Teny iditra voa-
Sokajin-teny endritenin' ny hoe voatra
Kamban-teny 

Teny iditra voa~
Sokajin-teny tovona [Teny amin' ny voa~]
Fanazavàna teny malagasy Tovona fanaovana matoantenin'ny iharana milaza vokatra efa azo: Voavory, voateny. (Marihina fa tahaka ny amin' ireo tovona rehetra vaninteny roa, toy ny tafa, maha, dia latsaka ny a amin' ny voa eo alohan' ny fototeny manomboka amin' ny a: Voarina (fa tsy voaarina) -- (ampitahao amin' ny tafarina, maharina) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Prefix used to form passives verbs of completed action, as: voavela (vela): forgiven [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Le préfixe voa- indique une action complètement subie, venue de l'extérieur: voavory tamin'ny valo ny mpianatra (les élèves ont été rassemblés à huit heures)(cela suppose que quelqu'un les a rassemblés)
Le passif à préfixe voa- s'obtient en préfixant à quelques racines primaires le mot voa-, dont l'a ne s'élide que devant un autre a: voa-avotra = voavotra, voa-endy = voaendy, voa-ilika = voailika, voa-ova = voaova, voa-tapaka = voatapaka [1.12]
 Préfixe de verbes passifs qui indiquent une action accomplie; ex.: voavela (vela), à qui on a pardonné [1.8]
 Le préfixe /voa/ semble avoir la même origine que le radical verbal voa. Il est affixé à des radicaux nominaux et parfois des radicaux verbaux. Lorsque le radical commence par /a/, il n'y a pas contraction avec le /a/ du préfixe, du moins dans l'usage écrit, car, pratiquement, dans l'usage parlé, lorsque d'une façon générale le radical commence par une voyelle, on obtient auditivement l'impression d'une élision du /a/ final du préfixe [1.489]
 Le préfixe est articulé /va/ dans certains parlers (observé en Tsimihety, en Antaisaka) ou /vo/ (observé en Antaisaka) [1.489]
 Préfixe verbal qui marque le participe passé passif ; c'est-à-dire une action qu'on a reçue, qu'on a subie. Exemple : voakapoka (de kapoka : coups) qui a été frappé, qui a reçu des coups ; voavoaka (de voaka : sortie) : qu'on a chassé, qu'on a fait sortir. [1.196]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : voa~
Ny lasa : voa~
Ny hoavy : ho voa~

Teny iditra voa
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tratra: Voan' ny vato ilay fody ka dangy
Azo: Voan' ny sery aho izany
Simba, voaloto...: Voan' ny fotaka ny akanjoko
Iharam-pahavoazana, iharan-doza: Voa mafy aho fa maty ny raiko
Maty antoka, maty loka...: Diso fotoana aho ka voa terỳ ~ Voa tamin' ny varotra nataoko aho
Resy: Voan-dRakoto izy tamin' ny fifaninanana
Hay: Tsy voako ilay marika natao tamin' ny fanadinana
Mitovy hevitra: mibabaka ~ miboiboy ~ midradraka ~ mikidradraka ~ tratra
Mitovy hevitra: lambam-bary ~ lany ringana ~ lany ripaka ~ lany tamingana ~ raraka ompana ~ tsy nisy niangana ~ voa daholo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Struck, hit; wounded [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Atteint [1.8, 1.489, 1.196]
 Frappé [1.8, 1.489]
 Touché [1.489, 1.196]
 Blessé [1.8, 1.196]
 Pris [1.489, 1.196]
 Capturé
Au sens figuré : déshonoré, taché, etc. [1.196]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : voa, voako, voanao, voany, voantsika, voanay, voanareo, voan', voan-, voam-
Ny lasa : voa, voako, voanao, voany, voantsika, voanay, voanareo, voan', voan-, voam-
Ny hoavy : ho voa, ho voako, ho voanao, ho voany, ho voantsika, ho voanay, ho voanareo, ho voan', ho voan-, ho voam-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Teny iditra voa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Organa kely boribory ao anatin' ny voankazo, izay mety mitsimoka raha ambolena, ka tonga zavamaniry hafa indray mitovy karazana amin' ilay niaviany: Nividy voan-daisoa izy hamboleny
Enti-milaza ny voankazo raha kelikely madinika: Voam-boaloboka
Enti-milaza koa rehefa mety ho zavatra boribory kely: Voan-tsapile [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Fruit; seed grain [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fruit; graine [1.8]
 Dans toute l'île : fruit ou graine. Quand le fruit et la graine sont confondus, comme dans le caryopse du riz, le mot s'applique à leur ensemble. Si les graines peuvent être distinguées, comme les petits pois, voa s'applique au fruit et on appelle la graine voakely ou voananatiny, « fruit de l'intérieur ». Cette racine donne de nombreux dérivés. De très nombreux noms de plantes commencent par voa. Par exemple : voabana, « fruit de bana », aubergine, désigne tantôt le fruit ou aubergine, tantôt la plante qui le produit. [1.196]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : voa, voako, voanao, voany, voantsika, voanay, voanareo, voan', voan-, voam-
Tovonana : -boa, -boako, -boanao, -boany, -boantsika, -boanay, -boanareo, -boan', -boan-, -boam-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra voa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Organa roa mitovy, menamena, eo an-dany roan' ny hazondamosina, izay iforonan' ny fivalanandrano avy amin' ny fandiovany ny ra amin' ny loto rehetra nentin' ny ra ombieny ombieny amin' ny lalana nalehany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Kidneys [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rein, rognons [1.8]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 

Teny iditra voa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] tevika (aretina) [1.78]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/24