lava somary etiety velarana ny raviny, izay mitangorona eo amin' ny toerana iray, ka misandrahaka manodidina ny vatany (Dracoena augustofolia). Hazo fahita teo akaikin' ny fasam-bazimba na tamin' ny tanàna nonenan' ny Andriana fahiny koa ny hasina
Fanazavàna teny frantsay  67  [1.196] [Merina] Nom générique donné aux plantes considérées comme sacrées, magiques ; elles servaient à l'origine à délimiter l'espace approprié par l'homme de la nature sauvage où régnaient les forces occultes les plus dangereuses. Ce sont toujours des espèces qui se bouturent facilement, il suffit d'en casser une tige et de la ficher en terre pour que repousse un nouveau sujet. Dracaena angustifolia Roxb. est la principale espèce connue sous ce nom. Mais on l'attribue aussi à Dracaena reflexa Lam. et Dracaena xiphophylla Baker. (Asparagaceae) De nos jours les Malgaches pensent que ces plantes marquent les sépultures des anciens habitants dits vazimba ; ceux qui vivaient à l'époque où l'on ignorait l'esclavage et la division de la société en classes. On emploie surtout cette plante magique pour préparer l'odytendrihatoka
Voambolana  68  Haizavamaniry
Kamban-teny 
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (9/10)71  hasina
Sokajin-teny  72  anarana
Fanazavàna teny anglisy  73  [1.2] [Betsileo] the cotton plant or cotton. Same as landihazo
Fanazavàna teny frantsay  74  [1.196] [Betsileo] (souvent prononcé hasy). Nom donné aux cotonniers : Gossypium arboreum L., Gossypium barbadense L., etc. (Malvaceae) et aussi à leur produit, le coton
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (10/10)76  Hasina
Singan-teny  77  hasina
Sokajin-teny  78  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  79  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  80  Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo 
81  Fiançons aujourd'hui nos graves destinées
82  et qu'en l'azur nos chants aient une voix égale :
83  nos âmes sont pareillement infortunées
84  car nous avons perdu notre force ancestrale !

85  La terre qui nourrit tes vivaces racines,
86  les ramiers dont l'amour élit ta touffe sombre,
87  ni l'air bu ne sont pas ceux de tes origines,
88  et ta présence ici n'est que celle d'une ombre !

89  Quant à moi, fils des Rois d'une époque abolie,
90  reposant au rebord d'un tombeau qu'on oublie,
91  je chante d'une voix qui n'est pas de mes morts !

92  Mais, nous savons, palmier, vivant notre nouvelle
93  vie, avoir le front ceint de nos fleurs les plus belles

Fivaditsoratra  94  ahasin, asahin, hanisa, hasain, hasany, hasian, hasina, Hasina, hiasan, hisana, nahasi, nahisa, nasahi, nasahy, sahani, sahany, sahina

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08