|
|
|
|

Teny iditra (1/5) 1  ray
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  5 Ny lehilahy manan-janaka tokana na maro: i Rainilita no rain' Ibalita; ilazana koa ny olona tokotokony ho ray na tsy niteraka aza, toy ny vadin' ny reny niteraka (raikely), lehilahy nihahy sy nitaiza (ray mpitaiza), ny lehilahy nanangana ho zanaka (ray nanangana), ny ray tampo amin' ny ray aman-dreny (ireo dadatoa isan-kolafiny) [1.1]
6 [Antefasy+Antemoro+Antesaka+Bara+Sakalava+Tanosy] aba [1.78]
7 [Provincial] ada [1.2]
8 [Betsimisaraka] baba [1.78]
9 dada [1.1]
10 ikaky [1.7]
11 [Tankarana] kaky [1.19]
Fanazavàna teny anglisy  12 father [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 père [1.3#500, 1.54, 1.8, 1.5]
14 oncle [1.3#500, 1.5]
15 beau-père, père adoptif, père nourricier, les hommes âgés [1.3#500]
Voambolana  16  Fifandraisana: fianakaviana
Tovy hevitra  17 aba, ada, baba, dada, ikaky
Mpanahaka  18  andry, 19  haja, 20  kiady, 21  lany, 22  lany, 23  vato
Fikambanana  24  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 47 misy ny teny how ray
Ohabolana  25  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/5) 26  ray
Sokajin-teny  27  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  47 Kasika: Zaza tia ray
48 Fakana zavatra amin' ny tanana
49 Fampidirana olona ao an-trano [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  50 action de saisir avec la main [1.3#500, 1.5]
51 action de prendre, d'accueillir, de donner l'hospitalité, de recevoir, d'admettre [1.3#500]
Tovy hevitra  52 rairay

Teny iditra (3/5) 53  ray
Sokajin-teny  54  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  55 Tenim-piontanana fanao eo alohan' ny olona itenenana raha maro: Henoy izao teny izao, ray vahoaka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  56 pour ry : Ray olona! (Ô peuple!) [1.3]
Fikambanana  57  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how ray

Teny iditra (4/5) 58  ray
Sokajin-teny  59  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  60 Fanononana haingana ny Iray [1.1]

Teny iditra (5/5) 61  ray    
Sokajin-teny  62  anarana
Fanazavàna teny anglisy  63 tanamasoandro: the rays of the sun; the spokes of a wheel [1.7]

Fivaditsoratra  64 ary, arỳ, àry, 65 ira, irà, ray, 66 ria

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15