<-
->

Asa 21:1 And it came to pass, that after we were gotten from them, and had launched, we came with a straight course unto Coos, and the day following unto Rhodes, and from thence unto Patara: Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara; Nony tafasaraka tamin' izy ireo izahay, dia niondrana an-tsambo, nizotra nankany Kosy, ka ny ampitso dia tonga tao Rody; ary niala tao indray dia tonga tany Patara. Lorsque, nous étant arrachés à eux, nous eûmes gagné le large, nous cinglâmes droit sur Cos ; le lendemain nous atteignîmes Rhodes, et de là Patara.
Asa 21:2 And finding a ship sailing over unto Phenicia, we went aboard, and set forth. ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha. Tao dia nahita sambo hankany Fenisia izahay, ka niakatra tao dia lasa. Ayant trouvé un navire en partance pour la Phénicie, nous y montâmes et partîmes.
Asa 21:3 Now when we had discovered Cyprus, we left it on the left hand, and sailed into Syria, and landed at Tyre: for there the ship was to unlade her burden. Ary nony nahatsinjo an' i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin' ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan' ny sambo. Nony nahatsinjo an' i Sipra izahay, dia nandalo azy teo an-kavia, fa nanitsy any Siria, dia nitody tao Tira, fa tao no hametrahana ny entan' ny sambo. Arrivés en vue de Chypre, nous la laissâmes à gauche pour voguer vers la Syrie, et nous abordâmes à Tyr, car c' est là que le bateau devait décharger sa cargaison.
Asa 21:4 And finding disciples, we tarried there seven days: who said to Paul through the Spirit, that he should not go up to Jerusalem. Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin' ny Fanahy hilaza amin' i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. Nahita ny mpianatra izahay, ka nitoetra tao hafitoana, ary notsindrian' ny Fanahy Masina izy ireo, ka nilaza tamin' i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. Ayant découvert les disciples, nous restâmes là sept jours. Poussés par l' Esprit, ils disaient à Paul de ne pas monter à Jérusalem.
Asa 21:5 And when we had accomplished those days, we departed and went our way; and they all brought us on our way, with wives and children, till we were out of the city: and we kneeled down on the shore, and prayed. Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin' ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan' ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka; Nony tapitra ny hafitoana, dia niainga handeha izahay, ka nirohotra nanatitra anay hatrany ivelan' ny tanàna izy rehetra mbam-bady aman-janany. Nony mby teo amoron-dranomasina izahay, dia nandohalika nivavaka. Mais, notre séjour achevé, nous partîmes. Nous marchions, escortés de tous, y compris femmes et enfants. Hors de la ville, nous nous mîmes à genoux sur la grève pour prier.
Asa 21:6 And when we had taken our leave one of another, we took ship; and they returned home again. ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody. Ka rahefa nifanao veloma, dia izahay moa niondrana an-tsambo, izy ireo kosa niverina nody. Puis, ayant fait nos adieux, nous montâmes sur le navire. Ces gens s' en retournèrent alors chez eux.
Asa 21:7 And when we had finished our course from Tyre, we came to Ptolemais, and saluted the brethren, and abode with them one day. Ary ny niafaran' ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro. Niala tao Tira izahay, dia nankany Ptolemaisy izay niafaran' ny nandehananay an-tsambo, ary niarahaba ny rahalahy izahay, dia nitoetra teo amin' izy ireo indray andro. Et nous, achevant la traversée, nous nous rendîmes de Tyr à Ptolémaïs. Après avoir salué les frères et être restés un jour avec eux,
Asa 21:8 And the next day we that were of Paul' s company departed, and came unto Caesarea: and we entered into the house of Philip the evangelist, which was one of the seven; and abode with him. Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon' i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin' izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay. Nony ampitso dia nandeha izahay, ka tonga tany Sezarea; ary niditra tao an-tranon' i Filipo Evanjelista, anankiray tamin' izy fito lahy, ka nitoetra tao aminy. nous repartîmes le lendemain pour gagner Césarée. Descendus chez Philippe l'évangéliste, qui était un des Sept, nous demeurâmes chez lui.
Asa 21:9 And the same man had four daughters, virgins, which did prophesy. Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany. Nanana zanakavavy virjiny efara izay naminany izy. Il avait quatre filles vierges qui prophétisaient.
Asa 21:10 And as we tarried there many days, there came down from Judaea a certain prophet, named Agabus. Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. Nony nitoetra tao andro vitsivitsy izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabosa tonga avy any Jodea. Comme nous passions là plusieurs jours, un prophète du nom d' Agabus descendit de Judée.
Asa 21:11 And when he was come unto us, he took Paul' s girdle, and bound his own hands and feet, and said, Thus saith the Holy Ghost, So shall the Jews at Jerusalem bind the man that owneth this girdle, and shall deliver him into the hands of the Gentiles. Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon' i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan' ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain' ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran' ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon' ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan' ny jentilisa izy. Vao tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon' i Paoly, namatorany ny tongotra aman-tànan' ny tenany, ka hoy izy hoe: Izao no lazain' ny Fanahy Masina: Hafatory ny Jody any Jerosalema toy izao ny lehilahy tompon' ity fehinkibo ity, dia hatolony eo tànan' ny jentily. Il vint nous trouver et, prenant la ceinture de Paul, il s' en lia les pieds et les mains en disant : " Voici ce que dit l' Esprit Saint : L' homme auquel appartient cette ceinture, les Juifs le lieront comme ceci à Jérusalem, et ils le livreront aux mains des païens. "
Asa 21:12 And when we heard these things, both we, and they of that place, besought him not to go up to Jerusalem. Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin' izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. Vao nandre izany izahay sy ny mpianatra tao, dia nihanta tamin' i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema. A ces paroles, nous nous mîmes, avec ceux de l' endroit, à supplier Paul de ne pas monter à Jérusalem.
Asa 21:13 Then Paul answered, What mean ye to weep and to break mine heart? for I am ready not to be bound only, but also to die at Jerusalem for the name of the Lord Jesus. Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran' i Jesosy Tompo. Fa namaly izy ka nanao hoe: Nahoana no dia mitomany toy izao hianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona, tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza mba ho voninahitry ny anaran' i Jeso Tompo. Alors il répondit : " Qu' avez-vous à pleurer et à me briser le coeur ? Je suis prêt, moi, non seulement à me laisser lier, mais encore à mourir à Jérusalem pour le nom du Seigneur Jésus. "
Asa 21:14 And when he would not be persuaded, we ceased, saying, The will of the Lord be done. Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon' ny Tompo no hatao. Dia tsy laitra nahodina izy, ka nitsahatra terý izahay nanao hoe: Aoka ho tanteraka izay sitra-pon' ny Tompo. Comme il n' y avait pas moyen de le persuader, nous cessâmes nos instances, disant : " Que la volonté du Seigneur se fasse ! "
Asa 21:15 And after those days we took up our carriages, and went up to Jerusalem. Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema. Nony afaka izany andro izany, nifehy entana izahay, dia niakatra ho any Jerosalema. Après ces quelques jours, ayant achevé nos préparatifs, nous montâmes à Jérusalem.
Asa 21:16 There went with us also certain of the disciples of Caesarea, and brought with them one Mnason of Cyprus, an old disciple, with whom we should lodge. Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin' i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana. Nisy mpianatra sasany avy any Sezarea niaraka taminay koa: nitondra mpianatra maintimolaly anankiray avy any Sipra izy ireo atao hoe Mnasòna: tao amin' io no nokasainay hitoerana. Des disciples de Césarée nous accompagnèrent et nous menèrent loger chez un certain Mnason, de Chypre, disciple des premiers jours.
Asa 21:17 And when we were come to Jerusalem, the brethren received us gladly. Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin' ny fifaliana ny rahalahy. Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia noraisin' ny rahalahy amin-kafaliana. A notre arrivée à Jérusalem, les frères nous reçurent avec joie.
Asa 21:18 And the day following Paul went in with us unto James; and all the elders were present. Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin' i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra. Ny ampitso ihany dia niara-namangy an' i Jakoba izahay sy Paoly, ary tafavory teo ny Pretra rehetra. Le jour suivant, Paul se rendit avec nous chez Jacques, où tous les anciens se réunirent.
Asa 21:19 And when he had saluted them, he declared particularly what things God had wrought among the Gentiles by his ministry. Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin' Andriamanitra azy tany amin' ny jentilisa izy. Nony efa niarahaba azy ireo Paoly, dia nolazainy tsirairay ny zavatra rehetra nampanaovin' Andriamanitra azy tamin' ny jentily. Après les avoir salués, il se mit à exposer par le détail ce que Dieu avait fait chez les païens par son ministère.
Asa 21:20 And when they heard it, they glorified the Lord, and said unto him, Thou seest, brother, how many thousands of Jews there are which believe; and they are all zealous of the law: Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an' Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin' i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra, Nony nandre izany izy ireo, dia nankalaza an' Andriamanitra sy nanao taminy hoe: Hitanao, ry rahalahy, fa arivo maro ny Jody nino izao, nefa mbola fatra-pitana ny Lalàna izy rehetra. Et ils glorifiaient Dieu de ce qu' ils entendaient. Ils lui dirent alors : " Tu vois, frère, combien de milliers de Juifs ont embrassé la foi, et ce sont tous de zélés partisans de la Loi.
Asa 21:21 And they are informed of thee, that thou teachest all the Jews which are among the Gentiles to forsake Moses, saying that they ought not to circumcise their children, neither to walk after the customs. sady efa novokisan' olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin' ny jentilisa hahafoy an' i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana. Ren' izy ireo fa hoe: hianao, hono, mampianatra ny Jody niely any amin' ny jentily hiala amin' ny Lalàn' i Moizy, sy tsy hamora ny zanany, ary tsy hanaraka ny fanaon-drazana. Or à ton sujet ils ont entendu dire que, dans ton enseignement, tu pousses les Juifs qui vivent au milieu des païens à la défection vis-à-vis de Moïse, leur disant de ne plus circoncire leurs enfants et de ne plus suivre les coutumes.
Asa 21:22 What is it therefore? the multitude must needs come together: for they will hear that thou art come. Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao. Ka ahoana àry no hatao? Fa handre anao tonga izao ny olona, ka tsy maintsy hivory daholo. Que faire donc ? Assurément la multitude ne manquera pas de se rassembler, car on apprendra ton arrivée.
Asa 21:23 Do therefore this that we say to thee: We have four men which have a vow on them; Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etý izay nivoady; Izao no aoka hataonao: misy lehilahy efatra nanao voady eto amintsika. Fais donc ce que nous allons te dire. Nous avons ici quatre hommes qui sont tenus par un voeu.
Asa 21:24 Them take, and purify thyself with them, and be at charges with them, that they may shave their heads: and all may know that those things, whereof they were informed concerning thee, are nothing; but that thou thyself also walkest orderly, and keepest the law. raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa. Ento ireo, ka miaraha mandio tena aminy hianao, ary mandoava vola ho azy hanaratany ny lohany, dia ho fantatry ny vahoaka hoe tsy marina ny filazan' ny olona ny aminao, fa tsy mitsahatra ny mitandrina ny Lalàna hianao. Emmène-les, joins-toi à eux pour la purification et charge-toi des frais pour qu' ils puissent se faire raser la tête. Ainsi tout le monde saura qu' il n' y a rien de vrai dans ce qu' ils ont entendu dire à ton sujet, mais que tu te conduis, toi aussi, en observateur de la Loi.
Asa 21:25 As touching the Gentiles which believe, we have written and concluded that they observe no such thing, save only that they keep themselves from things offered to idols, and from blood, and from strangled, and from fornication. Fa ny amin' ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin' ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. Ary ny jentily izay nino dia efa nampitondranay taratasy, ka nodidianay hifady ny hena natolotra tamin' ny sampy, sy ny rà, ary ny biby nokendaina, mbamin' ny fijanganjangana. Quant aux païens qui ont embrassé la foi, nous leur avons mandé nos décisions : se garder des viandes immolées aux idoles, du sang, des chairs étouffées et des unions illégitimes. "
Asa 21:26 Then Paul took the men, and the next day purifying himself with them entered into the temple, to signify the accomplishment of the days of purification, until that an offering should be offered for every one of them. Dia noraisin' i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan' ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan' ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an' ny isan-dahy. Dia nentin' i Paoly ireo lehilahy ireo, ka nony ampitso rahefa niara-nandio tena taminy izy, dia niditra tao an-tempoly, nilaza fa tapitra ny andro hahatanterahan' ny fandiovan-tena, dia tonga tao izy mandra-panatitra ny fanatitra ho an' ny isan-dahy. Le jour suivant, Paul emmena donc ces hommes et, après s'être joint à eux pour la purification, il entra dans le Temple, où il annonça le délai dans lequel, les jours de purification terminés, on devrait présenter l' oblation pour chacun d' entre eux.
Asa 21:27 And when the seven days were almost ended, the Jews which were of Asia, when they saw him in the temple, stirred up all the people, and laid hands on him, Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an' i Paoly teo an-kianjan' ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an' i Paoly, Nony efa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an' i Paoly tao an-tempoly ny Jody avy tany Asia, ka sady nampikorontana ny vahoaka rehetra no nisambotra azy tamim-piantsoana hoe: Les sept jours touchaient à leur fin, quand les Juifs d' Asie, l' ayant aperçu dans le Temple, ameutèrent la foule et mirent la main sur lui,
Asa 21:28 Crying out, Men of Israel, help: This is the man, that teacheth all men every where against the people, and the law, and this place: and further brought Greeks also into the temple, and hath polluted this holy place. ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan' ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina. Vonjeo, ry lehilahy Israelita! fa ity eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny Lalàna ary ity fitoerana ity; hatramin' ny jentily avy aza no nampidiriny teto an-tempoly, nametaveta ity fitoerana masina ity. en criant : " Hommes d' Israël, au secours ! Le voici, l' individu qui prêche à tous et partout contre notre peuple, contre la Loi et contre ce Lieu ! Et voilà encore qu' il a introduit des Grecs dans le Temple et profané ce saint Lieu. "
Asa 21:29 (For they had seen before with him in the city Trophimus an Ephesian, whom they supposed that Paul had brought into the temple.) (fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin' i Paoly teo an-kianjan' ny tempoly izy). Fa hitan' izy ireo niaraka tamin' i Paoly tao an-tanàna i Trofima avy any Efezy, ka nataony ho nampidirina tao an-tempoly ihany. Précédemment en effet ils avaient vu l'Éphésien Trophime avec lui dans la ville, et ils pensaient que Paul l' avait introduit dans le Temple.
Asa 21:30 And all the city was moved, and the people ran together: and they took Paul, and drew him out of the temple: and forthwith the doors were shut. Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan' ny tempoly; ary niaraka tamin' izay dia narindrina ny vavahady. Dia nikorontana ny tanàna manontolo, nirohotra nivory ny vahoaka; ary nosamborina i Paoly, ka notaritiny ho any ivelan' ny tempoly, dia nakatony niaraka tamin' izay ny varavarana. La ville entière fut en effervescence, et le peuple accourut de toutes parts. On s' empara de Paul, on se mit à le traîner hors du Temple, dont les portes furent aussitôt fermées.
Asa 21:31 And as they went about to kill him, tidings came unto the chief captain of the band, that all Jerusalem was in an uproar. Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin' ny mpifehy arivo tamin' ny antokon' ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra; Efa ndeha hovonoin' izy ireo ho faty i Paoly, kanjo nisy nilaza tamin' ny komandin' ny miaramila fa mikorontana Jerosalema manontolo. On cherchait à le mettre à mort, quand cet avis parvint au tribun de la cohorte : " Tout Jérusalem est sens dessus dessous ! "
Asa 21:32 Who immediately took soldiers and centurions, and ran down unto them: and when they saw the chief captain and the soldiers, they left beating of Paul. ary niaraka tamin' izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an' i Paoly. Ka naka miaramila sy kapiteny niaraka tamin' izay izy, dia nihazakazaka nankany amin' izy ireo. Nony nahita ny komandy sy ny miaramila izy ireo, vao nitsahatra tsy nikapoka an' i Paoly intsony. Aussitôt, prenant avec lui des soldats et des centurions, il se précipita sur les manifestants. Ceux-ci, à la vue du tribun et des soldats, cessèrent de frapper Paul.
Asa 21:33 Then the chief captain came near, and took him, and commanded him to be bound with two chains; and demanded who he was, and what he had done. Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin' ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony? Dia nanatona ny komandy, ka nisambotra azy, sy nampamatotra azy tamin' ny rojo vy roa, ary nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona no nataony? Alors le tribun s' approcha, se saisit de lui et ordonna de le lier de deux chaînes ; puis il demanda qui il était et ce qu' il avait fait.
Asa 21:34 And some cried one thing, some another, among the multitude: and when he could not know the certainty for the tumult, he commanded him to be carried into the castle. Ary ny sasany tamin' ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly. Samy nanana ny filazany be ihany anefa ny vahoaka, ka tsy nisy hamantarany izay marina noho ny tabataba, fa dia nasainy nentina ho any anaty rova izy. Mais dans la foule les uns criaient ceci, les autres cela. Ne pouvant, dans ce tapage, obtenir aucun renseignement précis, il donna l' ordre de conduire Paul dans la forteresse.
Asa 21:35 And when he came upon the stairs, so it was, that he was borne of the soldiers for the violence of the people. Ary rehefa tonga teo amin' ny ambaratonga izy, dia nobetain' ny miaramila noho ny fifanosehan' ny olona; Nony tonga teo amin' ny ambaratonga, dia nobetain' ny miaramila i Paoly, noho ny vahoaka efa nifanesika loatra, Quand il eut atteint les degrés, il dut être porté par les soldats, en raison de la violence de la foule.
Asa 21:36 For the multitude of the people followed after, crying, Away with him. fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio! fa vahoaka be no nanaraka sy niantsoantso hoe: Vonoy izy! Car le peuple suivait en masse, aux cris de : " A mort ! "
Asa 21:37 And as Paul was to be led into the castle, he said unto the chief captain, May I speak unto thee? Who said, Canst thou speak Greek? Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin' ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao? Rahefa tafiditra tao anaty rova Paoly, dia nilaza tamin' ny komandy hoe: Mba mahazo milaza zavatra aminao va aho? Ary hoy izy: Moa mahay teny greka va hianao? Sur le point d'être introduit dans la forteresse, Paul dit au tribun : " Me serait-il permis de te dire un mot ? " - " Tu sais le grec ? demanda celui-ci.
Asa 21:38 Art not thou that Egyptian, which before these days madest an uproar, and leddest out into the wilderness four thousand men that were murderers? Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra? Hay! tsy hianao akory ilay Ejipsiana nampikomy vahoaka farany teo, ka nitarika jiolahy efatra arivo tany an' efitra? Tu n' es donc pas l'Égyptien qui, ces temps derniers, a soulevé quatre mille bandits et les a entraînés au désert ? " -
Asa 21:39 But Paul said, I am a man which am a Jew of Tarsus, a city in Cilicia, a citizen of no mean city: and, I beseech thee, suffer me to speak unto the people. Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin' izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin' ny olona. Dia hoy Paoly taminy: Izaho dia Jody avy any Tarsy any Silisia, tompon-tany amin' ny tanàna tsy kely laza. Mihanta aminao aho, mba avelao kely hiteny amin' ny vahoaka aho. " Moi, reprit Paul, je suis Juif, de Tarse en Cilicie, citoyen d' une ville qui n' est pas sans renom. Je t' en prie, permets-moi de parler au peuple. "
Asa 21:40 And when he had given him licence, Paul stood on the stairs, and beckoned with the hand unto the people. And when there was made a great silence, he spake unto them in the Hebrew tongue, saying, Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin' ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin' ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin' ny teny Hebreo izy ka nanao hoe: Dia neken' ny komandy izany, ka nitsangana teo amin' ny ambaratonga i Paoly, nanofa tànana ny vahoaka; ary rahefa nangina tsara ny olona, dia niteny tamin' ny teny hebrio izy nanao hoe: La permission accordée, Paul, debout sur les degrés, fit de la main signe au peuple. Il se fit un grand silence. Alors il leur adressa la parole en langue hébraïque.

<-
->