Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 33 Takila 35 ->

[sy ny raza] na ka izay hanao izany raharaha izany dia tsy maintsy ho fidiana tsara. Mitondra adidy maro samihafa koa ny olona atao mpisorona amin'ny Bara : Amin'Andriamanitra sy ny razana dia amin'ny alalany no handraisan’ny mpianakavy ny fitahiana. Amin'ny fanjakana sy ny tany aman-monina dia izy no iankinana sy andrandrain’ny mpianakavy. Amin'ny fahavalo sy ny mpangalatra dia ny tenany no hitsangana hitondra ny ankohonana hiady amin'ireo mba tsy hanimba ny tany. Ary amin'ny fifaneraseran’ny mpianankavy sy ny zava-dratsy mety hiseho hanimba izany dia andraikiny ny handamina izay mikorontana ka hamboatra izay miady.

Noho izany dia olona efa loham-pianakaviana no azo fidiana ho mpisorona fa ny fianakaviana miray razana rehetra dia samy ma [nana ny mpisorona avy.]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany