|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  volana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.78] [Sihanaka] [vôlaña] teny
4  [1.1] Teny atao, teny aloakan' ny vava
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] speaking
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3, 1.7] speech
7  [1.3, 1.8] parole
8  [1.3] promesse, engagement
9  [1.8] action de parler
Voambolana  10  Haiteny
Haiendriteny 
11  Tsotra :
12  Tovonana :
Sampanteny 
13  Matoantenin' ny mpanao :
14  Matoantenin' ny iharana :
15  Matoantenin' ny fameno :
16  Anarana :
17  Mpamaritra :
Tovy hevitra  18  kabary
Kamban-teny 
Lohateny  63  Hitsivolana 2018-001 : Momba ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin' ny taona 2019 (Fanjakana Malagasy)
64  Rakibolana Rakipahalalana (Akademiam-pirenena Malagasy)
Ohabolana  65  Ohabolana misy io teny volana io

Teny iditra (2/3)66  volana
Sokajin-teny  67  anarana
Fanazavàna teny malagasy  68  [1.1] Antontan-javatra mihodina manodidina ny tany nefa mandray hazavana avy amin' ny masoandro, ka io hazavana io no atarany ety amin' ny tany rehefa mifanitsy ny faritra voazavan' ny masoandro aminy sy ny tany: Telo andro sisa dia ho fenomanana ny volana
Fanazavàna teny anglisy  69  [1.7] the moon
Fanazavàna teny frantsay  70  [1.8] la lune
Ohatra  71  Ny kintana sy ny volana amin'ny alina ny andrandrainy sy mahazatra ny masony [2.470]
72  Fa tsy misy kintana. Tsy misy volana. Tsy misy lanitra!... [2.471]
Voambolana  73  Haikintana
Mpanahaka  74  fenomanana
Kamban-teny 
Lohateny  107  Volan-tsinana (Razafintsalama Josefa)
Ohabolana  108  Ohabolana misy io teny volana io
Lahatsoratra  109  Randzavola: volana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/3)110  volana
Sokajin-teny  111  anarana
Fanazavàna teny malagasy  112  [1.1] Ny fotoana ihodinan' ny volana manodidina ny tany
Ny volana malagasy dia mifanentana amin' ny fihodinan' ny volana manodidina ny tany mihitsy ka maharitra 28 andro mahery kely hatrany ary roa ambin' ny folo no isany: alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy, fa ny volana vazaha kosa dia notsinjaraina mitovitovy faharetana fotsiny: zanvie: 31 andro, fevrie: 28 na 29, marsa: 31, avrily: 30, may: 31, jiona: 30, jolay: 31, aogositra: 31, septambra: 30, oktobra: 31, novambra: 30, desambra: 31.
Fanazavàna teny anglisy  113  [1.7] a month
Fanazavàna teny frantsay  114  [1.8] le mois
115  [1.13] mois
Ohatra  116  Efa iray volana sy tapany no nipetrahan-dRandrianaivo tao Antsirabe [2.324]
117  Afaka roa volana eo ho eo, hono, dia handalo ny mpisafo [2.470]
118  volana vitsivitsy taorian'izay, nisy vaovao lehibe anankiray hafa koa, ary nikasika ny miaramilam-potaka ity [2.472]
119  Ka jereo tokoa fa ireo anaram-bolana vaovao (alahamady, adaoro, adizaoza - asorotany, alahasaty, asombola - adimizàna, alakarabo, alakaosy - adijady, adalo, alohotsy) izay nisolo ny anaram-bolana malagasy mbola voatahirin' ny Betsileo sy ny tanin-drana (asaramanitra, vatravatra, asotry - hasiha, valasira, faosa - maka, hia, sakamasay - sakave, volambita, asa-ramaimbo), ny anaran' ny andro fito amin' ny herinandro, ny sorabe (fomba fanoratra hain' ny Ombiasy teo aloha), ny fombam-panandroana sy ny fomban-tsikidy: miharihary fa avy amin' ny Talaotra avokoa. [2.296#]
Voambolana  120  Fotoana
Kamban-teny 
Zanakanarana 
Ohabolana  212  Ohabolana misy io teny volana io
Tsanganana sy sary iray takila  213  Fizaran' andro
Lahatsoratra  214  Randzavola: volana ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  215  alavon, avalon, lovana, nalavo, navalo, novala, valona, volana

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02