Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 83 Takila 85 ->

1- Ny fambara miseho eto ambonin’ny tany

a- Ny horohoron-tany

Heveriny ho loza lehibe miseho amin'ny tany sy ny fanjakana izy io rehefa tonga, fa tsy mba amin'ny firenena iray ihany. Ny loza tondroin’izany hoy izy dia mosary manerana ny tany, areti-mandringana, fanjakana mikorontana. 

b- Amin'ny vorona sasany

Misy vorona manidina amin'ny alina ataony hoe : jiny sy vorondolo, raha maneno mamaky ao afovoan’ny tanàna hono ireo vorona ireo amin'iny alina iny dia fambara izany fa hisy faty ao an-tanàna anatin’ny andro vitsivitsy manaraka, na ny lehiben’ny tanàna mihitsy aza no ho faty. Ny takatra koa raha manidina mamaky ao afovoan’ny tanàna dia fambara loza koa ka tsy maintsy hilaozana ilay tanàna. Ny akoho lahy maneno amin'ny takariva efa maizi [maizina]
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany