<-
->

Heb 3:1 Wherefore, holy brethren, partakers of the heavenly calling, consider the Apostle and High Priest of our profession, Christ Jesus; Koa amin' izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, Koa amin' izany, ry rahalahy masina, mpiombona amin' ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apostoly sy ny Mpisorom-ben' ny finoana arahintsika, dia Jeso, En conséquence, frères saints, vous qui avez en partage une vocation céleste, considérez l' apôtre et grand prêtre de notre profession de foi Jésus ;
Heb 3:2 Who was faithful to him that appointed him, as also Moses was faithful in all his house. Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an' i Mosesy koa tao amin' ny tranon' Andriamanitra rehetra. izay nahatoky an' ilay nanendry azy, tahaka an' i Moizy "tao amin' ny tranony rehetra" koa. il est fidèle à celui qui l' a institué, comme Moïse le fut aussi dans toute sa maison.
Heb 3:3 For this man was counted worthy of more glory than Moses, inasmuch as he who hath builded the house hath more honour than the house. Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan' ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. Fa tahaka ny mahabe voninahitra ny mpanao trano noho ny trano nataony no nanaovana azy mendri-boninahitra fa tsy tahaka an' i Moizy. Car il a été jugé digne d' une gloire supérieure à celle de Moïse, dans la mesure même où la dignité du constructeur d' une maison est plus grande que celle de la maison elle-même.
Heb 3:4 For every house is builded by some man; but he that built all things is God. Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. Satria ny trano rehetra dia amboarin' ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra. Toute maison, en effet, est construite par quelqu' un, et celui qui a tout construit, c' est Dieu.
Heb 3:5 And Moses verily was faithful in all his house, as a servant, for a testimony of those things which were to be spoken after; Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin' ny tranon' Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; Ary Moizy dia nahatoky tao amin' ny tranony rehetra toa ny mpanompo fotsiny, mba hanambara ny zavatra tsy maintsy holazaina; Moïse, à la vérité, a été fidèle dans toute sa maison, en qualité de serviteur, pour témoigner de ce qui devait être dit ;
Heb 3:6 But Christ as a son over his own house; whose house are we, if we hold fast the confidence and the rejoicing of the hope firm unto the end. fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon' Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin' ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. fa ny Kristy kosa dia toy ny zanaka manapaka ny tranon' ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin' ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana. tandis que le Christ, lui, l' a été en qualité de fils, à la tête de sa maison. Et sa maison, c' est nous, pourvu que nous gardions l' assurance et la joyeuse fierté de l' espérance.
Heb 3:7 Wherefore (as the Holy Ghost saith, To day if ye will hear his voice, Koa araka izay lazain' ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Noho izany, araka ny tenin' ny Fanahy Masina hoe: Anio raha mandre ny feony hianareo, C' est pourquoi, comme le dit l' Esprit Saint : Aujourd' hui, si vous entendez sa voix,
Heb 3:8 Harden not your hearts, as in the provocation, in the day of temptation in the wilderness: Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin' ny fahasosorana, tamin' ny andro fakam-panahy tany an-efitra, aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin' ny fahasosorana, tamin' ny andron' ny fakam-panahy tany an' efitra, n' endurcissez pas vos coeurs comme cela s' est produit dans la Querelle, au jour de la Tentation dans le désert,
Heb 3:9 When your fathers tempted me, proved me, and saw my works forty years. Izay nakan' ny razanareo fanahy Ahy tamin' ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy. izay nakan' ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, nefa anie efa nahita ny asako nandritra ny efa-polo taona izy. où vos Pères me tentèrent, me mettant à l'épreuve, alors qu' ils avaient vu mes oeuvres
Heb 3:10 Wherefore I was grieved with that generation, and said, They do alway err in their heart; and they have not known my ways. Koa tezitra tamin' izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin' ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako; Tezitra tamin' izany taranaka izany aho ka nanao hoe: Maniasia amin' ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako; pendant quarante ans. C' est pourquoi j' ai été irrité contre cette génération et j' ai dit : Toujours leur coeur se fourvoie, ils n' ont pas connu mes voies ;
Heb 3:11 So I sware in my wrath, They shall not enter into my rest.) Ary araka izany no nianianako tamin' ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin' ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11). koa nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin' ny fialan-tsasatro izy ireo; aussi ai-je juré dans ma colère : Non, ils n' entreront pas dans mon repos.
Heb 3:12 Take heed, brethren, lest there be in any of you an evil heart of unbelief, in departing from the living God. Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin' Andriamanitra velona; dia tandremo, ry rahalahy, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin' Andriamanitra velona; Prenez garde, frères, qu' il n' y ait peut-être en quelqu' un d' entre vous un coeur mauvais, assez incrédule pour se détacher du Dieu vivant.
Heb 3:13 But exhort one another daily, while it is called To day; lest any of you be hardened through the deceitfulness of sin. fa mifananara isan' andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan' ny ota. fa mifamporisiha isan' andro, dieny mbola misy izay atao hoe "anio", mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan' ny fahotana. Mais encouragez-vous mutuellement chaque jour, tant que vaut cet aujourd' hui, afin qu' aucun de vous ne s' endurcisse par la séduction du péché.
Heb 3:14 For we are made partakers of Christ, if we hold the beginning of our confidence stedfast unto the end; Fa efa tonga mpiombona amin' i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan' ny fahatokiantsika hatramin' ny farany; Fa efa tonga mpiombona amin' ny Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin' ny farany ny fahatokiantsika voalohany, Car nous sommes devenus participants du Christ, si toutefois nous retenons inébranlablement jusqu'à la fin, dans toute sa solidité, notre confiance initiale.
Heb 3:15 While it is said, To day if ye will hear his voice, harden not your hearts, as in the provocation. raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin' ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8). araka ilay lazaina hoe: Anio raha mandre ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin' ny fahasosorana. Dans cette parole : Aujourd' hui, si vous entendez sa voix, n' endurcissez pas vos coeurs comme cela s' est produit dans la Querelle,
Heb 3:16 For some, when they had heard, did provoke: howbeit not all that came out of Egypt by Moses. Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin' i Mosesy niala tany Egypta va? Fa iza moa ireny nahasosotra azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin' i Moizy niala tany Ejipta va? quels sont donc ceux qui, après avoir entendu, ont querellé ? Mais n'étaient-ce pas tous ceux qui sont sortis d'Égypte grâce à Moïse ?
Heb 3:17 But with whom was he grieved forty years? was it not with them that had sinned, whose carcases fell in the wilderness? Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny? Iza no nahatezitra azy, nandritra ny efapolo taona? Moa tsy ry zareo nanota va, ka niampatrampatra tany an' efitra ny fatiny? Et contre qui s' irrita-t-il pendant quarante ans ? N' est-ce pas contre ceux qui avaient péché et dont les cadavres tombèrent dans le désert ?
Heb 3:18 And to whom sware he that they should not enter into his rest, but to them that believed not? Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin' ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky? Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin' ny fialàny sasatra, afa-tsy ry zareo tsy nanaiky? Et à qui jura-t-il qu' ils n' entreraient pas dans son repos, sinon à ceux qui avaient désobéi ?
Heb 3:19 So we see that they could not enter in because of unbelief. Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany. Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra tokoa izy ireo noho ny tsy finoany. Et nous voyons qu' ils ne purent entrer à cause de leur infidélité.

<-
->