<-
->

Heb 9:1 Then verily the first covenant had also ordinances of divine service, and a worldly sanctuary. Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin' ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny etý an-tany. Ny fanekena voalohany koa àry dia nasiana fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana, sy ny fitoerana masina momba ny ety an-tany. La première alliance, elle aussi, avait donc des institutions cultuelles ainsi qu' un sanctuaire, celui de ce monde.
Heb 9:2 For there was a tabernacle made; the first, wherein was the candlestick, and the table, and the shewbread; which is called the sanctuary. Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho. Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra. Une tente, en effet - la tente antérieure - avait été dressée ; là se trouvaient le chandelier, la table, et l' exposition des pains ; c' est celle qui est appelée : le Saint.
Heb 9:3 And after the second veil, the tabernacle which is called the Holiest of all; Ary ao anatin' ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra," Ary ny efitra lamba faharoa kosa, izay atao hoe fitoerana masina indrindra, dia izao no zavatra tao anatiny: Puis, derrière le second voile était une tente appelée Saint des Saints,
Heb 9:4 Which had the golden censer, and the ark of the covenant overlaid round about with gold, wherein was the golden pot that had manna, and Aaron' s rod that budded, and the tables of the covenant; izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran' ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin' io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran' ny mana, sy ny tehin' i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; ny otely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran' ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran' ny mana, sy ny tehin' i Aarona izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena. comportant un autel des parfums en or et l' arche de l' alliance entièrement recouverte d' or, dans laquelle se trouvaient une urne d' or contenant la manne, le rameau d' Aaron qui avait poussé, et les tables de l' alliance ;
Heb 9:5 And over it the cherubims of glory shadowing the mercyseat; of which we cannot now speak particularly. ary teo ambonin' io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny. Nisy Kerobimam-boninahitra teo amboniny, izay nandrakotra ny fanaovam-panavotana tamin' ny alony. Fa tsy azo visavisaina eto avokoa ny andinidinik' izany. puis au-dessus, les chérubins de gloire couvrant d' ombre le propitiatoire. Ce n' est pas le moment de parler de tout cela en détail.
Heb 9:6 Now when these things were thus ordained, the priests went always into the first tabernacle, accomplishing the service of God. Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin' ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana. Nony voalamina araka izany ireo zavatra ireo, dia tao amin' ilay voalohany amin' ny tranolay ihany no nidiran' ny mpisorona mandrakariva, raha nanao ny fanompoam-pivavahana izy; Tout étant ainsi disposé, les prêtres entrent en tout temps dans la première tente pour s' acquitter du service cultuel.
Heb 9:7 But into the second went the high priest alone once every year, not without blood, which he offered for himself, and for the errors of the people: Fa ny faharoa kosa no idiran' ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin' ny tenany sy ny fahadisoana nataon' ny olona amin' ny tsi-fahalalana; fa tamin' ilay faharoa kosa, dia ny mpisorombe irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra rà izay natolony noho ny hadisoan' ny tenany sy ny an' ny vahoaka koa. Dans la seconde, au contraire, seul le grand prêtre pénètre, et une seule fois par an, non sans s'être muni de sang qu' il offre pour ses manquements et ceux du peuple.
Heb 9:8 The Holy Ghost this signifying, that the way into the holiest of all was not yet made manifest, while as the first tabernacle was yet standing: koa izany no anambaran' ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin' ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany; Ambaran' ny Fanahy Masina amin' izany fa tsy mbola naseho ny làlana mankany amin' ny toerana masina indrindra, raha mbola ao koa ny tranolay voalohany. L' Esprit Saint montre ainsi que la voie du sanctuaire n' est pas ouverte, tant que la première Tente subsiste.
Heb 9:9 Which was a figure for the time then present, in which were offered both gifts and sacrifices, that could not make him that did the service perfect, as pertaining to the conscience; fanoharana izany amin' izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin' ny fieritreretana Ary fanoharana tandrifin' ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina, C' est là une figure pour la période actuelle ; sous son régime on offre des dons et des sacrifices, qui n' ont pas le pouvoir de rendre parfait l' adorateur en sa conscience ;
Heb 9:10 Which stood only in meats and drinks, and divers washings, and carnal ordinances, imposed on them until the time of reformation. (fa naman' ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin' ny andro fanovana. fa naman' ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-pihavin' ny andro fanoloana azy ihany. ce sont des règles pour la chair, ne concernant que les aliments, les boissons, diverses ablutions, et imposées seulement jusqu' au temps de la réforme.
Heb 9:11 But Christ being come an high priest of good things to come, by a greater and more perfect tabernacle, not made with hands, that is to say, not of this building; Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin' ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin' ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan' izao zavatra ary izao, Fa ny Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin' ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tànana, izany hoe tsy mba anisan' izao zava-boary izao; Le Christ, lui, survenu comme un grand prêtre des biens à venir, traversant la tente plus grande et plus parfaite qui n' est pas faite de main d' homme, c' est-à-dire qui n' est pas de cette création,
Heb 9:12 Neither by the blood of goats and calves, but by his own blood he entered in once into the holy place, having obtained eternal redemption for us. ary tsy mba nitondra ran' osilahy sy ran-janak' omby Izy, fa ny ran' ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin' ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. sady tsy mba ran' osilahy na ran-janak' omby, fa ny ran' ny tenany no nentiny niditra tao amin' ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. entra une fois pour toutes dans le sanctuaire, non pas avec du sang de boucs et de jeunes taureaux, mais avec son propre sang, nous ayant acquis une rédemption éternelle.
Heb 9:13 For if the blood of bulls and of goats, and the ashes of an heifer sprinkling the unclean, sanctifieth to the purifying of the flesh: Fa raha ny ran' osilahy sy ny ran' ombilahy ary ny lavenom-bantotr' ombivavy afafy amin' izay voaloto no manamasina hatramin' ny fanadiovana ny nofo, Ary raha ny ran' osilahy sy ny ran-janak' omby aza mbamin' ny famafazana ny lavenom-bantotr' ombivavy nanamasina izay voaloto amin' ny fanadiovana ny nofo, Si en effet du sang de boucs et de taureaux et de la cendre de génisse, dont on asperge ceux qui sont souillés, les sanctifient en leur procurant la pureté de la chair,
Heb 9:14 How much more shall the blood of Christ, who through the eternal Spirit offered himself without spot to God, purge your conscience from dead works to serve the living God? mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an' Andriamanitra, tamin' ny alalan' ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin' ny asa maty mba hanompoanareo an' Andriamanitra velona. mainka ny ran' ny Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin' Andriamanitra, amin' ny alalan' ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin' ny asa maty, mba hanompoantsika an' Andriamanitra velona! combien plus le sang du Christ, qui par un Esprit éternel s' est offert lui-même sans tache à Dieu, purifiera-t-il notre conscience des oeuvres mortes pour que nous rendions un culte au Dieu vivant.
Heb 9:15 And for this cause he is the mediator of the new testament, that by means of death, for the redemption of the transgressions that were under the first testament, they which are called might receive the promise of eternal inheritance. Ary noho izany dia Mpanalalana amin' izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin' ny fahotana natao tamin' ny fanekena voalohany, mba hahazoan' izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. Noho izany, dia Mpanalàlana amin' ny fanekena vaovao izy, mba hahazoan' izay voantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin' ny fanekena taloha. Voilà pourquoi il est médiateur d' une nouvelle alliance, afin que, sa mort ayant eu lieu pour racheter les transgressions de la première alliance, ceux qui sont appelés reçoivent l' héritage éternel promis.
Heb 9:16 For where a testament is, there must also of necessity be the death of the testator. Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. Satria amin' ny didim-pananana dia ilaina ny fahafatesan' ny mpandidy; Car là où il y a testament, il est nécessaire que la mort du testateur soit constatée.
Heb 9:17 For a testament is of force after men are dead: otherwise it is of no strength at all while the testator liveth. Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. tsy manan-kery moa ny didim-pananana afa-tsy amin' ny fahafatesana ihany; fa tsy miasa izy raha mbola velona koa ny mpandidy. Un testament, en effet, n' est valide qu'à la suite du décès, puisqu' il n' entre jamais en vigueur tant que vit le testateur.
Heb 9:18 Whereupon neither the first testament was dedicated without blood. Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà. Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy fandatsahan-drà koa. De là vient que même la première alliance n' a pas été inaugurée sans effusion de sang.
Heb 9:19 For when Moses had spoken every precept to all the people according to the law, he took the blood of calves and of goats, with water, and scarlet wool, and hyssop, and sprinkled both the book, and all the people, Fa rehefa voalazan' i Mosesy tamin' ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak' omby sy ny ran' osilahy mbamin' ny rano sy ny volon' ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin' ny boky sy ny vahoaka rehetra; Fa rahefa voavakin' i Moizy tamin' ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin' ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak' omby sy ny ran' osilahy, mbamin' ny rano sy ny volon' ondry mena ary ny hisopy, ka nafafiny tamin' ny boky sy ny vahoaka rehetra, Effectivement, lorsque Moïse eut promulgué au peuple entier chaque prescription selon la teneur de la Loi, il prit le sang des jeunes taureaux et des boucs, avec de l' eau, de la laine écarlate et de l' hysope, et il aspergea le livre lui-même et tout le peuple
Heb 9:20 Saying, This is the blood of the testament which God hath enjoined unto you. dia hoy izy; Ity no ran' ny fanekena izay nandidian' Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8). ary hoy izy: Ity no ran' ny fanekena nataon' Andriamanitra taminareo. en disant : Ceci est le sang de l' alliance que Dieu a prescrite pour vous.
Heb 9:21 Moreover he sprinkled with blood both the tabernacle, and all the vessels of the ministry. Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. Dia nofafazany ra toy izany koa ny tranolay mbamin' ny fanaka rehetra enti-manao raharaham-pivavahana. Puis, de la même manière, il aspergea de sang la Tente et tous les objets du culte.
Heb 9:22 And almost all things are by the law purged with blood; and without shedding of blood is no remission. Ary saiky diovina amin' ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. Fa araka ny Lalàna dia saika diovina amin' ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy misy famelan-keloka raha tsy misy ra alatsaka. D' ailleurs, selon la Loi, presque tout est purifié par le sang, et sans effusion de sang il n' y a point de rémission.
Heb 9:23 It was therefore necessary that the patterns of things in the heavens should be purified with these; but the heavenly things themselves with better sacrifices than these. Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin' ireny ny tandindon' ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan' ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin' izay fanatitra tsara noho ireny. Koa raha ny tandindon' ny zavatra any an-danitra no tsy maintsy ho nodiovina toy izany, mainka sorona tsara lavitra noho ireny no tsy maintsy nanamasinana ny tenan' ny zavatra any an-danitra. Il est donc nécessaire, d' une part que les copies des réalités célestes soient purifiées de cette manière, d' autre part que les réalités célestes elles-mêmes le soient aussi, mais par des sacrifices plus excellents que ceux d' ici-bas.
Heb 9:24 For Christ is not entered into the holy places made with hands, which are the figures of the true; but into heaven itself, now to appear in the presence of God for us: Fa Kristy tsy mba niditra tao amin' izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon' ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan' Andriamanitra ankehitriny ho antsika; Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tànana sy tandindon' ny tena izy fotsiny no nidiran' ny Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan' Andriamanitra ho antsika ankehitriny. Ce n' est pas, en effet, dans un sanctuaire fait de main d' homme, dans une image de l' authentique, que le Christ est entré, mais dans le ciel lui-même, afin de paraître maintenant devant la face de Dieu en notre faveur.
Heb 9:25 Nor yet that he should offer himself often, as the high priest entereth into the holy place every year with blood of others; ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin' ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran' ny zavatra hafa; Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona tao amin' ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa izy, ka hoe hanolo-tena matetika; Ce n' est pas non plus pour s' offrir lui-même à plusieurs reprises, comme fait le grand prêtre qui entre chaque année dans le sanctuaire avec un sang qui n' est pas le sien,
Heb 9:26 For then must he often have suffered since the foundation of the world: but now once in the end of the world hath he appeared to put away sin by the sacrifice of himself. fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin' izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin' ny nanaterany ny tenany. raha izany dia ho nijaly matetika izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja izy no niseho tamin' izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin' ny nanolorany ny tenany ho sorona. car alors il aurait dû souffrir plusieurs fois depuis la fondation du monde. Or c' est maintenant, une fois pour toutes, à la fin des temps, qu' il s' est manifesté pour abolir le péché par son sacrifice.
Heb 9:27 And as it is appointed unto men once to die, but after this the judgment: Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rahefa afaka izany Et comme les hommes ne meurent qu' une fois, après quoi il y a un jugement,
Heb 9:28 So Christ was once offered to bear the sins of many; and unto them that look for him shall he appear the second time without sin unto salvation. dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan' ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin' ota, amin' izay miandry Azy, ho famonjena. no nanoloran' ny Kristy ny tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan' ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin' ota fanindroany mba hamonjy izay miandry azy. ainsi le Christ, après s'être offert une seule fois pour enlever les péchés d' un grand nombre, apparaîtra une seconde fois - hors du péché - à ceux qui l' attendent, pour leur donner le salut.

<-
->