Fizahan-teny

Ohabolana : mpangalatra

Ohabolana 1Mpialin-drafia nahazo mpangalatra : vonona raha hamatorana. [1.147 #M141]
Mpialin-drafia nahazo mpangalatra: voñona hafatotra hamatorana. [2.165]
Mpivaro-drofia nahazo mpangalatra, ka vonona ny tady hamatorana. [2.558 #2637]
Mpivaro-drofia nahazo mpangalatra : vonona ny kofehy hamatorana. [2.415 #4307, 2.653 #1998]
Fanazavana malagasyMpaka rofia nahazo mpangalatra: vonona ny kofehy hamatorana. [2.165]
Dikanteny frantsayQuand un marchand de raphia arrête un voleur, il a le lien tout prêt pour le garrotter. [2.415 #4307]

Ohabolana 2Olona iray no nangalatra akoho tao Alasora, ka ny terak' Alasora rehetra no natao hoe mpangalatra akoho. [1.11]
Dikanteny frantsayUn seul homme a volé un poulet à Alasora et tous les natifs d' Alasora furent qualifiés de voleurs de poulet. [1.11]
Fanazavana frantsayCe proverbe vise ceux qui ont tendance à généraliser à partir d'un cas particulier. [1.11]

Ohabolana 3Tsy miantra ny mahantra, ohatra ny mpangalatra. [2.558]
Tsy miantra ny ory, ohatra ny mpangalatra. [2.653]

Fizahan-teny