Dox : Amina Batsola

Fa ho fihazonan' aina mandram-pisin' ny hahazoana
Manatsofoka ny resaka anelanelan' ny fotoana.
Angamba ny hany sisa andrasana dia izy hivaky amin' ny vadiny [?]
Rehefa tena hiombo mafy ka tsy zakany ny adiny.
Amin' izao fotoana izao dia tsy sahiny izany..
Iza moa no mahalala ny fahavoaZana amin' ny rany ?
Mety ho kiry fotsiny ihany ny hiarenany izao...
Fa tsy aiza, dia veloma ! Tapaho ny hevitra hatao.

Batsola :
Moa marina Lefahitra fa tsy misy rebireby,
Izany voalazanao izany ? Ory aho mitebiteby !

Lefahitra :
Ry mpanjaka ô ! matokia fa ny aiko no hanefa
Raha toa ny teninao no asiako tsy ho efa

Batsola :
Indro ary fanafody kelikely ihany aloha
Nefa ity tsy hanafoana ny hahatongavako tokoa
Satria tena manahirana sady sarotra ampiasaina
Io fanafody io ary mety handatsaka aina.

Mpitantara :
Dia nanainga Lefahitra rehefa azo ny nilainy
Nibitabitaka ny fony ka finaritra ny sainy
Haverimberiny ihany izao ataky ny fikasany
Mandra-pila vonjy mafy araky ny fahitany.
Lehilahy tsy valahara, tsy mataho-todin' aina
Asa... asa izay ho farany satria andro no isaina.

(Vohimarina)

Ranoro :
Aiza ihany Lefahitra, tsy ahitana fanafody,
Aza hitako namitaka ilay tsy mataho-tody

Rosofa :
Fa naninona izato izy. Sao tsy hitany Batsola
Sa noheveriny fa kely ny havesatry ny vola
Aiza k' efa andro roa Lefahitra no niala
Nefa mbola ts' hita ihany, mila hahalasa adala !

Mpitantara :
Nikiry hitsangana Rasata fa tsy tana norarana
Mila rivotra hono izy, may aina, tena ana
Mahonena iry izy, mirepirepy ery mananika
Hatreny Ampitiliana... misy afo toa hitanika
Mandoro ny ainy tsy an-kijanona, mahatonga azy ho fanina
Manampy izany ny alahelo vokatry ny fo manina.
Valalanina ny masony mitazana eny Ankoriaka
Sao mba hisy dona-tsetroka, nefa ngoly mangatsiaka
Ny eritreriny mitazana ny lavitra manjepizepy...
Mijaingijaingy avy eny izy, fanina mandrepirepy
Ramatoa amin' izany manjohy manara-maso ihany,
Ory sy mangitakitaka ka miraraka tomany !
Mafy aminy tokoa, nefa tsy hita atao ahoana
Tsy ahitan-teny intsony Rasata toa manjary moana.
Nandry izy, tena valaka, tsy tafarina intsony
No iny tonga Lefahitra. Nitsena azy tamin' ny fony

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 17-18
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 39-40
Takila 41-42
Takila 43-44