<-
->

Lev 16:1 And the Lord spake unto Moses after the death of the two sons of Aaron, when they offered before the Lord, and died; Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak' i Arona, tamin' izy nanatona teo anatrehan' i Jehovah ka maty; Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh taorian' ny nahafatesan' ireo zanak' i Aarona roa lahy, izay novonoina tamin' izy nanatona ny tavan' ny Tompo. Yahvé parla à Moïse après la mort des deux fils d' Aaron qui périrent en se présentant devant Yahvé.
Lev 16:2 And the Lord said unto Moses, Speak unto Aaron thy brother, that he come not at all times into the holy place within the vail before the mercy seat, which is upon the ark; that he die not: for I will appear in the cloud upon the mercy seat. dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin' ny fitoerana masina izy; dia ao anatin' ny efitra lamba, eo anoloan' ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin' ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin' ny rahona eo ambonin' ny rakotra fanaovam-panatovana Aho. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ilazao Aarona rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin' ny fitoerana masina, anatin' ny efitra lamba, eo anoloan' ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin' ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho ao amin' ny rahona eo ambonin' ny fanaovam-panavotana aho. Yahvé dit à Moïse : Parle à Aaron ton frère : qu' il n' entre pas à n' importe quel moment dans le sanctuaire derrière le rideau, en face du propitiatoire qui se trouve sur l' arche. Il pourrait mourir, car j' apparais au-dessus du propitiatoire dans une nuée.
Lev 16:3 Thus shall Aaron come into the holy place: with a young bullock for a sin offering, and a ram for a burnt offering. Ary izao no ho entin' i Arona, raha miditra ao amin' ny fitoerana masina izy: vantotr' ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana. Ary izao no fomba harahin' i Aarona raha miditra ao amin' ny fitoerana masina izy: Haka vantotr' ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana. Voici comment il pénétrera dans le sanctuaire : avec un taureau destiné à un sacrifice pour le péché et un bélier pour un holocauste.
Lev 16:4 He shall put on the holy linen coat, and he shall have the linen breeches upon his flesh, and shall be girded with a linen girdle, and with the linen mitre shall he be attired: these are holy garments; therefore shall he wash his flesh in water, and so put them on. Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin' ny rano izy vao hiakanjo azy. Ny toniky masina vita amin' ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hihetrany ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rahefa avy nandro tamin' ny rano izy. Il revêtira une tunique de lin consacrée, il portera à même le corps un caleçon de lin, il se ceindra d' une ceinture de lin, il s' enroulera sur la tête un turban de lin. Ce sont des vêtements sacrés qu' il revêtira après s'être lavé à l' eau.
Lev 16:5 And he shall take of the congregation of the children of Israel two kids of the goats for a sin offering, and one ram for a burnt offering. Ary ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana. Handray osilahy roa hatao sorona noho ny ota izy sy ondralahy iray hatao sorona dorana avy amin' ny fiangonan' ny zanak' Israely. Il recevra de la communauté des Israélites deux boucs destinés à un sacrifice pour le péché et un bélier pour un holocauste.
Lev 16:6 And Aaron shall offer his bullock of the sin offering, which is for himself, and make an atonement for himself, and for his house. Dia hampanatonin' i Arona ny vantotr' ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an' ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an' ny tenany sy ny ankohonany izy. Hatolotr' i Aarona ny ombalahiny noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an' ny tenany sy ny ankohonany izy. Après avoir offert le taureau du sacrifice pour son propre péché et fait le rite d' expiation pour lui et pour sa maison,
Lev 16:7 And he shall take the two goats, and present them before the Lord at the door of the tabernacle of the congregation. Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan' i Jehovah, eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana. Rahefa izany, halainy ny osilahy roa, ka hapetrany eo anatreha' Iaveh, eo amin' ny varavarana fidirana amin' ny trano lay fihaonana. Aaron prendra ces deux boucs et les placera devant Yahvé à l' entrée de la Tente du Rendez-vous.
Lev 16:8 And Aaron shall cast lots upon the two goats; one lot for the Lord, and the other lot for the scapegoat. Dia hanaovan' i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an' i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an' i Azazela. Dia anaovany loka ireo: ny loka iray ho an' ny Tompo ary ny loka iray ho an' i Azazela. Il tirera les sorts pour les deux boucs, attribuant un sort à Yahvé et l' autre à Azazel.
Lev 16:9 And Aaron shall bring the goat upon which the Lord' s lot fell, and offer him for a sin offering. Ary hampanatonin' i Arona ny osilahy izay niharan' ny filokana ho an' i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota. Hampanatonin' i Aarona ny osilahy iray niharan' ny loka ho an' ny Tompo, ka hatolony ho sorona noho ny ota. Aaron offrira le bouc sur lequel est tombé le sort " A Yahvé " et en fera un sacrifice pour le péché.
Lev 16:10 But the goat, on which the lot fell to be the scapegoat, shall be presented alive before the Lord, to make an atonement with him, and to let him go for a scapegoat into the wilderness. Fa ny osilahy izay niharan' ny filokana ho an' i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan' i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an' i Azazela. Fa ny osilahy iray niharan' ny loka ho an' i Azazela kosa, hapetrany velona eo anatrehan' ny Tompo, hanaovana ny fanonerana ao aminy, dia halefany ho any an' efitra ho an' i Azazela. Quant au bouc sur lequel est tombé le sort " A Azazel ", on le placera vivant devant Yahvé pour faire sur lui le rite d' expiation, pour l' envoyer à Azazel dans le désert.
Lev 16:11 And Aaron shall bring the bullock of the sin offering, which is for himself, and shall make an atonement for himself, and for his house, and shall kill the bullock of the sin offering which is for himself: Ary hampanatonin' i Arona ny vantotr' ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an' ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr' ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an' ny tenany. Koa hatolotr' i Aarona ny ombalahy atao sorona noho ny ota, izay ho azy, dia hanaovany ny fanonerana ho azy sy ny ankohonany. Rahefa avy namono ny ombalahy sorona noho ny ota izy, Aaron offrira le taureau du sacrifice pour son propre péché, puis il fera le rite d' expiation pour lui et pour sa maison et immolera ce taureau.
Lev 16:12 And he shall take a censer full of burning coals of fire from off the altar before the Lord, and his hands full of sweet incense beaten small, and bring it within the vail: Dia haka vain' afo eran' ny fitondran' afo avy amin' ny alitara eo anatrehan' i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin' ny efitra lamba. dia haka fanembohana feno vain' afo avy eo ambonin' ny otely, eo anatrehan' ny Tompo sy vovo-java-manitra eran-tànan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin' ny efitra lamba. Il remplira alors un encensoir avec des charbons ardents pris sur l' autel, de devant Yahvé, et il prendra deux pleines poignées d' encens fin aromatique. Il portera le tout derrière le rideau,
Lev 16:13 And he shall put the incense upon the fire before the Lord, that the cloud of the incense may cover the mercy seat that is upon the testimony, that he die not: Ary hataony eo amin' ny afo eo anatrehan' i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan' ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin' ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy. Hataony eo ambonin' ny afo, eo anatrehan' ny Tompo ny zava-manitra, mba ho voasaron' ny setroky ny zava-manitra ny fanaovam-panavotana, eo ambonin' ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy. et déposera l' encens sur le feu devant Yahvé ; un nuage d' encens recouvrira le propitiatoire qui est sur le Témoignage, et Aaron ne mourra pas.
Lev 16:14 And he shall take of the blood of the bullock, and sprinkle it with his finger upon the mercy seat eastward; and before the mercy seat shall he sprinkle of the blood with his finger seven times. Dia hangalany ny ran' ny vantotr' ombilahy ka hafafin' ny fanondrony amin' ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin' ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan' ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin' ny fanondrony. Ary hangalany ny ràn' ny ombalahy, hafafin' ny rantsan-tànany amin' ny fanaovam-panavotana amin' ny lafiny atsinanana ary hafafin' ny rantsan-tànany impito eo anoloan' ny fanaovam-panavotana. Puis il prendra du sang du taureau et en aspergera avec le doigt le côté oriental du propitiatoire ; devant le propitiatoire il fera de ce sang sept aspersions avec le doigt.
Lev 16:15 Then shall he kill the goat of the sin offering, that is for the people, and bring his blood within the vail, and do with that blood as he did with the blood of the bullock, and sprinkle it upon the mercy seat, and before the mercy seat: Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an' ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin' ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin' ny ran' ny vantotr' ombilahy ihany ka hafafiny eo amin' ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany. Dia hovonoiny ny osilahy, sorona noho ny ota, izay ho an' ny vahoaka ka hoentiny miditra ao anatin' ny efitra lamba ny rany, hataony tahaka ny nanaovany ny ràn' ny ombalahy; dia hafafiny amin' ny fanaovam-panavotana sy eo anoloan' ny fanaovam-panavotana. Il immolera alors le bouc destiné au sacrifice pour le péché du peuple et il en portera le sang derrière le rideau. Il procédera avec ce sang comme avec celui du taureau, en faisant des aspersions sur le propitiatoire et devant celui-ci.
Lev 16:16 And he shall make an atonement for the holy place, because of the uncleanness of the children of Israel, and because of their transgressions in all their sins: and so shall he do for the tabernacle of the congregation, that remaineth among them in the midst of their uncleanness. Dia hanao fanavotana ho an' ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan' ny Zanak' Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an' ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan' ny fahalotoany. Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an' ny fitoerana masina, noho ny fahalotoan' ny zanak' Israely sy noho ny fahadisoany rehetra, araka ny fahotany. Torak' izany koa no hataony ho an' ny trano lay fihaonana, izay mipetraka ao amin' izy ireo eo afovoan' ny fahalotoany. Il fera ainsi le rite d' expiation sur le sanctuaire pour les impuretés des Israélites, pour leurs transgressions et pour tous leurs péchés la Tente du Rendez-vous qui demeure avec eux au milieu de leurs impuretés.
Lev 16:17 And there shall be no man in the tabernacle of the congregation when he goeth in to make an atonement in the holy place, until he come out, and have made an atonement for himself, and for his household, and for all the congregation of Israel. Ary aza avela hisy olona ao amin' ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin' ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an' ny tenany sy ny ankohonany ary ho an' ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. Aza avela hisy olona eo an-trano lay fihaonana, raha miditra izy hanao ny fanonerana ao amin' ny fitoerana masina, mandra-pivoakany. Hanao ny fanonerana ho an' ny tenany sy ny ankohonany ary ny fiangonan' Israely rehetra izy. Que personne ne se trouve dans la Tente du Rendez-vous depuis l' instant où il entrera pour faire l' expiation dans le sanctuaire jusqu'à ce qu' il en sorte ! Quand il aura fait l' expiation pour lui, pour sa maison et pour toute l' assemblée d' Israël,
Lev 16:18 And he shall go out unto the altar that is before the Lord, and make an atonement for it; and shall take of the blood of the bullock, and of the blood of the goat, and put it upon the horns of the altar round about. Dia hivoaka ho eo amin' ny alitara eo anatrehan' i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an' ny alitara; dia hangalany ny ran' ny vantotr' ombilahy sy ny ran' ny osilahy ka hatentiny amin' ny tandroky ny alitara eo amin' ny zorony efatra. Rahefa hivoaka, dia ho eo amin' ny otely eo anatrehan' ny Tompo izy, hanao ny fanonerana ho an' ny otely, hangalany ny ràn' ny ombalahy sy ny ràn' ny osilahy, anentenany ny tandroky ny otely, manodidina; il sortira, ira à l' autel qui est devant Yahvé et fera sur l' autel le rite d' expiation. Il prendra du sang du taureau et du sang du bouc et il en mettra sur les cornes au pourtour de l' autel.
Lev 16:19 And he shall sprinkle of the blood upon it with his finger seven times, and cleanse it, and hallow it from the uncleanness of the children of Israel. Dia hofafazany ny rà impito amin' ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin' ny fahalotoan' ny Zanak' Isiraely. hofafazan' ny rantsan-tànany impito amin' ny rà ny eo ambonin' ny otely, ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin' ny fahalotoan' ny zanak' Israely. De ce sang il fera sept aspersions sur l' autel avec son doigt. Ainsi le purifiera-t-il et le séparera-t-il des impuretés des Israélites.
Lev 16:20 And when he hath made an end of reconciling the holy place, and the tabernacle of the congregation, and the altar, he shall bring the live goat: Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an' ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona. Rahefa vitany ny fanonerana ho an' ny fitoerana masina sy ny trano lay fihaonana ary ny otely, dia hateriny ny osilahy velona; Une fois achevée l' expiation du sanctuaire, de la Tente du Rendez-vous et de l' autel, il fera approcher le bouc encore vivant.
Lev 16:21 And Aaron shall lay both his hands upon the head of the live goat, and confess over him all the iniquities of the children of Israel, and all their transgressions in all their sins, putting them upon the head of the goat, and shall send him away by the hand of a fit man into the wilderness: Dia hapetrak' i Arona amin' ny lohan' ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak' Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin' ny lohan' ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin' ny lehilahy voatendry hankany an-efitra. hapetrak' i Aarona eo ambonin' ny lohan' ny osilahy velona ny tànany roa, dia holazainy eo amboniny avokoa ny otan' ny zanak' Israely sy ny fahadisoany rehetra araka izay fahotana nataony, hataony eo ambonin' ny lohan' ilay osilahy izany ota izany, vao halefany ho any an' efitra izy, hoentin' ny olona efa voaomana. Aaron lui posera les deux mains sur la tête et confessera à sa charge toutes les fautes des Israélites, toutes les transgressions et tous leurs péchés. Après en avoir ainsi chargé la tête du bouc, il l' enverra au désert sous la conduite d' un homme qui se tiendra prêt,
Lev 16:22 And the goat shall bear upon him all their iniquities unto a land not inhabited: and he shall let go the goat in the wilderness. Ary ho entin' ny osilahy ho any an-efitra ny helok' izy rehetra; dia halefany any ny osilahy. Dia hoentin' ity osilahy amin' ny tenany ho any amin' ny tany tsy misy mponina ny otan' izy rehetra, ka halefan' ilay olona any an' efitra ny osilahy. et le bouc emportera sur lui toutes leurs fautes en un lieu aride. Quand il aura envoyé le bouc au désert,
Lev 16:23 And Aaron shall come into the tabernacle of the congregation, and shall put off the linen garments, which he put on when he went into the holy place, and shall leave them there: Dia hiditra ao amin' ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin' ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao. Ary Aarona hiditra amin' izay ao an-trano lay fihaonana: havelany ny fanamiana rongony niakanjoany hoentiny miditra ao amin' ny fitoerana masina, ka rahefa voapetrany ao, Aaron rentrera dans la Tente du Rendez-vous, retirera les vêtements de lin qu' il avait mis pour entrer au sanctuaire. Il les déposera là,
Lev 16:24 And he shall wash his flesh with water in the holy place, and put on his garments, and come forth, and offer his burnt offering, and the burnt offering of the people, and make an atonement for himself, and for the people. Dia handro amin' ny rano eo amin' izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an' ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an' ny olona ka hanao fanavotana ho an' ny tenany sy ny olona. dia handro amin' ny rano izy, amin' izay toerana masina, vao hiakanjo ny fanamiany indray. et se lavera le corps avec de l' eau dans un lieu consacré. Puis il reprendra ses vêtements et sortira pour offrir son holocauste et celui du peuple. Il fera le rite d' expiation pour lui et pour le peuple ;
Lev 16:25 And the fat of the sin offering shall he burn upon the altar. Ary ny saboran' ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin' ny alitara. Izay izy vao hivoaka hanolotra ny sorony dorana sy ny an' ny vahoaka, hanao ny fanonerana ho an' ny tenany sy ho an' ny vahoaka, ary hodorany hanetona eo ambonin' ny otely ny saboran' ny sorona noho ny ota. la graisse du sacrifice pour le péché, il la fera fumer à l' autel.
Lev 16:26 And he that let go the goat for the scapegoat shall wash his clothes, and bathe his flesh in water, and afterward come into the camp. Ary ilay mandefa ny osilahy ho an' i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin' ny rano, vao mahazo mankeo an-toby. Ilay nandefa ny osilahy ho an' i Azazela, dia hanasa fitafiana sy handro amin' ny rano aloha, vao hiditra ao an-toby. Celui qui aura conduit le bouc à Azazel devra nettoyer ses vêtements et se laver le corps avec de l' eau, après quoi il pourra rentrer au camp.
Lev 16:27 And the bullock for the sin offering, and the goat for the sin offering, whose blood was brought in to make atonement in the holy place, shall one carry forth without the camp; and they shall burn in the fire their skins, and their flesh, and their dung. Ary ny vantotr' ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin' ny fitoerana masina ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan' ny amin' ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany. Ary ny ombalahy noho ny ota sy ny osilahy noho ny ota, izay nentin-drà tao amin' ny fitoerana masina hanaovana ny fanonerana, dia ho enti-mivoaka any ivelan' ny toby, dia hodorany amin' ny afo ny hodiny, ny tenany ary ny tain-drorohany. Quant au taureau et au bouc offerts en sacrifice pour le péché et dont le sang a été porté dans le sanctuaire pour faire le rite d' expiation, on les emportera hors du camp et l' on brûlera dans un feu leur peau, leur chair et leur fiente.
Lev 16:28 And he that burneth them shall wash his clothes, and bathe his flesh in water, and afterward he shall come into the camp. Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin' ny rano, vao mahazo mankeo an-toby. Hanasa fitafiana sy handro amin' ny rano izay nandoro azy, vao hiditra ny toby. Celui qui les aura brûlés devra nettoyer ses vêtements, se laver le corps avec de l' eau, après quoi il pourra rentrer au camp.
Lev 16:29 And this shall be a statute for ever unto you: that in the seventh month, on the tenth day of the month, ye shall afflict your souls, and do no work at all, whether it be one of your own country, or a stranger that sojourneth among you: Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin' ny andro fahafolo amin' ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo. Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin' ny volana fahafito, andro fahavalon' ny volana, hampijaly tena hianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo. Cela sera pour vous une loi perpétuelle. Au septième mois, le dixième jour du mois, vous jeûnerez, et ne ferez aucun travail, pas plus le citoyen que l'étranger qui réside parmi vous.
Lev 16:30 For on that day shall the priest make an atonement for you, to cleanse you, that ye may be clean from all your sins before the Lord. Fa amin' izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin' ny fahotanareo rehetra eo anatrehan' i Jehovah ianareo Fa amin' izany andro izany no hanaovana ny fanonerana ho anareo, mba hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin' ny fahotanareo rehetra, eo anatrehan' ny Tompo, hianareo. C' est en effet en ce jour que l' on fera sur vous le rite d' expiation pour vous purifier. Vous serez purs devant Yahvé de tous vos péchés.
Lev 16:31 It shall be a sabbath of rest unto you, and ye shall afflict your souls, by a statute for ever. Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany. Sabata ho anareo izany, andro fitsaharana; ary hampijaly tena hianareo. Lalàna tsy tapaka io. Ce sera pour vous un repos sabbatique et vous jeûnerez. C' est une loi perpétuelle.
Lev 16:32 And the priest, whom he shall anoint, and whom he shall consecrate to minister in the priest' s office in his father' s stead, shall make the atonement, and shall put on the linen clothes, even the holy garments: Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina. Ny hanao ny fanonerana dia izay mpisorona efa nandray ny fanosorana sy efa voatokana hanao ny raharahan' ny fisoronana mandimby an-drainy. Hitafy fanamiana rongony madinika, fanamiana masina izy; Le prêtre qui aura reçu l' onction et l' investiture pour officier à la place de son père fera le rite d' expiation. Il revêtira les vêtements de lin, vêtements sacrés ;
Lev 16:33 And he shall make an atonement for the holy sanctuary, and he shall make an atonement for the tabernacle of the congregation, and for the altar, and he shall make an atonement for the priests, and for all the people of the congregation. Dia hanao fanavotana ho an' ny fitoerana masina izy sy ho an' ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin' ny fiangonana. Hanao ny fanonerana ho an' ny fitoerana masin' ny fahamasinana izy, hanao ny fanonerana ho an' ny trano lay fihaonana sy ho an' ny otely; hanao ny fanonerana ho an' ny mpisorona, ary ho an' ny vahoaky ny fiangonana rehetra. il fera l' expiation du sanctuaire consacré, de la Tente du Rendez-vous et de l' autel. Il fera ensuite le rite d' expiation sur les prêtres et sur tout le peuple de la communauté.
Lev 16:34 And this shall be an everlasting statute unto you, to make an atonement for the children of Israel for all their sins once a year. And he did as the Lord commanded Moses. Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an' ny Zanak' Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin' ny fahotany rehetra. Dia nataon' i Arona araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Lalàna tsy tapaka ho anareo izao: hatao indray mandeha isan-taona ny fanonerana ho an' ny zanak' Israely noho ny fahotany. Dia nataon' ny olona izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Cela sera pour vous une loi perpétuelle ; une fois par an se fera sur les Israélites le rite d' expiation pour tous leurs péchés. Et l' on fit comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.

<-
->