<-
->

Heb 8:1 Now of the things which we have spoken this is the sum: We have such an high priest, who is set on the right hand of the throne of the Majesty in the heavens; Ary amin' izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin' ny ankavanan' ny seza fiandrianan' ny Avo Indrindra any an-danitra, Fa izao no tampon' ny zavatra lazaina amin' izao, dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany, izay mipetraka eo an-kavanan' ny seza fiandrianan' ny Avo indrindra any an-danitra, Le point capital de nos propos est que nous avons un pareil grand prêtre qui s' est assis à la droite du trône de la Majesté dans les cieux,
Heb 8:2 A minister of the sanctuary, and of the true tabernacle, which the Lord pitched, and not man. Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin' ny Tompo, fa tsy olona. mpandraharaha ao amin' ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin' olona, fa naorin' ny Tompo. ministre du sanctuaire et de la Tente, la vraie, celle que le Seigneur, non un homme, a dressée.
Heb 8:3 For every high priest is ordained to offer gifts and sacrifices: wherefore it is of necessity that this man have somewhat also to offer. Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin' izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy. Satria ny mpisorombe rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy. Tout grand prêtre, en effet, est établi pour offrir des dons et des sacrifices ; d' où la nécessité pour lui aussi d' avoir quelque chose à offrir.
Heb 8:4 For if he were on earth, he should not be a priest, seeing that there are priests that offer gifts according to the law: Koa raha etý ambonin' ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna, Raha ety an-tany, dia tsy mba ho mpisorona akory izy, satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna; A la vérité, si Jésus était sur terre, il ne serait pas même prêtre, puisqu' il y en a qui offrent les dons, conformément à la Loi ;
Heb 8:5 Who serve unto the example and shadow of heavenly things, as Moses was admonished of God when he was about to make the tabernacle: for, See, saith he, that thou make all things according to the pattern shewed to thee in the mount. dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin' izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron' Andriamanitra an' i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40). ireo dia sary sy tandindon' ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony araka ny natoron' Andriamanitra an' i Moizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra. ceux-là assurent le service d' une copie et d' une ombre des réalités célestes, ainsi que Moïse, quand il eut à construire la Tente, en fut divinement averti : Vois, est-il dit en effet, tu feras tout d' après le modèle qui t' a été montré sur la montagne.
Heb 8:6 But now hath he obtained a more excellent ministry, by how much also he is the mediator of a better covenant, which was established upon better promises. Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an' ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin' ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin' ny teny fikasana tsara lavitra. Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra, fa Mpanalàlana amin' ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin' ny fampanantenana ambony kokoa. Mais à présent, le Christ a obtenu un ministère d' autant plus élevé que meilleure est l' alliance dont il est le médiateur, et fondée sur de meilleures promesses.
Heb 8:7 For if that first covenant had been faultless, then should no place have been sought for the second. Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an' ny faharoa. Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan' ny faharoa azy akory. Car si cette première alliance avait été irréprochable, il n' y aurait pas eu lieu de lui en substituer une seconde.
Heb 8:8 For finding fault with them, he saith, Behold, the days come, saith the Lord, when I will make a new covenant with the house of Israel and with the house of Judah: Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin' ny taranak' isiraely sy ny taranak' i Joda, Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao amin' ny fianakavian' Israely sy ny fianakavian' i Jodà; C' est en effet en les blâmant que Dieu déclare : Voici que des jours viennent, dit le Seigneur, et je conclurai avec la maison d' Israël et la maison de Juda une alliance nouvelle,
Heb 8:9 Not according to the covenant that I made with their fathers in the day when I took them by the hand to lead them out of the land of Egypt; because they continued not in my covenant, and I regarded them not, saith the Lord. Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin' ny razany Tamin' ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin' ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin' ny razan' izy ireo, tamin' ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo; non pas comme l' alliance que je fis avec leurs pères, au jour où je pris leur main pour les tirer du pays d'Égypte. Puisqu' eux-mêmes ne sont pas demeurés dans mon alliance, moi aussi je les ai négligés, dit le Seigneur.
Heb 8:10 For this is the covenant that I will make with the house of Israel after those days, saith the Lord; I will put my laws into their mind, and write them in their hearts: and I will be to them a God, and they shall be to me a people: Fa izao no fanekena hataoko amin' ny taranak' isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin' ny fianakavian' Israely, rahefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka izaho ho Andriamanitr' izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako. Voici l' alliance que je contracterai avec la maison d' Israël, après ces jours-là, dit le Seigneur : Je mettrai mes lois dans leur pensée, je les graverai dans leur coeur, et je serai leur Dieu et ils seront mon peuple.
Heb 8:11 And they shall not teach every man his neighbour, and every man his brother, saying, Know the Lord: for all shall know me, from the least to the greatest. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an' i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin' ny kely indrindra ka hatramin' ny lehibe indrindra; Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin' ny rahalahiny hoe: Mahalalà an' Andriamanitra. Fa samy hahalala ahy avokoa izy rehetra, hatramin' ny kely indrindra ka hatramin' ny lehibe indrindra. Personne n' aura plus à instruire son concitoyen, ni personne son frère, en disant : " Connais le Seigneur ", puisque tous me connaîtront, du petit jusqu' au grand.
Heb 8:12 For I will be merciful to their unrighteousness, and their sins and their iniquities will I remember no more. Fa hamindra fo amin' ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34). Satria havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany. Car je pardonnerai leurs torts, et de leurs péchés je n' aurai plus souvenance.
Heb 8:13 In that he saith, A new covenant, he hath made the first old. Now that which decayeth and waxeth old is ready to vanish away. Amin' ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona. Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin' ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy. En disant : alliance nouvelle, il rend vieille la première. Or ce qui est vieilli et vétuste est près de disparaître.

<-
->