Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 85 Takila 87 ->

d- Eo am-pandehanana

Raha mandeha hamangy havana lavitra na akaiky, ka tafintohina raha vantany vao mivoaka dia fambara izany fa tsy hotratra ilay olona fa nandeha an-tany lavitra, ka raha azo atao dia aleo miverina. Ny mpandeha mamaky tany efitra ka manoaka na mihoron-koditra dia tsy maintsy hiomana amin'ny fiarovan-tena izy fa hisy olona hanaitra azy hono. 

e- Eo am-pihinanana

Raha mihinana ka latsaka izay efa avy tany am-bava dia fambara hono izany fa hisy hena homen’olona azy ao anatin’ny fotoana vitsivitsy. Ny nihinana ka nahavoatelina lavitra dia mampiseho hena ho hanina koa izany. 

f- Eo am-patoriana

Ny manofinofy nokekerin-dita sy amboa adala dia manambara vosavin’olona, hono 
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany