Teny iditra | 1 nenina |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Voambolana |
3 Ontam-po |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Alahelo noho ny ratsy natao, na ny tsara tsy natao, ka nahatonga fahavoazana ho an' ny tena: Neniko ny tsy namaliako ny taratasiny [1.1] 5 Fibebahana amin' ny hadisoana natao [1.1] 6 Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry, fa avy manaraka tahaka ny alika (mazava ho azy [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
7 Regret, bitter reflection, grief, repentance, remorse. Comp. bebaka. [1.2] 8 Regret [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
9 Regret, remords [1.8] |
Ohatra |
10 na tany aho na tsy tany tsy ho kely be nenina moa hianao? [2.131] 11 Taza-maso ny ezaka nataony hanafina ny alahelony tamin'ny vazivazy, ka nisy nenina nisoko tao am-poko. [2.583] |
Sampanteny |
|
Mpanahaka | 15 Mitohy sakay, mitohy fangoka, fay, nahita faisana, mibarara, enjehin' ny fieritreretana, manongo tena, mitomany tena, mandray ny kiho, mitsapa farahatoka, manaiki-molotra, mijery soratr' omby an-tanàna |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 18 Ohabolana misy io teny nenina io |
Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11 |