<-
->

Heb 2:1 Therefore we ought to give the more earnest heed to the things which we have heard, lest at any time we should let them slip. Ary amin' izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin' izany. C' est pourquoi nous devons nous attacher avec plus d' attention aux enseignements que nous avons entendus, de peur d'être entraînés à la dérive.
Heb 2:2 For if the word spoken by angels was stedfast, and every transgression and disobedience received a just recompence of reward; Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin' ny fahotana, Fa raha ny teny nampilazaina ny anjely aza, nanan-kery ka nahazoan' izay rehetra nandika sy tsy nanaiky sazy tandrifin' azy avy, Si déjà la parole promulguée par des anges s' est trouvée garantie et si toute transgression et désobéissance a reçu une juste rétribution,
Heb 2:3 How shall we escape, if we neglect so great salvation; which at the first began to be spoken by the Lord, and was confirmed unto us by them that heard him; hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin' ny voalohany, ary nohamafin' izay nandre tamintsika kosa, hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran' ny tenan' ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika, comment nous-mêmes échapperons-nous, si nous négligeons pareil salut ? Celui-ci, inauguré par la prédication du Seigneur, nous a été garanti par ceux qui l' ont entendu,
Heb 2:4 God also bearing them witness, both with signs and wonders, and with divers miracles, and gifts of the Holy Ghost, according to his own will? sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin' ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin' ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony. sady Andriamanitra koa efa nankatò azy tamin' ny famantarana sy fahagagana, ary tamin' ny asa lehibe samihafa mbamin' ny fanomezana nozarazarain' ny Fanahy Masina araka ny sitra-pony? Dieu appuyant leur témoignage par des signes, des prodiges, des miracles de toutes sortes, ainsi que par des communications d' Esprit Saint qu' il distribue à son gré.
Heb 2:5 For unto the angels hath he not put in subjection the world to come, whereof we speak. Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay. Eny tokoa, tsy mba anjely no nametrahan' Andriamanitra eo ambaniny izao fiainan-ko avy lazainy izao. En effet, ce n' est pas à des anges qu' il a soumis le monde à venir dont nous parlons.
Heb 2:6 But one in a certain place testified, saying, What is man, that thou art mindful of him? or the son of man that thou visitest him? Fa ny anankiray nanambara eo amin' ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak' olombelona, no amangianao azy? Fa amin' ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak' olombelona no amangianao azy? Quelqu' un a fait quelque part cette attestation : Qu' est-ce que l' homme pour que tu te souviennes de lui, ou le fils de l' homme pour que tu le prennes en considération ?
Heb 2:7 Thou madest him a little lower than the angels; thou crownedst him with glory and honour, and didst set him over the works of thy hands: Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin' ny asan' ny tananao; Nataonao ambany vetivety noho ny anjely izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin' ny asan-tànanao, Tu l' as un moment abaissé au-dessous des anges. Tu l' as couronné de gloire et d' honneur.
Heb 2:8 Thou hast put all things in subjection under his feet. For in that he put all in subjection under him, he left nothing that is not put under him. But now we see not yet all things put under him. Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin' ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin' ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra. ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra. Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny izy, dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy. Fa izao anefa tsy mbola hitantsika natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra; Tu as tout mis sous ses pieds. Par le fait qu' il lui a tout soumis, il n' a rien laissé qui lui demeure insoumis. Actuellement, il est vrai, nous ne voyons pas encore que tout lui soit soumis.
Heb 2:9 But we see Jesus, who was made a little lower than the angels for the suffering of death, crowned with glory and honour; that he by the grace of God should taste death for every man. Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan' Andriamanitra. fa ilay natao ambany vetivety noho ny anjely, dia izay Jeso no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan' Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra izy. Mais celui qui a été abaissé un moment au-dessous des anges, Jésus, nous le voyons couronné de gloire et d' honneur, parce qu' il a souffert la mort : il fallait que, par la grâce de Dieu, au bénéfice de tout homme, il goûtât la mort.
Heb 2:10 For it became him, for whom are all things, and by whom are all things, in bringing many sons unto glory, to make the captain of their salvation perfect through sufferings. Fa miendrika Izay anton' ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin' ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon' ny famonjena ireo amin' ny fahoriana. Fa mendrika an' ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin' ny voninahitra, ny nandavorary ao amin' ny fijaliana ilay ihavian' ny famonjena an' ireo. Il convenait, en effet, que, voulant conduire à la gloire un grand nombre de fils, Celui pour qui et par qui sont toutes choses rendît parfait par des souffrances le chef qui devait les guider vers leur salut.
Heb 2:11 For both he that sanctifieth and they who are sanctified are all of one: for which cause he is not ashamed to call them brethren, Fa iray no nihavian' izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy" Satria fototra iray ihany no nihavian' izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, àny ka tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy, araka ny teniny hoe: Car le sanctificateur et les sanctifiés ont tous même origine. C' est pourquoi il ne rougit pas de les nommer frères,
Heb 2:12 Saying, I will declare thy name unto my brethren, in the midst of the church will I sing praise unto thee. ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin' ny rahalahiko Aho; Eo amin' ny fiangonana no hiderako Anao" (Sal 22.22). Hitory ny anaranao amin' ny rahalahiko aho, hankalaza anao eo afovoan' ny Eglizy aho; quand il dit : J' annoncerai ton nom à mes frères. Je te chanterai au milieu de l' assemblée. Et encore :
Heb 2:13 And again, I will put my trust in him. And again, Behold I and the children which God hath given me. Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen' Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18). sy ny hoe: Izaho hatoky azy; ary ny hoe: Inty aho sy ireo zaza nomen' Andriamanitra ahy. Pour moi j' aurai confiance en lui. Et encore : Nous voici, moi et les enfants que Dieu m' a donnés.
Heb 2:14 Forasmuch then as the children are partakers of flesh and blood, he also himself likewise took part of the same; that through death he might destroy him that had the power of death, that is, the devil; Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin' ny fahafatesana ilay manana ny herin' ny fahafatesana, dia ny devoly, Koa satria mana-nofo aman-drà ny zaza, dia mba naka izany koa izy, handringanany amin' ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan' ny fahafatesana, dia ny demony, Puis donc que les enfants avaient en commun le sang et la chair, lui aussi y participa pareillement afin de réduire à l' impuissance, par sa mort, celui qui a la puissance de la mort, c' est-à-dire le diable,
Heb 2:15 And deliver them who through fear of death were all their lifetime subject to bondage. ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin' ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. sy hanafahany an' izay rehetra niharan' ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana. et d' affranchir tous ceux qui, leur vie entière, étaient tenus en esclavage par la crainte de la mort.
Heb 2:16 For verily he took not on him the nature of angels; but he took on him the seed of Abraham. Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak' i Abrahama no vonjeny. Na aiza na aiza tsy mba anjely no vonjeny, fa ny taranak' i Abrahama no vonjeny. Car ce n' est certes pas des anges qu' il se charge, mais c' est de la descendance d' Abraham qu' il se charge.
Heb 2:17 Wherefore in all things it behoved him to be made like unto his brethren, that he might be a merciful and faithful high priest in things pertaining to God, to make reconciliation for the sins of the people. Koa amin' izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin' ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin' Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. Ka izany no tsy maintsy nanaovana azy mitovy amin' ny rahalahiny amin' ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po izy sy Mpisorona mahatoky ny amin' Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan' ny olona; En conséquence, il a dû devenir en tout semblable à ses frères, afin de devenir dans leurs rapports avec Dieu un grand prêtre miséricordieux et fidèle, pour expier les péchés du peuple.
Heb 2:18 For in that he himself hath suffered being tempted, he is able to succour them that are tempted. Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin' ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. fa noho ny tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa. Car du fait qu' il a lui-même souffert par l'épreuve, il est capable de venir en aide à ceux qui sont éprouvés.

<-
->