<-
->

Heb 7:1 For this Melchisedec, king of Salem, priest of the most high God, who met Abraham returning from the slaughter of the kings, and blessed him; Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan' i Salema sy mpisoron' Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an' i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, Io Melkisedeka io, izay mpanjakan' i Salema, mpisoron' ny Avo indrindra, nitsena an' i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy, En effet, ce Melchisédech, roi de Salem, prêtre du Dieu Très-Haut, qui se porta à la rencontre d' Abraham s' en retournant après la défaite des rois, et qui le bénit ;
Heb 7:2 To whom also Abraham gave a tenth part of all; first being by interpretation King of righteousness, and after that also King of Salem, which is, King of peace; sady nomen' i Abrahama ny ampahafolon' ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan' ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan' i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan' ny fiadanana; notoloran' i Abrahama ny ampahafolon' ny babony rehetra; - mpanjakan' ny fahamarinana no hevitr' anarany voalohany, vao mpanjakan' i Salema koa, izany hoe mpanjakan' ny fiadanana; à qui aussi Abraham attribua la dîme de tout, dont on interprète d' abord le nom comme " roi de justice " et qui est aussi roi de Salem, c' est-à-dire " roi de paix ",
Heb 7:3 Without father, without mother, without descent, having neither beginning of days, nor end of life; but made like unto the Son of God; abideth a priest continually. tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan' andro na faran' ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak' Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin' ny Zanak' Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay. qui est sans père, sans mère, sans généalogie, dont les jours n' ont pas de commencement et dont la vie n' a pas de fin, qui est assimilé au Fils de Dieu, ce Melchisédech demeure prêtre pour toujours.
Heb 7:4 Now consider how great this man was, unto whom even the patriarch Abraham gave the tenth of the spoils. Ary hevero ny halehiben' io lehilahy io -, izay nomen' i Abrahama patriarka ny ampahafolon' izay tsara tamin' ny zavatra nobaboina. Mba hevero lahy ny halehiben' io lehilahy io, fa notoloran' i Abrahama, ilay Patriarka, ny ampahafolon' ny babony tsara indrindra izy. Considérez donc comme il est grand celui à qui Abraham donna aussi la dîme du meilleur butin, lui le Patriarche.
Heb 7:5 And verily they that are of the sons of Levi, who receive the office of the priesthood, have a commandment to take tithes of the people according to the law, that is, of their brethren, though they come out of the loins of Abraham: Ary izay avy tamin' ny taranak' i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin' ny olona araka ny lalàna, dia amin' ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon' i Abrahama aza ireny; Nefa, araka ny Lalàna, dia ny taranak' i Levì izay mandray ny fisoronana ihany no mahazo teny handray ny ampahafolon-karena amin' ny vahoaka, izany hoe amin' ny rahalahiny, izay terak' i Abrahama koa; Et à la vérité, ceux des fils de Lévi qui reçoivent la prêtrise ont ordre, selon la Loi de lever la dîme sur le peuple, c' est-à-dire sur leurs frères qui sont pourtant eux aussi sortis des reins d' Abraham.
Heb 7:6 But he whose descent is not counted from them received tithes of Abraham, and blessed him that had the promises. nefa izay tsy isan' ny firazanan' ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin' i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana. fa izy izay tsy iray razana amin' izy ireo akory indray, dia sady nandray ny ampahafolon-karena tamin' i Abrahama no nitso-drano azy izay nahazo ny teny fampanantenana koa! Mais celui qui n'était pas de leur lignée a levé la dîme sur Abraham, et il a béni le détenteur des promesses.
Heb 7:7 And without all contradiction the less is blessed of the better. Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin' ny lehibe noho ny tenany. Tsy azo lavina anefa fa ny ambany no mandray tso-drano avy amin' izay ambony noho izy. Or, sans aucun doute, c' est l' inférieur qui est béni par le supérieur.
Heb 7:8 And here men that die receive tithes; but there he receiveth them, of whom it is witnessed that he liveth. Ary etý dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona. Tsy izany ihany koa, fa tamin' izy ireo dia olona mety maty no mandray ny ampahafolon-karena, fa amin' izao kosa dia olona ambara hoe velona. De plus, ici ce sont des hommes mortels qui perçoivent les dîmes, mais là c' est celui dont on atteste qu' il vit.
Heb 7:9 And as I may so say, Levi also, who receiveth tithes, payed tithes in Abraham. Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin' i Abrahama, Ary azo lazaina aza fa i Levì izay mandray ny ampahafolon-karena, dia mba nandoa izany tao amin' ny tenan' i Abrahama ihany koa, Enfin c' est pour ainsi dire Lévi lui-même, lui qui perçoit la dîme, qui se trouve l' avoir payée en la personne d' Abraham ;
Heb 7:10 For he was yet in the loins of his father, when Melchisedec met him. satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin' ny nitsenan' i Melkizedeka an' i Abrahama. satria mbola tao an-kibon' io razana io izy, tamin' ny nitsenan' i Melkisedeka an' i Abrahama. car il était encore dans les reins de son aïeul, lorsque Melchisédech se porta à sa rencontre.
Heb 7:11 If therefore perfection were by the Levitical priesthood, (for under it the people received the law,) what further need was there that another priest should rise after the order of Melchisedec, and not be called after the order of Aaron? Koa raha nisy fanatanterahana tamin' ny fisoronan' i Levy (fa tamin' izany no nahazoan' ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon' i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon' i Arona? Koa raha tany nahalavorary zavatra ny fisoronan' i Levì, fa tamin' izany no nandraisan' ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna mpisorona hafa araka ny fomban' i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban' i Aarona? Si donc la perfection était réalisée par le sacerdoce lévitique - car c' est sur lui que repose la Loi donnée au peuple -, quel besoin y avait-il encore que se présentât un autre prêtre selon l' ordre de Melchisédech et qu' il ne fût pas dit " selon l' ordre d' Aaron " ? -
Heb 7:12 For the priesthood being changed, there is made of necessity a change also of the law. Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. Fa raha ovàna ny fisoronana, dia tsy maintsy ovàna koa ny Lalàna. En effet, changé le sacerdoce, nécessairement se produit aussi un changement de Loi. -
Heb 7:13 For he of whom these things are spoken pertaineth to another tribe, of which no man gave attendance at the altar. Fa Izay nolazaina amin' izany teny izany dia avy tamin' ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin' ny alitara. Ary ny olona antsoina amin' izany teny izany, dia avy amin' ny foko hafa tsy mbola nisy nanao raharaha tamin' ny otely, Car celui dont ces choses sont dites appartenait à une autre tribu, dont aucun membre ne s' est jamais occupé du service de l' autel.
Heb 7:14 For it is evident that our Lord sprang out of Juda; of which tribe Moses spake nothing concerning priesthood. Fa hita marimarina fa avy tamin' ny Joda no nisehoan' ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain' i Mosesy akory ny amin' izay ho mpisorona. satria fantatra miharihary fa avy amin' i Jodà foko tsy mba voalazan' i Moizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika. Il est notoire, en effet, que notre Seigneur est issu de Juda, tribu dont Moïse n' a rien dit quand il traite des prêtres.
Heb 7:15 And it is yet far more evident: for that after the similitude of Melchisedec there ariseth another priest, Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an' i Melkizedeka, Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an' i Melkisedeka: Cela devient encore plus évident si, à la ressemblance de Melchisédech, se présente un autre prêtre,
Heb 7:16 Who is made, not after the law of a carnal commandment, but after the power of an endless life. izay natao tsy araka ny lalàn' izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin' ny fiainana tsy manam-pahataperana. tsy mba voatendry araka ny didin' ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin' ny fiainana tsy manam-pahataperana, qui ne l' est pas devenu selon la règle d' une prescription charnelle, mais bien selon la puissance d' une vie impérissable.
Heb 7:17 For he testifieth, Thou art a priest for ever after the order of Melchisedec. Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon' i Melkizedeka" (Sal.110.4). fa toy izao no anambarana azy: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban' i Melkisedeka. Ce témoignage, en effet, lui est rendu : Tu es prêtre pour l'éternité selon l' ordre de Melchisédech.
Heb 7:18 For there is verily a disannulling of the commandment going before for the weakness and unprofitableness thereof. Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany Toy izany àry no nandravana ny didy taloha, noho izy nalemy sy tsy nahasoa, - Ainsi se trouve abrogée la prescription antérieure, en raison de sa faiblesse et de son inutilité -
Heb 7:19 For the law made nothing perfect, but the bringing in of a better hope did; by the which we draw nigh unto God. (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an' Andriamanitra. satria tsy nahalavorary na inona na inona ny Lalàna - ka nampidirina fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an' Andriamanitra. car la Loi n' a rien amené à la perfection - et introduite une espérance meilleure, par laquelle nous approchons de Dieu.
Heb 7:20 And inasmuch as not without an oath he was made priest: Ary tahaka an' i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin' ny fianianana Tsy izany ihany, fa satria tamim-pianianana koa no nanaovana izany, ny mpisorona hafa moa dia notendrena tsy amim-pianianana ho mpisorona, D' autant plus que cela ne s' est pas fait sans serment. Les autres, en effet, sont devenus prêtres sans serment ;
Heb 7:21 (For those priests were made without an oath; but this with an oath by him that said unto him, The Lord sware and will not repent, Thou art a priest for ever after the order of Melchisedec:) - fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin' ny fianianana, fa Ity tamin' ny fianianana nataon' ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4) fa ity kosa tamim-pianianan' ilay nanao taminy hoe: Ny Tompo efa nianiana, ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay; mais celui-ci l' a été avec serment, par Celui qui lui a dit : le Seigneur a juré, et il ne s' en repentira pas : Tu es prêtre pour l'éternité.
Heb 7:22 By so much was Jesus made a surety of a better testament. - dia tahaka izany koa no nanaovana an' i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra. arakaraka izany, hoy aho, no nanaovana an' i Jeso ho Mpiantoka fanekena ambony kokoa. Et par suite c' est d' une alliance meilleure que Jésus est devenu garant.
Heb 7:23 And they truly were many priests, because they were not suffered to continue by reason of death: Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan' ny fahafatesana haharitra izy; Ary ireny, dia maro ny azy no natao mpisorona, satria tsy navelan' ny fahafatesana haharitra; De plus, ceux-là sont devenus prêtres en grand nombre, parce que la mort les empêchait de durer ;
Heb 7:24 But this man, because he continueth ever, hath an unchangeable priesthood. fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; fa izy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandimbiasana. mais lui, du fait qu' il demeure pour l'éternité, il a un sacerdoce immuable.
Heb 7:25 Wherefore he is able also to save them to the uttermost that come unto God by him, seeing he ever liveth to make intercession for them. koa amin' izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an' Andriamanitra amin' ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an' Andriamanitra amin' ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. D' où il suit qu' il est capable de sauver de façon définitive ceux qui par lui s' avancent vers Dieu, étant toujours vivant pour intercéder en leur faveur.
Heb 7:26 For such an high priest became us, who is holy, harmless, undefiled, separate from sinners, and made higher than the heavens; Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin' ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voavaka amin' ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra; Oui, tel est précisément le grand prêtre qu' il nous fallait, saint, innocent, immaculé, séparé désormais des pécheurs, élevé plus haut que les cieux,
Heb 7:27 Who needeth not daily, as those high priests, to offer up sacrifice, first for his own sins, and then for the people' s: for this he did once, when he offered up himself. Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan' andro tahaka ny ataon' ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan' ny tenany, dia vao noho ny an' ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy. ary tsy mila hanolotra sorona isan' andro toy ny mpisorombe hafa ho an' ny fahotan' ny tenany aloha, dia ho an' ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja izy no nanao izany tamin' ny nanolorany ny tenany, dia ampy. qui ne soit pas journellement dans la nécessité, comme les grands prêtres, d' offrir des victimes d' abord pour ses propres péchés, ensuite pour ceux du peuple, car ceci il l' a fait une fois pour toutes en s' offrant lui-même.
Heb 7:28 For the law maketh men high priests which have infirmity; but the word of the oath, which was since the law, maketh the Son, who is consecrated for evermore. Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin' ny fianianana kosa, izay tato aorian' ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay. Satria olona zoim-pahalemena no atsangan' ny Lalàna ho mpisorombe: fa ny tenin' ny fianianana taorian' ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin' ny fara fanaperana mandrakizay. La Loi, en effet, établit comme grands prêtres des hommes sujets à la faiblesse ; mais la parole du serment - postérieur à la Loi - établit le Fils rendu parfait pour l'éternité.

<-
->