|
|
|
|

Teny iditra1  tso-drano  ~  tsodrano
Singan-teny  2 tsoka, 3 rano
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  [tsodrano] 5 (taloha) Rano nafafy tamin' olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin' io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka)
6 (ankehitriny) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin' ny olon-dehibe na ray aman-dreny: Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady
7 (ankehitriny) vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano
8 Anaran' ny vola ampiarahina amin' ny tsodrano: rom-patsa, patsan' ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [tso-drano] 9 aspersion, bénédiction, souhaits d'adieu
10 action de céder [1.3]
Ohatra  11  Dia lasa ny vahiny, narahan' izy mivady saotsaotra sy tsodrano. [2.472]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  21  firariantsoa, 22  ranombavaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08