Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 97 Takila 99 ->

 izay manana baiboly ) dia samy manondro izay fitoerana heveriny ho misy ny fanahin’ny maty any ankoatra. Ny egyptiana milaza fa eo amin'ny sambon’ny masoandro mandeha manodidina ny tany no misy ny maty. Ny normand kosa mihevitra fa ny maty dia tonga any Valhal, izay tany mahafinaritra. Ary na dia ny samy eto Madagaskara aza dia samihafa ihany ny amin'ny toerana heveriny ho misy ny maty. Ny any Betsileo sy ny any avaratra rehetra dia mihevitra fa ny maty dia any Ambondrombe sy any Itenina.

Koa ny Bara dia tsy latsaka noho ny an’ireo firenena rehetra ireo ny amin'izay heverina ho misy ny fanahin ’ny maty, fa any Amboromena hono no iangonan’ny maty vaovao mbola maimbo, fa tsy mahazo miditra any an-danitra hono, fa ao Amboromena aloha hiofo hiofo sy


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany