Teny iditra |
tarỳ
|
Singan-teny | t~ ; arỳ |
Sokajin-teny | ny lasan' ny tambinteny
|
Fanazavàna teny malagasy | Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "arỳ" raha enti-milaza ny lasa: Tarỳ Ankadindambo izahay afakomaly Avy arỳ: Efa tarỳ ve ianao? [1.1]
|
Ohatra |
1 | Tary ambany tary, nisy vehivavy lehibe iray avy niakatra.
[2.4]
|
2 | Dadabem-borompotsy izany ilay hitanay tary an-dohasaha tary.
[2.117]
|
3 | Ny miaramila an-tongotra kosa dia tary Analatelo no niandry.
[2.472]
|
|
|
Teny iditra |
tary
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin' ny n' lapa izy (hoditra tokana eo amin' ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary [1.1]
|
| [Merina]
Ny kely indrindra amin' ireo amponga efatra nampiasaina tamin' ny famorana ka natao hipetrahan' ny zaza hodidiana [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | A second drum [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | Le plus petit des quatre tambours usités à la circoncision, dont le son était rauque et sur lequel
on plaçait l'enfant pour le circoncire [1.3]
|
Ohatra | Ampongalahy iray atao hoe "tary" no ipetrahan' izay hitazona ny zaza.
[2.436]
|
Voambolana |
Sampanteny |
Renianarana |
|
Anarana iray reny |
|
|