<-
->

Lev 18:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 18:2 Speak unto the children of Israel, and say unto them, I am the Lord your God. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo: Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao aminy hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Parle aux Israélites ; tu leur diras : Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 18:3 After the doings of the land of Egypt, wherein ye dwelt, shall ye not do: and after the doings of the land of Canaan, whither I bring you, shall ye not do: neither shall ye walk in their ordinances. Aza manao araka ny fanaon' ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon' ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. Aza manao toy ny ataon' ny any amin' ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon' ny any amin' ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn' ireny hianareo. Vous n' agirez point comme on fait au pays d'Égypte où vous avez habité ; vous n' agirez point comme on fait au pays de Canaan où moi je vous mène. Vous ne suivrez point leurs lois,
Lev 18:4 Ye shall do my judgments, and keep mine ordinances, to walk therein: I am the Lord your God. Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny lalàko no hotandremanareo, ka harahinareo izany, fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. ce sont mes coutumes que vous appliquerez et mes lois que vous garderez, c' est d' après elles que vous vous conduirez. Je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 18:5 Ye shall therefore keep my statutes, and my judgments: which if a man do, he shall live in them: I am the Lord. Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin' izany izy: Izaho no Jehovah. Tandremo ny lalàna amam-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin' izany. Izaho no Iaveh. Vous garderez mes lois et mes coutumes : qui les accomplira y trouvera la vie. Je suis Yahvé.
Lev 18:6 None of you shall approach to any that is near of kin to him, to uncover their nakedness: I am the Lord. Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah. Aza misy manatom-behivavy, havany akaiky, mba hanokatra ny fitanjahany. Izaho no Iaveh. Aucun de vous ne s' approchera de sa proche parente pour en découvrir la nudité. Je suis Yahvé.
Lev 18:7 The nakedness of thy father, or the nakedness of thy mother, shalt thou not uncover: she is thy mother; thou shalt not uncover her nakedness. Aza mandry amin' izay nandrian' ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy. Aza manokatra ny fitanajahan-drainao, na ny fitanjahan-dreninao, fa reninao izy, ka aza manokatra ny fitanjahany. Tu ne découvriras pas la nudité de ton père ni la nudité de ta mère. C' est ta mère, tu ne découvriras pas sa nudité.
Lev 18:8 The nakedness of thy father' s wife shalt thou not uncover: it is thy father' s nakedness. Aza mandry amin' ny renikelinao; fa nandrian' ny rainao izy. Aza manokatra ny fitanjahan-drenikelinao, fa fitanjahan-drainao izany. Tu ne découvriras pas la nudité de la femme de ton père, c' est la nudité même de ton père.
Lev 18:9 The nakedness of thy sister, the daughter of thy father, or daughter of thy mother, whether she be born at home, or born abroad, even their nakedness thou shalt not uncover. Aza mandry amin' ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy. Aza manokatra ny fitanjahan' ny anabavinao, zana-drainao, na zana-dreninao, teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza manokatra ny fitanjahany. Tu ne découvriras pas la nudité de ta soeur, qu' elle soit fille de ton père ou fille de ta mère. Qu' elle soit née à la maison, qu' elle soit née au-dehors, tu n' en découvriras pas la nudité.
Lev 18:10 The nakedness of thy son' s daughter, or of thy daughter' s daughter, even their nakedness thou shalt not uncover: for theirs is thine own nakedness. Aza mandry amin' ny zanakavavin' ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin' ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian' izy roa. Aza manokatra fitanjahan' ny zanakavavin' ny zanakao lahy, na ny zanakavavin' ny zanakao vavy, fa fitanjahanao izany. Tu ne découvriras pas la nudité de la fille de ton fils ; ni celle de la fille de ta fille. Car leur nudité, c' est ta propre nudité.
Lev 18:11 The nakedness of thy father' s wife' s daughter, begotten of thy father, she is thy sister, thou shalt not uncover her nakedness. Aza mandry amin' ny zanakavavin' ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy. Aza manokatra ny fitanjahan' ny zanakavavin' ny vadin-drainao natera-drainao, fa anabavinao izy. Tu ne découvriras pas la nudité de la fille de la femme de ton père, née de ton père. C' est ta soeur, tu ne dois pas en découvrir la nudité.
Lev 18:12 Thou shalt not uncover the nakedness of thy father' s sister: she is thy father' s near kinswoman. Aza mandry amin' ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy. Aza manokatra ny fitanjahan' ny anabavin-drainao, fa nofon-drainao izany. Tu ne découvriras pas la nudité de la soeur de ton père, car c' est la chair de ton père.
Lev 18:13 Thou shalt not uncover the nakedness of thy mother' s sister: for she is thy mother' s near kinswoman. Aza mandry amin' ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy. Aza manokatra ny fitanjahan' ny rahavavin-dreninao, fa nofon-dreninao izany. Tu ne découvriras pas la nudité de la soeur de ta mère, car c' est la chair même de ta mère.
Lev 18:14 Thou shalt not uncover the nakedness of thy father' s brother, thou shalt not approach to his wife: she is thine aunt. Aza mandry amin' izay nandrian' ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin' ny rahalahin-drainao izy. Aza manokatra ny fitanjahan' ny rahalahin-drainao amin' ny fakana ny vadiny, fa anabavin-drainao izy. Tu ne découvriras pas la nudité du frère de ton père ; tu ne t' approcheras donc pas de son épouse, car c' est la femme de ton oncle.
Lev 18:15 Thou shalt not uncover the nakedness of thy daughter in law: she is thy son' s wife; thou shalt not uncover her nakedness. Aza mandry amin' ny vinantovavinao; fa vadin' ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy. Aza manokatra ny fitanjahan' ny vinantovavinao, fa vadin-janakao izy. Aza manokatra ny fitanjahany. Tu ne découvriras pas la nudité de ta belle-fille. C' est la femme de ton fils, tu n' en découvriras pas la nudité.
Lev 18:16 Thou shalt not uncover the nakedness of thy brother' s wife: it is thy brother' s nakedness. Aza mandry amin' ny vadin-drahalahinao; fa nandrian' ny rahalahinao izy. Aza manokatra ny fitanjahan' ny vadin-drahalahinao, fa fitanjahan' ny rahalahinao izany. Tu ne découvriras pas la nudité de la femme de ton frère, car c' est la nudité même de ton frère.
Lev 18:17 Thou shalt not uncover the nakedness of a woman and her daughter, neither shalt thou take her son' s daughter, or her daughter' s daughter, to uncover her nakedness; for they are her near kinswomen: it is wickedness. Aza mandry amin' ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin' ny zananilahy, na ny zanakavavin' ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany. Aza manokatra ny fitanjahan' ny vehivavy aman-janany vavy, aza maka ny zanakavavin' ny zanany lahy, na ny zanakavavin' ny zanany vavy, mba hanokatra ny fitanjahany, fa mpihavana akaiky izy, ka mahameloka. Tu ne découvriras pas la nudité d' une femme et celle de sa fille ; tu ne prendras pas la fille de son fils ni la fille de sa fille pour en découvrir la nudité. Elles sont ta propre chair, ce serait un inceste.
Lev 18:18 Neither shalt thou take a wife to her sister, to vex her, to uncover her nakedness, beside the other in her life time. Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin' ny rahavaviny izay mbola velona. Aza maka ny rahavavin' ny vadinao ho rafiny, amin' ny fanokafana ny fitanjahany sy ny an' ny vadinao izay mbola velona. Tu ne prendras pas pour ton harem une femme en même temps que sa soeur en découvrant la nudité de celle-ci du vivant de sa soeur.
Lev 18:19 Also thou shalt not approach unto a woman to uncover her nakedness, as long as she is put apart for her uncleanness. Ary aza mila vehivavy mararin' ny fadim-bolany handry aminy. Aza manatom-behivavy mandritra ny fahalotoam-padim-bolany mba hanokatra ny fitanjahany. Tu ne t' approcheras pas, pour découvrir sa nudité, d' une femme souillée par ses règles.
Lev 18:20 Moreover thou shalt not lie carnally with thy neighbour' s wife, to defile thyself with her. Ary aza mandry amin' ny vadin' ny namanao, handoto ny tenanao aminy. Aza mikambana amin' ny vadin' ny namanao, handoto tena aminy. A la femme de ton compatriote tu ne donneras pas ton lit conjugal, tu en deviendrais impur.
Lev 18:21 And thou shalt not let any of thy seed pass through the fire to Molech, neither shalt thou profane the name of thy God: I am the Lord. Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an' i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran' Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an' i Moloka ny zanakao; aza mametaveta ny anaran' ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh. Tu ne livreras pas de tes enfants à faire passer à Molek, et tu ne profaneras pas ainsi le nom de ton Dieu. Je suis Yahvé.
Lev 18:22 Thou shalt not lie with mankind, as with womankind: it is abomination. Aza mandry amin' ny lehilahy tahaka ny fandry amin' ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. Aza mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, fa fahavetavetana izany. Tu ne coucheras pas avec un homme comme on couche avec une femme. C' est une abomination.
Lev 18:23 Neither shalt thou lie with any beast to defile thyself therewith: neither shall any woman stand before a beast to lie down thereto: it is confusion. Ary aza mandry amin' ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian' ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. Aza mandry amin' ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan' ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany. Tu ne donneras ta couche à aucune bête ; tu en deviendrais impur. Une femme ne s' offrira pas à un animal pour s' accoupler avec lui. Ce serait une souillure.
Lev 18:24 Defile not ye yourselves in any of these things: for in all these the nations are defiled which I cast out before you: Aza mandoto ny tenanareo amin' izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan' ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo. Aza mandoto tena amin' ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin' ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo. Ne vous rendez impurs par aucune de ces pratiques : c' est par elles que se sont rendues impures les nations que je chasse devant vous.
Lev 18:25 And the land is defiled: therefore I do visit the iniquity thereof upon it, and the land itself vomiteth out her inhabitants. Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan' ny tany ny mponina eo. Voaloto ny tany, ka hovaliako ny helony, ary haloan' ny tany ny mponina eo aminy. Le pays est devenu impur, j' ai sanctionné sa faute et le pays a dû vomir ses habitants.
Lev 18:26 Ye shall therefore keep my statutes and my judgments, and shall not commit any of these abominations; neither any of your own nation, nor any stranger that sojourneth among you: Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo Fa hianareo kosa, hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin' ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na hianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo. Mais vous, vous garderez mes lois et mes coutumes, vous ne commettrez aucune de ces abominations, pas plus le citoyen que l'étranger qui réside parmi vous.
Lev 18:27 (For all these abominations have the men of the land done, which were before you, and the land is defiled;) (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon' ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany), Fa ireo fahavetavetana rehetra ireo, no nataon' ny olon' izany tany izany, izay nonina tao talohanareo, ka izany no nahaloto ny tany. Car toutes ces abominations-là, les hommes qui ont habité ce pays avant vous les ont commises et le pays en a été rendu impur.
Lev 18:28 That the land spue not you out also, when ye defile it, as it spued out the nations that were before you. mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo. Ary hianareo tsy mba haloan' ny tany amin' ny fandotoana azy, toy ny nandoavany an' ireo firenena izay tao talohanareo; Si vous le rendez impur, ne vous vomira-t-il pas comme il a vomi la nation qui vous a précédés ?
Lev 18:29 For whosoever shall commit any of these abominations, even the souls that commit them shall be cut off from among their people. Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny. satria hofongorana amin' ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza. Oui, quiconque commet l' une de ces abominations, quelle qu' elle soit, tous les êtres qui les commettent, ceux-là seront retranchés de leur peuple.
Lev 18:30 Therefore shall ye keep mine ordinance, that ye commit not any one of these abominable customs, which were committed before you, and that ye defile not yourselves therein: I am the Lord your God. Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon' ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin' izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin' ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin' izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Gardez mes observances sans mettre en pratique ces lois abominables que l' on appliquait avant vous ; ainsi ne vous rendront-elles pas impurs. Je suis Yahvé, votre Dieu.

<-
->