Dox : Amina Batsola

Mpitantara :
Kanjo raha samy mbola very hevitra izy rehetra
Ka tsy hisy nahahetsika fa nitombina nitoetra,
Dia iny kosa Lefahitra fa nandadilady tonga ;
Manjokozoko avy nihoatra tany ambadiky ny bonga

Lefahitra :
Mafy ny adiko lehiretsy ! Hitako ny nahavoa
Ny komanditsika teo : lefona avy any ivoho
Ary avy hatrany izy dia tolefika eo no ho eo
Dia naka vodihazo.. Kanjo tratran-drizareo
Dia nobedainy nentiny any. Notsongoiko ìzany diany
I Batsola Amina ve ? Aoka izany ny hafaliany !
Tsy maty anefa ny komandy ary tsy ho faty akory
Matoa izao ny baiko re : Afatory... Afatory...
Ny mety hatao amin' izao dia ny ho any Vohimarina
Ka ny fomba filazana no somary amboamboarina
Fa raha ny hitono tena aty dia tena sarotra tokoa
Toerana mamitapitaka tsy ary ho fantatra avokoa
Ny mpitarika tsy misy ka ho famonoan-tena ;
Koa ny hevitra zahana, izay mahita, mitenena.

Miaramila :
Tena loza koa raha loza ! ny komandy babo izany
Ka iza ary no ho sahy handeha aloha ka ho any
Amin' Ingahy Ratovelo handamina ny fahatezerany ?

Lefahitra :
Ity aho manolo-tena. Ny tahotro koa anefa tsy anerany
Satria tsy fantatro tokoa izay vokatra hiseho
Koa ny vola latsa-kemboka no atambaro dia omeo.

Mpitantara :
Ankorika ity nosy ifitsahan-dry zareo
Avy eo dia hatsinjovany ny rehetra, mety hiseho.
Tazana eo Vohimarina ary avy eo koa
No mora ahazoany miala hifindra nosy raha voa.
Andro telo izy izao no tonga teo. Nandritra izany
Tsy natory i Batsola fa dia niady. Niady hatrany
Hanavotra aina ity babony iontanan' ny fitiavany
Mila tsy ahitan-teny fa mikomboma ny vavany.
Resy aho, resy aho.. hoy izy.. Izany foana no ambarany.

Miaramila :
Ny Ampanjaka ô indrisy, malahelo izahay izao
Tena fandresena hita nefa niova ny natao.

Batsola :
Resy aho tena resy babon' ny Fitia tanteraka
Ka nivaha hery aho tsy afaka ahantanteraka
Ny fanafiha-nokasaina.

Miaramila :
Aoka hianao hanova hevitra !
Ampanjaka hianao Batsola ka aza mety ny hilefitra.

Batsola :
Ataoko ahoana fa ny tia sy ny manina voafady
Mahery andro ity fitia, nahongana ny ady
Tsy voaongotra intsony fa efa latsaka aman' aina !

Miaramila :
Indrisy ampanjakanay. Marary fo, marary saina.

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 17-18
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 41-42
Takila 43-44