Dox : Amina Batsola

Tsy hanary anao 'zahay, tsy handao anao hiverina,
Fa raha mody izahay na tratra, dia tapahin-doha. Tapero.

Rasata :
Aiza aho ? Ahoana ity ? Ary iza ange hianao ?
Sao hianao no Batsola ary fahababoako izao ?

Batsola :
Eny izaho no Batsola ! Ny tahotrao anefa esory
Ary ampahalalaiko anao fa tsy babo hianao tsy akory !

Rasata :
Babo aho matoa eto, nefa babo ho tena sahy
Ka hiboitra tsotra izao ary hiseho ho lehilahy.
Nanolotra ny aiko tsotra toy izay miamboho adidy.
Komandy hova aho, eny, ary tena saro-bidy.
Ny iheverako an; izany, ka aleoko maty eto
Toy izany hivaha adidy. Henoy izany ka raiketo
Fa na ho faty aza aho dia ny hiaro tena ihany.
Tsy misy teny hafa intsony no hanampiko an' izany.

Batsola :
... Sombinaiko ô, avia,
... Ento aho hanara-dia
Fa izaho no babonao. Tsaroako menatra ny tenako
Nefa tena fahareseko ka tsy mísy hiafenako !
Azoany natao tokoa ny namono anao izao
Nefa aleoko aho no maty toy izay ho hianao.
Raha mody aho izao dia ny aiko no ho taperina
Satria nandrava fandresena ka nanao dia miverina.
Meloka aho, ekeko izany, meloka amin' ny Tanindrazana.
Meloka amin' ny fombanay haiko hatramin' ny fahazazako !

Meloka amin' ny Fanjakako fa manaiky ho baboina :
Ary meloka amin' ny raiko satria ny fandovako foana.
Vavy tokana aho manko. Hitanao amin' izany.
Fa nafoiko noho hianao ny ahy rehetra eto an-tany.
Tsy ho haiko velively na izany anefa
Ny hanery ny fonao. Raha tianao ny hilefa
Ka hamela ahy ho singany tsy hisy farany doria
Dia ho faty eto aho. Lasa seron' ny Fitia !
... Ary raha ho entinao satria efa babonao
Dia hanara-dia anao izao ankehitriny izao.

Rasata :
Batsola ô, raha izany moa azonao hatao
Ny hiara-miala eto izaho sy hianao
Ka andeha tsy harahina amin' izay misy ahy

Batsola :
Efa tia anao aho, babo saina, fo, fanahy
Koa tsy hanana safidy, sitra-po hafa intsony
Afa-tsy ny sitrakao. Koa ny hevitrao vonony.
Ireto miaramila ireto dia halefako hanjeny
Tsy afa-mody intsony ireo ka hifidy izay iereny.
Tsy hataoko ny hanery azy ho babo miaraka amiko.
Ento aho raha sitrakao fa izany no ho mamiko.

Rasata :
Eny ary ry Amina, izaho koa tia anao
Nefa tsy mpanjaka aho ka tsy vitako hatao
Ny hampiray ny fokontsika. Fa hianao aza izany.
Dia hamoy ny ainao raha miverina mankany
Amin' ny tany misy anao. Nefa raha mba mahataona
Filaminana izao dia haravoako manahoana ?

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 41-42
Takila 43-44