Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 20 Takila 22 ->

[fa mbola ] sahirana manamboatra ny adin’ireo mpanompony Izy izao ka tsy afaka. Hariva ny andro nefa mbola tsy tonga Ndriananahary hitondra namana ho azy, koa dia natory izy fa trotrakin’ny hain’andro tany an-dàlana. Tonga tokoa Ndriananahary nitondra vehivavy iray ho nanamany. Tsy namoha an’Idama Izy satria fantany fa matory noho ny alahelony sy ny hahasasarana tany an-dàlana, fa nampandry an-drahavehivavy teo akaikiny ka lasa ho any an-danitra.

Maraina ny andro ka nifoha Idama dia ity vehivavy mandry eo anilany. Tsaroany niaraka tamin’izay ny fangatahiny ka namadika an-dravehivavy izy (ny tenin’ny Bara hoe mamadika dia mitovy amin'ny hoe mampifoha ny mihohoka) dia nifoha ravehivavy ka nitodika nanatrika an’i Idama. Faly hono tamin’izay Idama ka nanao hoe : « Ahy aza ity fa navadiko, sady nomen’ny Ndriananahary ahy » Izany no nihavian’ny tenin’ny Bara hoe : « vidy » avy amin'ny teny nataon’Idama [voalohany hoe]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany