<-
->

Lev 2:1 And when any will offer a meat offering unto the Lord, his offering shall be of fine flour; and he shall pour oil upon it, and put frankincense thereon: Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an' i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny. Raha misy olona manolotra zavatra amin' ny Tompo hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka. Si quelqu' un offre à Yahvé une oblation, son offrande consistera en fleur de farine sur laquelle il versera de l' huile et déposera de l' encens.
Lev 2:2 And he shall bring it to Aaron' s sons the priests: and he shall take thereout his handful of the flour thereof, and of the oil thereof, with all the frankincense thereof; and the priest shall burn the memorial of it upon the altar, to be an offering made by fire, of a sweet savour unto the Lord: Ary hitondra azy ho amin' ireo mpisorona, zanak' i Arona, izy, dia handraofan' ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin' ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran' ny mpisorona ho fofona eo ambonin' ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah izany. Hoentiny amin' ny mpisorona zanak' i Aarona izany, dia angalan' ny mpisorona eran-tànan' ila miaraka amin' ny lafarina tsara indrindra voararaka diloilo ny emboka rehetra, ka hodorany hanetona eo ambonin' ny otely izany, ho fahatsiarovana. Sorona atao amin' ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan' ny Tompo. Il l' apportera aux fils d' Aaron, les prêtres ; il en prendra une pleine poignée de fleur de farine et d' huile, plus tout l' encens, ce que le prêtre fera fumer à l' autel à titre de mémorial, mets consumé en parfum d' apaisement pour Yahvé.
Lev 2:3 And the remnant of the meat offering shall be Aaron' s and his sons': it is a thing most holy of the offerings of the Lord made by fire. Ary ny sisa amin' ny fanatitra hohanina dia ho an' i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izany. Izay sisa amin' ny fanatitra dia ho an' i Aarona sy ny zanany; zava-masina dia masina amin' ny sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo izany. Le reste de l' oblation reviendra à Aaron et à ses fils, part très sainte des mets de Yahvé.
Lev 2:4 And if thou bring an oblation of a meat offering baken in the oven, it shall be unleavened cakes of fine flour mingled with oil, or unleavened wafers anointed with oil. Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin' ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin' ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo. Raha zavatra endin-dafaoro no hatolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin' ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin' ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo. Lorsque tu offriras une oblation de pâte cuite au four, la fleur de farine sera préparée en gâteaux sans levain pétris à l' huile, ou en galettes sans levain frottées d' huile.
Lev 2:5 And if thy oblation be a meat offering baken in a pan, it shall be of fine flour unleavened, mingled with oil. Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin' ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira. Ary raha mofo endin-dapoaly no hatolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity tamin' ny diloilo, tsy misy lalivay. Si ton offrande est une oblation cuite à la plaque, la fleur de farine pétrie à l' huile sera sans levain.
Lev 2:6 Thou shalt part it in pieces, and pour oil thereon: it is a meat offering. Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany. Hovakinao ho tapatapany izy, dia horarahanao diloilo; fanatitra izany. Tu la rompras en morceaux et verseras de l' huile par-dessus. C' est une oblation.
Lev 2:7 And if thy oblation be a meat offering baken in the fryingpan, it shall be made of fine flour with oil. Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin' ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao. Raha mofo mamy nandrahoina tamin' ny kasitrola no hatolotrao ho fanatitra dia hatao amin' ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo. Si ton offrande est une oblation cuite au moule, la fleur de farine sera préparée dans l' huile.
Lev 2:8 And thou shalt bring the meat offering that is made of these things unto the Lord: and when it is presented unto the priest, he shall bring it unto the altar. Ary ho entinao ho an' i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin' ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin' ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin' ny alitara. Hoentinao ho ao amin' ny Tompo ny fanatitrao, rahefa voavoatra toy izany; ary rahefa voatolotra amin' ny mpisorona izy, dia hentiny ao amin' ny otely. Tu apporteras à Yahvé l' oblation qui aura été ainsi préparée. On la présentera au prêtre, qui l' approchera de l' autel.
Lev 2:9 And the priest shall take from the meat offering a memorial thereof, and shall burn it upon the altar: it is an offering made by fire, of a sweet savour unto the Lord. Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin' ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin' ny alitara; dia fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah izany. Havahan' ny mpisorona izay tsy maintsy haterina ho fahatsiarovana dia hodorany hanetona eo ambonin' ny otely; sorona atao amin' ny afo izany, ho hanitra ankasitrahan' ny Tompo. De l' oblation le prêtre prélèvera le mémorial, qu' il fera fumer à l' autel à titre de mets consumé en parfum d' apaisement pour Yahvé.
Lev 2:10 And that which is left of the meat offering shall be Aaron' s and his sons': it is a thing most holy of the offerings of the Lord made by fire. Ary ny sisa amin' ny fanatitra hohanina dia ho an' i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izany. Izay sisa amin' ny fanatitra dia ho an' i Aarona sy ny zanany; fa zava-masina dia masina amin' ny sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo izany. Le reste de l' oblation reviendra à Aaron et à ses fils, part très sainte des mets de Yahvé.
Lev 2:11 No meat offering, which ye shall bring unto the Lord, shall be made with leaven: for ye shall burn no leaven, nor any honey, in any offering of the Lord made by fire. Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an' i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah; Ny fanatitra rehetra aterinareo ho an' ny Tompo dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy ho azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo rahefa zavatra misy lalivay na tantely. Aucune des oblations que vous offrirez à Yahvé ne sera préparée avec un ferment, car vous ne ferez jamais fumer ni levain ni miel à titre de mets consumé pour Yahvé.
Lev 2:12 As for the oblation of the firstfruits, ye shall offer them unto the Lord: but they shall not be burnt on the altar for a sweet savour. fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an' i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin' ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany. Fa azonareo atolotra amin' ny Tompo ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin' ny otely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahana. Vous en offrirez à Yahvé comme offrande de prémices, mais à l' autel ils ne monteront point en parfum d' apaisement.
Lev 2:13 And every oblation of thy meat offering shalt thou season with salt; neither shalt thou suffer the salt of the covenant of thy God to be lacking from thy meat offering: with all thine offerings thou shalt offer salt. Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran' ny faneken' Andriamanitrao dia aza atsahatra amin' ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin' ny fanatitrao rehetra. Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran' ny fanekem-pihavanan' ny Andriamanitrao ny fanatritrao: hanolotra sira ao amin' ny fanatitrao rehetra hianao. Tu saleras toute oblation que tu offriras et tu ne manqueras pas de mettre sur ton oblation le sel de l' alliance de ton Dieu ; à toute offrande tu joindras une offrande de sel à ton Dieu.
Lev 2:14 And if thou offer a meat offering of thy firstfruits unto the Lord, thou shalt offer for the meat offering of thy firstfruits green ears of corn dried by the fire, even corn beaten out of full ears. Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an' i Jehovah avy amin' ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin' ny afo, dia lango avy amin' ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin' ny voaloham-bokatrao. Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin' ny Tompo, dia salohim-bary voaendy amin' ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao. Si tu offres à Yahvé une oblation de prémices, c' est sous forme d'épis grillés au feu ou de pain cuit avec du blé moulu que tu feras cette oblation de prémices.
Lev 2:15 And thou shalt put oil upon it, and lay frankincense thereon: it is a meat offering. Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany. Handrarahanao diloilo eo amboniny ary hampianao emboka; fanatitra izany. Tu y ajouteras de l' huile et y déposeras de l' encens, c' est une oblation ;
Lev 2:16 And the priest shall burn the memorial of it, part of the beaten corn thereof, and part of the oil thereof, with all the frankincense thereof: it is an offering made by fire unto the Lord. Ary hodoran' ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin' ny langony sy avy amin' ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izany. Ny sasany amin' ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran' ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo izany. et le prêtre en fera fumer le mémorial avec une partie du pain et de l' huile plus tout l' encens à titre de mets consumé pour Yahvé.

<-
->