<-
->

Asa 26:1 Then Agrippa said unto Paul, Thou art permitted to speak for thyself. Then Paul stretched forth the hand, and answered for himself: Ary hoy Agripa tamin' i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe: Dia hoy Agripà tamin' i Paoly: Mahazo mandahatra hiaro ny tenanao hianao. Tamin' izay, naninjitra ny tànany i Paoly, ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany, araka izao: Agrippa dit à Paul : " Tu es autorisé à plaider ta cause. " Alors, étendant la main, Paul présenta sa défense :
Asa 26:2 I think myself happy, king Agrippa, because I shall answer for myself this day before thee touching all the things whereof I am accused of the Jews: Ny amin' ny zavatra rehetra iampangan' ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio, Hasambarana ho ahy, ry Agripà mpanjaka, ny ahazoako miaro tena eto anatrehanao anio, amin' ny zavatra rehetra iampangan' ny Jody ahy; " De tout ce dont me chargent les Juifs, je m' estime heureux, roi Agrippa, d' avoir aujourd' hui à me disculper devant toi,
Asa 26:3 Especially because I know thee to be expert in all customs and questions which are among the Jews: wherefore I beseech thee to hear me patiently. indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin' ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy. satria tsy misy olona mahalala toa anao ny amin' ny fanao aman' ady hevitry ny Jody. Koa mihanta aminao aho mba hihaino ahy kely amim-paharetana. d' autant plus que tu es au courant de toutes les coutumes et controverses des Juifs. Aussi, je te prie de m'écouter avec patience.
Asa 26:4 My manner of life from my youth, which was at the first among mine own nation at Jerusalem, know all the Jews; Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin' ny fireneko tany Jerosalema hatramin' ny voalohany; Fantatry ny Jody rehetra hatramin' ny andron' ny fahatanorako ny fitondran-tenako; fa tao Jerosalema foiben' ny fireneko aho no nitoetra, " Ce qu' a été ma vie depuis ma jeunesse, comment depuis le début j' ai vécu au sein de ma nation, à Jérusalem même, tous les Juifs le savent.
Asa 26:5 Which knew me from the beginning, if they would testify, that after the most straitest sect of our religion I lived a Pharisee. eny, fantany hatramin' ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin' ny fivavahantsika. ka noho ny fahalalany ahy ela toy izany, dia hainy ambara koa, raha te-hilaza ny marina izy, fa Farisiana aho fahizany, nanaraka ilay antokom-pivavahana fatra-panoa lalàna indrindra amin' ny fivavahanay. Ils me connaissent de longue date et peuvent, s' ils le veulent, témoigner que j' ai vécu suivant le parti le plus strict de notre religion, en Pharisien.
Asa 26:6 And now I stand and am judged for the hope of the promise made of God, unto our fathers: Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon' Andriamanitra tamin' ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto, Nefa ny fanantenana ny zavatra nampanantenain' Andriamanitra ny razanay indrindra no itsaràna ahy ankehitriny, Maintenant encore, si je suis mis en jugement, c' est à cause de mon espérance en la promesse faite par Dieu à nos pères
Asa 26:7 Unto which promise our twelve tribes, instantly serving God day and night, hope to come. For which hope' s sake, king Agrippa, I am accused of the Jews. dia ilay fanantenana andrasan' ny firenentsika roa ambin' ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an' Andriamanitra andro aman' alina. Izany fanantenana izany no iampangan' ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô. dia ny fanantenana andrandrain' ny fokonay roa amin' ny folo manompo an' Andriamanitra andro aman' alina. Izany fanantenana izany no itsarana ahy, ry mpanjaka. et dont nos douze tribus, dans le culte qu' elles rendent à Dieu avec persévérance, nuit et jour, espèrent atteindre l' accomplissement. C' est pour cette espérance, ô roi, que je suis mis en accusation par les Juifs.
Asa 26:8 Why should it be thought a thing incredible with you, that God should raise the dead? Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty? Ka moa ve heverinareo ho zavatra tsy azo inoana fa mahatsangana ny maty Andriamanitra? Pourquoi juge-t-on incroyable parmi vous que Dieu ressuscite les morts ?
Asa 26:9 I verily thought with myself, that I ought to do many things contrary to the name of Jesus of Nazareth. Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran' i Jesosy avy any Nazareta, Ary na izaho koa aza, dia efa nihevitra fa tsy maintsy manao izay tratry ny aiko aho hanohitra ny anaran' i Jeso avy any Nazareta, " Pour moi donc, j' avais estimé devoir employer tous les moyens pour combattre le nom de Jésus le Nazaréen.
Asa 26:10 Which thing I also did in Jerusalem: and many of the saints did I shut up in prison, having received authority from the chief priests; and when they were put to death, I gave my voice against them. sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin' ny lohan' ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. ka dia nataoko toy izany tany Jerosalema; fa maro ny olona masina nahiboko tao an-tranomaizina nony efa nahazo fahefana tamin' ny lehiben' ny mpisorona aho; ary anisan' ny nandatsa-bato nanaiky koa aho, raha nisy hovonoina izy ireny. Et c' est ce que j' ai fait à Jérusalem ; j' ai moi-même jeté en prison un grand nombre de saints, ayant reçu ce pouvoir des grands prêtres, et quand on les mettait à mort, j' apportais mon suffrage.
Asa 26:11 And I punished them oft in every synagogue, and compelled them to blaspheme; and being exceedingly mad against them, I persecuted them even unto strange cities. Ary nampijaly azy matetika teo amin' ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin' ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin' ny tanàna any ivelany koa aza. Matetika no nitety ny sinagoga nampijaly azy ireny aho, sy nanery azy hiteny ratsy an' i Jeso, ary efa lasa nanenjika azy hatrany an-tanàna hafa aza, noho ny hatezerako mafy loatra taminy. Souvent aussi, parcourant toutes les synagogues, je voulais, par mes sévices, les forcer à blasphémer et, dans l' excès de ma fureur contre eux, je les poursuivais jusque dans les villes étrangères.
Asa 26:12 Whereupon as I went to Damascus with authority and commission from the chief priests, Ary tamin' izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin' ny lohan' ny mpisorona, Tamin' izany, raha ndeha ho any Damasa aho, nitondra ny fahefana sy ny teny azoko tamin' ny lehiben' ny mpisorona, " C' est ainsi que je me rendis à Damas avec pleins pouvoirs et mission des grands prêtres.
Asa 26:13 At midday, O king, I saw in the way a light from heaven, above the brightness of the sun, shining round about me and them which journeyed with me. koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin' izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. ilay sahabo ho nitatao vovonana tsara iny ny andro, dia endrey, ry mpanjaka! fa teny an-dàlana dia nahita fahazavana avy any an-danitra aho, izay namirapiratra noho ny masoandro, sy nanjelanjelatra nanodidina ahy mbamin' izay nomba ahy. En chemin, vers midi, je vis, ô roi, venant du ciel et plus éclatante que le soleil, une lumière qui resplendit autour de moi et de ceux qui m' accompagnaient.
Asa 26:14 And when we were all fallen to the earth, I heard a voice speaking unto me, and saying in the Hebrew tongue, Saul, Saul, why persecutest thou me? it is hard for thee to kick against the pricks. Ary rehefa lavo tamin' ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin' ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. Lavo tamin' ny tany terý izahay; ary nandre feo aho, nilaza tamiko tamin' ny teny hebrio hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? Mafy ho anao anie ny mitroatra manohitra ny fanindronana e! Tous nous tombâmes à terre, et j' entendis une voix qui me disait en langue hébraïque : "Saoul, Saoul, pourquoi me persécutes-tu ? Il est dur pour toi de regimber contre l' aiguillon. "
Asa 26:15 And I said, Who art thou, Lord? And he said, I am Jesus whom thou persecutest. Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. Iza moa hianao, Tompoko? hoy aho. Dia hoy ny Tompo: Izaho no Jeso izay enjehinao. Je répondis : "Qui es-tu, Seigneur ?" Le Seigneur dit : "Je suis Jésus, que tu persécutes.
Asa 26:16 But rise, and stand upon thy feet: for I have appeared unto thee for this purpose, to make thee a minister and a witness both of these things which thou hast seen, and of those things in the which I will appear unto thee; Fa mitsangàna, ka mijoroa amin' ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin' izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, Mitsangàna ka mijoroa amin' ny tongotrao. Fa izaho no niseho taminao, dia ny mba hanendry anao ho mpanao raharaha sy vavolomelon' ny zavatra efa hitanao sy izay mbola hisehoako aminao koa. Mais relève-toi et tiens-toi debout. Car voici pourquoi je te suis apparu : pour t'établir serviteur et témoin de la vision dans laquelle tu viens de me voir et de celles où je me montrerai encore à toi.
Asa 26:17 Delivering thee from the people, and from the Gentiles, unto whom now I send thee, hamonjy anao amin' ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, Navahako tamin' ny vahoaka Jody hianao, sy amin' ny jentily izay hanirahako anao izao, C' est pour cela que je te délivrerai du peuple et des nations païennes, vers lesquelles je t' envoie, moi,
Asa 26:18 To open their eyes, and to turn them from darkness to light, and from the power of Satan unto God, that they may receive forgiveness of sins, and inheritance among them which are sanctified by faith that is in me. hampahiratra ny masony hialany amin' ny maizina ho amin' ny mazava, ary amin' ny fahefan' i Satana ho amin' Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin' izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. mba hampahiratra ny mason' izy ireo, hialany amin' ny maizina ho amin' ny mazava, sy avy amin' ny fahefan' i Satana ho amin' Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin' ny olo-masina noho ny finoana ahy. pour leur ouvrir les yeux, afin qu' elles reviennent des ténèbres à la lumière et de l' empire de Satan à Dieu, et qu' elles obtiennent, par la foi en moi, la rémission de leurs péchés et une part d' héritage avec les sanctifiés. "
Asa 26:19 Whereupon, O king Agrippa, I was not disobedient unto the heavenly vision: Ary amin' izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho; Koa amin' izany, ry Agripà mpanjaka, tsy nanohitra ny fahitana avy any an-danitra aho, " Dès lors, roi Agrippa, je n' ai pas été rebelle à la vision céleste.
Asa 26:20 But shewed first unto them of Damascus, and at Jerusalem, and throughout all the coasts of Judaea, and then to the Gentiles, that they should repent and turn to God, and do works meet for repentance. fa nambarako voalohany tamin' izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin' ny tany Jodia rehetra ary tany amin' ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin' Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana. fa nitory ny fibebahana sy ny fiverenana amin' Andriamanitra tany Damasa aloha, vao tany Jerosalema, sy eran' i Jodea manontolo, ary tamin' ny jentily koa, mba hanaovany asa mendrika ny fibebahana. Bien au contraire, aux habitants de Damas d' abord, à Jérusalem et dans tout le pays de Judée, puis aux païens, j' ai prêché qu' il fallait se repentir et revenir à Dieu en faisant des oeuvres qui conviennent au repentir.
Asa 26:21 For these causes the Jews caught me in the temple, and went about to kill me. Ary izany no nisamboran' ny Jiosy ahy teo an-kianjan' ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. Izany no nisamboran' ny Jody ahy tao an-tempoly, sy nitadiavany hamono ahy. Voilà pourquoi les Juifs, s'étant saisis de moi dans le Temple, essayaient de me tuer.
Asa 26:22 Having therefore obtained help of God, I continue unto this day, witnessing both to small and great, saying none other things than those which the prophets and Moses did say should come: Ary noho ny fitahian' Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin' ny kely na amin' ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain' ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, Noho ny fitahian' Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin' ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan' i Moizy sy ny mpaminany rahateo hahatanterahany, Soutenu par la protection de Dieu, j' ai continué jusqu'à ce jour à rendre mon témoignage devant petits et grands, sans jamais rien dire en dehors de ce que les Prophètes et Moïse avaient déclaré devoir arriver :
Asa 26:23 That Christ should suffer, and that he should be the first that should rise from the dead, and should shew light unto the people, and to the Gentiles. fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin' ny maty ka hitory fahazavana amin' ny olona Isiraely sy amin' ny jentilisa. dia ny hoe: tsy maintsy hijaly ny Kristy, nefa hitsangana voalohany amin' ny maty izy, ka hitory fahazavana amin' ny vahoaka Jody sy amin' ny jentily... que le Christ souffrirait et que, ressuscité le premier d' entre les morts, il annoncerait la lumière au peuple et aux nations païennes. "
Asa 26:24 And as he thus spake for himself, Festus said with a loud voice, Paul, thou art beside thyself; much learning doth make thee mad. Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin' ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao. Mbola niteny izany hanala tsiny ny tenany eo Paoly no niantso tamin' ny feo mahery Festosa nanao hoe: Very saina hianao, ry Paoly; ny fianaranao be loatra no nampivaona ny hevitrao. Il en était là de sa défense, quand Festus dit à haute voix : " Tu es fou, Paul ; ton grand savoir te fait perdre la tête. "
Asa 26:25 But he said, I am not mad, most noble Festus; but speak forth the words of truth and soberness. Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin' ny fahamarinana sy ny fahononana. Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosa tsara indrindra, fa tenin' ny fahamarinana sy fahendrena no alahatro. Sur quoi Paul de dire : " Je ne suis pas fou, très excellent Festus, mais je parle un langage de vérité et de bon sens.
Asa 26:26 For the king knoweth of these things, before whom also I speak freely: for I am persuaded that none of these things are hidden from him; for this thing was not done in a corner. Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin' ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin' ny takona izany. Fantatry ny mpanjaka izany, ka lazaiko aminy amim-pahasahiana, satria ataoko fa tsy misy miafina aminy izany na dia kely aza, sady tsy nisy natao an-takona koa izany. Car il est instruit de ces choses, le roi, auquel je m' adresse en toute assurance, persuadé que rien ne lui en est étranger. Car ce n' est pas dans un coin que cela s' est passé !
Asa 26:27 King Agrippa, believest thou the prophets? I know that thou believest. Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao. Mino ny mpaminany va hianao, ry Agripà? Eny, fantatro fa mino hianao. Crois-tu aux prophètes, roi Agrippa ? Je sais que tu y crois. "
Asa 26:28 Then Agrippa said unto Paul, Almost thou persuadest me to be a Christian. Fa hoy Agripa tamin' i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana. Dia hoy Agripà tamin' i Paoly: Kely sisa no tsy ahatongavanao ahy ho kristianina. Et le roi Agrippa de répondre à Paul : " Encore un peu et, par tes raisons, tu vas faire de moi un chrétien ! "
Asa 26:29 And Paul said, I would to God, that not only thou, but also all that hear me this day, were both almost, and altogether such as I am, except these bonds. Ary hoy Paoly: Mangataka amin' Andriamanitra aho, fa na amin' ny mora, na amin' ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin' ireto gadra ireto ihany. Na kely sisa na be, hoy Paoly, dia mangataka amin' Andriamanitra aho, mba ho tonga toa ahy avokoa hianao sy izay rehetra mihaino ahy eto ankehitriny, afa-tsy amin' ireto fatorana ireto. Et Paul : " Qu' il s' en faille de peu ou de beaucoup, puisse Dieu faire que non seulement toi, mais tous ceux qui m'écoutent aujourd' hui, vous deveniez tels que je suis moi-même, à l' exception des chaînes que voici. "
Asa 26:30 And when he had thus spoken, the king rose up, and the governor, and Bernice, and they that sat with them: Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin' izay niara-nipetraka teo aminy; Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenisy, mbamin' izay rehetra nanaraka azy ireo. Là-dessus le roi se leva, ainsi que le gouverneur, Bérénice et ceux qui étaient assis avec eux.
Asa 26:31 And when they were gone aside, they talked between themselves, saying, This man doeth nothing worthy of death or of bonds. ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany. Nony tafavoaka izy ireo dia nifampilaza hoe: Tsy nanao na inona na inona tokony hahafaty azy na hamatorana azy io lehilahy io. En se retirant, ils parlaient entre eux : " Cet homme, disaient-ils, n' a rien fait qui mérite la mort ni les chaînes. "
Asa 26:32 Then said Agrippa unto Festus, This man might have been set at liberty, if he had not appealed unto Caesar. Ary hoy Agripa tamin' i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan' i Kaisara izy. Ary hoy Agripà tamin' i Festosa: Azo nalefa io lehilahy io raha tsy nangataka hotsarain' i Sezara. Agrippa, lui, dit à Festus : " On aurait pu relâcher cet homme s' il n' en avait appelé à César. "

<-
->