Dox : Amina Batsola

Andao hianao hiaraka amiko, ho tia ahy ho tiaviko.
Ataoko tenako fa vadiko, ho solon-dreny sy anabaviko.
Hifampikarakara isika ka ny tsy hanenenanao
Amin' ny fahababoanao no ho hezahiko hatao.
Nefa koa nefa koa misy zavatra atahorako
Ary toa mandindona ahy amin' ny lalana hizorako
Azonao natao mantsy ny namely ahy ho faty
Tsy ahavaly izany aho satria fantatro ao anaty
Fa an' ny tanindrazako aho alohan' ny zavatra rehetra
Tsy azoko omena ny voady tsy hita fetra.

Batsola :
Tsy maninona tsy akory ry malalako. Izao ihany
Aza hadinoina aho na oviana na oviana eto an-tany
Rehefa tsy azonao atao, rehefa hody any Imerina
Ny hitondra ahy hanaraka dia ekeko ny hiverina
Amin' izay fotoana izay, dia ity nosy ity
No hany toerana hisy ahy... Sesin-tanin' ny Fitia ! ...
Ho azonao antsoina aho amin' izay ilana ahy,
Tsy hitsahatra ho babo saina, fo, sy fanahy.

AKTA 4

Mpitantara :
Diso fihevitra mihitsy Ratovelo raha nitazana
Amin' ny fitilian-davitra ka nandray ho fahombiazana
Ho an' ny tafiky ny azy ny tarí-dositra voalaza
Fa nataon' ny Sakalava. Ninoany f' efa resy aza.
Fony injay niparitaka ; tsinjony eny ampitiliana
Ny tafiky ny Sakalava... Hany izy ka efa liana !
Rava rahateo moa iny fanafihana iny.
Ka noheveriny ho nahomby ilay mpitarika vahiny
Nony injay ary tonga Lefahitra nilaza
Dia notanany ho mpamitaka ka avy hatrany dia sahaza
Ho atao an-tranomaizina mandra-piandry an-dry zalahy
Dia niandry, izy, niandry. Tsy mbola tena niahiahy.
Kanjo nony injay tonga ireo miaramila isany,
Dia izay vao ankona izy. Nantsoiny ilay tsy nitokisany,
Haverina ho alaina am-bavany. Fantatsika ny hafetseny...
Miseho ho tsy faly mafy izy, mihenahena tsy miteny...
Dia nahitsoka indray tao an' efitra fisainana,
Nefa mody tsy nihintsona, tsy nanao fitarainana
Hatao ahoana ary ny aminy ? Hovonoina moa laikary
Sao veloma tsy ho azo ny fahalalany miharihary...
Havela fotsiny amin' izao, manirikiry, mihenahena.
Dia ny tambitamby indray no handramana ho jerena.

Ratovelo :
Avoahy ka ento eto Lefahitra ho fotorana...
Eny malahelo aho, tapaho daholo ny fatorana,
Tamin' ny fitondrana teo somary toa nahery vaika ;
Nefa ny antony tsy inona fa noho ny saiko efa maika
Hahalala izay izy amin' izao ragaraga izao.
Hody maty ve Rasata, sa babo ka natao

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 17-18
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 41-42
Takila 43-44