Dox : Amina Batsola

Fa rehefa hitsangana afo ny ery Ankoriaka
Dia miainga ho avy izy ! Aoka handray azy isika
'Ndeha rahavako tazano f'izy sisa antenaina
Eto am-pitolomam-parany hampiverina ny aina !

Ranoro :
Moa hananako ny hery hankato ny hata-badiko !
Ao anaty foko ao dia mangotraka ny adiko !
Tsy nety ny hasarotampiaro fa nirongatra tsinahy
Nampahory ny eritreritro sy nandrovitra fanahy !
Indrisy izato saim-badiko eo am-pialana aina
Fa mitodika amin' ny hafa mbola tsiarony holalaina
Marina tokoa fa avotra no hiandrasana ny ho avy
Nefa ataon' ny foko ahoana ny hanaiky rafivavy ?
Nde ihany aho hananika eo Ampitiliana hijery...
Ndray ry dona-tsetroka.... Ho lazaiko ve ? Mahery
Mahery ny herim-pandrafiana ka tsy tantiko hatao
Ny hilaza izay hitako. Mandainga tsotra izao !
Raha hilaza aho anefa dia angamba hisy hery
Ahatazona ny vadiko, nefa moa ahy irery
Ny fitiavany avy eo ? Holazaiko... Tsy holazaiko
Tsy holazaiko... Holazaiko... Ô sahirana ny saiko

Ranoro :
Tsy voafolako ny tenako : handaingako ankitsirano[?]
Aza hitako eo anefa ka ahitako angano !
Tsy eo rahavako ny setroka, inona ary no hatao,
Aza be ahiahy fa rera-doatra anie hianao !

Rasata :
Ndeha re tazano ihany, efa ambivitra it aina
Ny fiavin' i Amina, mitondra fanafody no antenaina !

Mpitantara :
Dia niverina Ranora, niverimberina nitazana,
Nefa mbola nikirizany ny handainga filazana
Akaiky marina ny farany... Miolomay ny fitia
Fa antomotra ny fetra hampisaraka ny dia... !
Efa akaiky ry Batsola. Tazany eo Ivohimarina
Fa toa mivorivory olona. Tsy mba sarotra fantarina
Fa misy vaovao ao. Dia tonga eo am-bavahady
Rasata kosa amin' izay manatrika ny fara ady,
Safotra misefosefo... Efa tsy ho tana intsony !
Indro niditra Ranoro. Izay vao vonona ny fony...
Rasata ô, hoy izy... ny dona-tsetroka efa ao !
Tsy nandreny intsony anefa 'lay an-dalan' ny handao
Nihatoka izy, dia nisento... Niala tamin' iny ny ainy.
Rasata ô ! Sahady ve ? Harianao aiza aho ?
Injay koa tan-damosiny, feo tomany mitalaho :
Tsy tratrako izy loza ! loza ! Indrisy tapitr' aina
Batsola io... niankarapoka... Torovana ka very saina !
Ratovelo nahare ny kiakiaka an-tomany
No tonga niditra nanirina, nandohalika amin' ny tany..
Ary hoy ny vetsovetsony, toy ny saron' aizin' alina :


LAVO ILAY NAHERY FO IZAY NANANDRATRA NY ADIDINY
KA NANDRESY NY FITIAVANY SY NAMOANA NY SAFIDINY....

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 17-18
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 41-42