Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 81 Takila 83 ->

[vehivavy ] bevohoka no ataony anaran’io kintana io.

Kintana telo mifandrify manao toy ny orin-toko ; mpanefy no ataony anarany.

Farany dia kintana manao fari-bala iray dia fatifaty ; (rovan’ny mpanjaka, misy kintana maromaro mitsitokotoko ao anatiny ireo hono no tranon’akohon’ny mpanjaka.

Ny fari-bala faharoa dia ny tananan’ny vahoaka, ny kintana maromaro mitsitokotoko eo anatiny dia heveriny ho ny zavatra rehetra fananan’ny olona ety ambonin’ny tany.

Ny fari-bala fahatelo dia ny sarin’izao tontolo izao. (tsarovy anefa fa raha manao hoe « izao tontolo izao » ny Bara dia tsy mahalala ny an-dafy fa Madagasikara).

Isam-bolana dia misy famantarana miseho hono amin’ireo kintana ireo ny amin’izay hiseho ety a [mbonin’ny]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany