Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 35 Takila 37 ->

[ka amonoana ] omby sy ampandihizana mpandihy) dia mivory ny olona maro hanokana ity mpisorona vao nofidina ity handimby an-drainy. Ny zaza amam-behivavy miantsa (mihira) etsy an-kianja. Ny lehilahy mahery kosa mirohotra mitondra azy avy any ivelan’ny tanàna miantsa koa. Ilay hatokana ho mpisorona amin'izay efa nampihaingoina fatratra. Asiana satroka jaky ny lohany mahatratra ny vody ny tampany ary afara. Asiana volafotsy ny tànany roa. Ny volony randranana tsara (mirandrana ny lehilahy Bara). Mazàna arindrano no itafiany na tokan-tsisina. Dia miditra ao an-tanàna amin'izay izy mban’ireto olo-marobe manaraka azy. Raha tonga ao dia mihazakazaka manodidina ny tranon’ny rainy izay ho dimbiasany izao izy sy ireto olona manaraka azy ireto. Mihoby izy rehetra amin’izany ka mampimpoaka basy mifamalivaly
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany