Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 31 Takila 33 ->

[raha tsy misy ] avotra azo atao amin'izany, ary toy izao no fanao izany : Fenoana rano ny laona lehibe ery tandrifin’ny varavarana fidirana ery. Vonoina ny akoho mainty ka tetitetehina ny tsobokofony (haranany) ka atao ao. Dorana ny lafika mainty efa tonta ka atao ao koa. Kikisana ny tolanam-baravarana ka ankambana amin'ireo. Dia haroina amin'ny lelam-pamaky amin’izay. Amboarina ohatry ny hamandrihana omby iny ny mahazaka ka apetraka eo am-bavan’ny laona. Dia mandroso tsirairay izay rehetra hisotro io zavatra io dia ho afaka amin'ny fatoran’ny fadin-drazana ka mahazo homana na hanao izany. Eo am-pisotroana io ranom-pahafahana io dia miteny ilay misotro hoe : « Haniko ny anona... sy ny anona… na ataoko ny anona (tono [nina ireo zava-pady ireo)]
I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany