Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 99 Takila 101 ->

 

2- Ny toetry ny tany any

Tany tsara mahafinaritra hono izao tany any ankoatra misy ny maty izao.

Toy izao ny tany mamaritra an’Amboromena, ilay fitoerana voalohany vatanin’ny maty araky ny finoany azy : Tendrombohitra mangadihady no andrefany sy atsimony ary avarany. Alabe mangokoka no ao atsinanany. Toy izao indray ny angano ilazany ny toetrany ao anatiny : Farihy efa-joro no ao afovoany, io no anirian’ny zavatra maro karazana sy androan’ny voron-janahary . Manodidina io farihy io no onenan’ny maty isam-pianakaviana (dia ireo mbola hiofo ). Ny ilan’io farihy io atsinanana hono nasiana fatsona iray handehanan-drano hamelona ny Tanala, dia ny renirano « Intara » izany, izay midi [na any]


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany