Fizahan-teny

Ohabolana : sakaiza manody

Ohabolana 1Aleo fahavalo fantatra, toy izay sakaiza manody. [2.558 #111]
Aleo ny fahavalo miharihary toy izay ny sakaiza manody. [2.415 #5323]
Dikanteny frantsayMieux vaut un franc ennemi qu' un ami perfide. [2.415 #5323]

Ohabolana 2Aza manao sakaiza manody. [2.165]
Dikanteny frantsayNe trahissez pas vos amis. [2.165]

Ohabolana 3Aza manao sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [2.558 #564, 2.653 #493]
Sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [2.415 #5343]
Dikanteny frantsayAmi perfide, ami traître : c' est une personne chère qui frappe. [2.415 #5343]

Ohabolana 4Ny sakaiza manody mandravy, fa ny sakaiza tia tsy misorona. [2.415]
Dikanteny frantsayUn ami perfide trompe ; un ami qui aime n' a rien de caché. [2.415 #5125]

Fizahan-teny