Teny iditra mitangorona (tangorona (horona))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mivory betsaka manodidina tsisy filaharana na filantoana: Nitangorona nanodidina azy ny olona
Mitovy hevitra: mamorom-potsy ~ manao faribolana ~ manao lahirodona ~ miady hihy ~ mifanesika ~ mifanety ~ mifanitsa-kitro ~ mifanizina ~ mihahohaho ~ mihalohalo ~ mikatona ~ mivotretrika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To surround, to encircle [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Se réunir tout autour [1.3, 1.8]
 être réunis, groupés [1.3]
 Encercler; s'attrouper [1.8]
Ohatra 
1Mitangorona ny vahiny hijery sy hilaino. [2.356]
2Ny mpizaha amin' izany dii mitangorona be manodidina. [1.437]
3Mitangorona maro amin' ny toerana iray ny tsangambaton' ny fianakaviana sasany. [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitangorona
Ny lasa : nitangorona
Ny hoavy : hitangorona
Filaza mandidy : mitangoròna

Teny iditra mitangoròna (tangorona (horona))
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitangorona [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/17