|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mankalaza
Fototeny  2 laza
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 manome voninahitra lehibe, midera: mankalaza ireo mahery fo namoy ny ainy ho azy ny firenena
9 manao amim-pomba be voninahitra: hankalaza ny fetin' ny krismasy isika atsy ho atsy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to glorify, to exalt
11 to report a person as having been guilty of some bad deed [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  12 publier, glorifier [1.3, 1.5]
13 solenniser, fêter [1.3]
14 remercier: Mankalaza anao aho noho ny soa nataonao tamiko (Je vous remercie à cause du bien que vous m'avez fait) [1.3]
Ohatra  15  Novorian-dRalambo tao Ambohibato ny vahoaka, ka nasainy hiara-mankalaza aminy ny nandreseny an' Andrianafovaratra. [2.508#35]
16  Tamin' ny lanonana tamin' ny faran' ny Jolay dia firenena tokony ho fitopolo avy any am-pita no nandefa solontena hiara-mankalaza ny fahaleovantenan' i Madagasikara. [2.113#]
Mpanahaka  17  mampakatra, 18  manaja, 19  manajohary, 20  manakora, 21  manambony, 22  mananampempa, 23  manandratra, 24  manandratsandratra, 25  manandriana, 26  manangana, 27  manangitrangy, 28  mananoano, 29  manantoana, 30  mandaza, 31  mandritika, 32  mankasitraka, 33  manome laza, 34  manome voninahitra, 35  manondrotra, 36  midera, 37  mihoby, 38  mitehaka, 39  mitsoaka

Teny iditra (2/2) 40  mankalaza
Fototeny  41 laza
Sokajin-teny  42  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mankalaza [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  mankalaza, mankalazà

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/13