Teny iditra |
mitehaka
(tehaka)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Mampikatrokatroka ny felatanana roa ho mariky ny hafaliana: Nitehaka ny olona raha vao niditra izy Mamely amin' ny felatanana, mikasi-tanana: Rakoto no nitehaka ny zanakao fa tsy izaho [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To pat; to clap the hands, to applaud [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Donner une tape à; applaudir en battant des mains [1.8]
|
Ohatra | Velariny mitsilany ny tanany havanana amin' izay, dia mitehaka ilay itenenany.
[2.472]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mitehaka |
Ny lasa : |
nitehaka |
Ny hoavy : |
hitehaka |
Filaza mandidy : |
mitehafa |
|
Ohabolana |
|