<-
->

Asa 13:1 Now there were in the church that was at Antioch certain prophets and teachers; as Barnabas, and Simeon that was called Niger, and Lucius of Cyrene, and Manaen, which had been brought up with Herod the tetrarch, and Saul. Ary teo amin' ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin' i Heroda mpanapaka) ary Saoly. Tao amin' ny Eglizy tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia Barnabe sy Simeona izay atao hoe Mainty, Lisiosa avy any Sirena, sy Manahena izay niolo-nono tamin' i Heroda Tetrarka, ary Saoly. Il y avait dans l'Église établie à Antioche des prophètes et des docteurs : Barnabé, Syméon appelé Niger, Lucius de Cyrène, Manaèn, ami d' enfance d' Hérode le tétrarque, et Saul.
Asa 13:2 As they ministered to the Lord, and fasted, the Holy Ghost said, Separate me Barnabas and Saul for the work whereunto I have called them. Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an' ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin' ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: Atokany ho ahy Saoly sy Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy. Or un jour, tandis qu' ils célébraient le culte du Seigneur et jeûnaient, l' Esprit Saint dit : " Mettez-moi donc à part Barnabé et Saul en vue de l' oeuvre à laquelle je les ai appelés. "
Asa 13:3 And when they had fasted and prayed, and laid their hands on them, they sent them away. Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tànana tamin' izy roa lahy, vao nandefa azy handeha. Alors, après avoir jeûné et prié, ils leur imposèrent les mains et les laissèrent à leur mission.
Asa 13:4 So they, being sent forth by the Holy Ghost, departed unto Seleucia; and from thence they sailed to Cyprus. Ary rehefa nirahin' ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy. Dia nirahin' ny Fanahy Masina Saoly sy Barnabe, ka lasa nankany Seleosia, mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra. Eux donc, envoyés en mission par le Saint Esprit, descendirent à Séleucie, d' où ils firent voile pour Chypre.
Asa 13:5 And when they were at Salamis, they preached the word of God in the synagogues of the Jews: and they had also John to their minister. Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin' Andriamanitra teny amin' ny synagogan' ny Jiosy; ary nitondra an' i Jaona koa ho mpanampy azy izy. Nony tonga tany Salamina izy, dia nitory ny tenin' Andriamanitra tao amin' ny sinagogan' ny Jody; nentin' izy ireo hiaraka taminy koa i Joany ho mpanampy azy. Arrivés à Salamine, ils se mirent à annoncer la parole de Dieu dans les synagogues des Juifs. Ils avaient avec eux Jean comme auxiliaire.
Asa 13:6 And when they had gone through the isle unto Paphos, they found a certain sorcerer, a false prophet, a Jew, whose name was Barjesus: Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka, Ary rahefa nitety ny nosy manontolo izy ireo ka tonga tany Pafosy, dia nahita Jody anankiray atao hoe Barjeso, mpamoha angatra sy mpaminany sandoka, Ayant traversé toute l'île jusqu'à Paphos, ils trouvèrent là un magicien, faux prophète juif, nommé Bar-Jésus,
Asa 13:7 Which was with the deputy of the country, Sergius Paulus, a prudent man; who called for Barnabas and Saul, and desired to hear the word of God. izay nitoetra tao amin' i Serygio Paolo, governoran' ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an' i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin' Andriamanitra. izay nitoetra tao amin' ny governora Serjio Paoly lehilahy hendry. Nampanalain' ity governora i Barnabe sy Paoly, fa naniry handre ny tenin' Andriamanitra izy. qui était de l' entourage du proconsul Sergius Paulus, homme avisé. Ce dernier fit appeler Barnabé et Saul, désireux d' entendre la parole de Dieu.
Asa 13:8 But Elymas the sorcerer (for so is his name by interpretation) withstood them, seeking to turn away the deputy from the faith. Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. Nefa nanohitra azy roa lahy Elimasy ilay mpamoha angatra (fa izany no dikan' ny anarany), ka nitady hisakana ny governora tsy hanaiky ny finoana. Mais Élymas le magicien - ainsi se traduit son nom - leur faisait opposition, cherchant à détourner le proconsul de la foi.
Asa 13:9 Then Saul, (who also is called Paul,) filled with the Holy Ghost, set his eyes on him. Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy Tamin' izay dia feno ny Fanahy Masina i Saoly, izay atao hoe koa Paoly, ka nibanjina azy, Alors Saul - appelé aussi Paul -, rempli de l' Esprit Saint, le fixa du regard
Asa 13:10 And said, O full of all subtilty and all mischief, thou child of the devil, thou enemy of all righteousness, wilt thou not cease to pervert the right ways of the Lord? ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon' ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin' ny Tompo va ialahy? sy nanao taminy hoe: Akay ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny demony sy fahavalon' ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny làla-mahitsin' ny Tompo va ialahy? et lui dit : " Etre rempli de toutes les astuces et de toutes les scélératesses, fils du diable, ennemi de toute justice, ne cesseras-tu donc pas de rendre tortueuses les voies du Seigneur qui sont droites ?
Asa 13:11 And now, behold, the hand of the Lord is upon thee, and thou shalt be blind, not seeing the sun for a season. And immediately there fell on him a mist and a darkness; and he went about seeking some to lead him by the hand. Ary, indro, ankehitriny ny tanan' ny Tompo hamely an' ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin' izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy. Ary indro ankehitriny, hamely an' ialahy ny tànan' ny Tompo, ka ho jamba tsy hahita ny masoandro ialahy mandra-pahatongan' ny fotoana. Niaraka tamin' izay, dia nosaronan' ny aizim-pito izy, ka nikorapaka nitady olona hitantana azy. Voici à présent que la main du Seigneur est sur toi. Tu vas devenir aveugle, et pour un temps tu ne verras plus le soleil. " A l' instant même, obscurité et ténèbres s' abattirent sur lui, et il tournait de tous côtés, cherchant quelqu' un pour le conduire.
Asa 13:12 Then the deputy, when he saw what was done, believed, being astonished at the doctrine of the Lord. Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin' ny fampianaran' ny Tompo. Nony nahita izany ny governora, dia talanjona ka nino ny fampianaran' ny Tompo. Alors, voyant ce qui s'était passé, le proconsul embrassa la foi, vivement frappé par la doctrine du Seigneur.
Asa 13:13 Now when Paul and his company loosed from Paphos, they came to Perga in Pamphylia: and John departing from them returned to Jerusalem. Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema. Dia niondrana an-tsambo tao Pafosy Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perjy any Panfilia; ary nisaraka tamin' izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema. De Paphos, où ils s' embarquèrent, Paul et ses compagnons gagnèrent Pergé, en Pamphylie. Mais Jean les quitta pour retourner à Jérusalem.
Asa 13:14 But when they departed from Perga, they came to Antioch in Pisidia, and went into the synagogue on the sabbath day, and sat down. Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin' ny synagoga tamin' ny andro Sabata ka nipetraka teo. Fa izy ireo kosa niala tany Perjy, dia tonga tany Antiokia any Pisidia, ary niditra tao amin' ny sinagoga izy tamin' ny andro sabata, ka nipetraka teo. Quant à eux, poussant au-delà de Pergé, ils arrivèrent à Antioche de Pisidie. Le jour du sabbat, ils entrèrent à la synagogue et s' assirent.
Asa 13:15 And after the reading of the law and the prophets the rulers of the synagogue sent unto them, saying, Ye men and brethren, if ye have any word of exhortation for the people, say on. Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin' ny olona, dia ataovy. Nony vita ny famakiana ny bokin' ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin' izy ireo ny lehiben' ny sinagoga nanao hoe: Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin' ny olona. Après la lecture de la Loi et des Prophètes, les chefs de la synagogue leur envoyèrent dire : " Frères, si vous avez quelque parole d' encouragement à dire au peuple, parlez. "
Asa 13:16 Then Paul stood up, and beckoning with his hand said, Men of Israel, and ye that fear God, give audience. Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an' Andriamanitra, mihainoa; Dia nitsangana Paoly, nanofa tànana azy hangina, ka nanao hoe: Mihainoa, ry Israelita, sy hianareo izay matahotra an' Andriamanitra. Paul alors se leva, fit signe de la main et dit : " Hommes d' Israël, et vous qui craignez Dieu, écoutez.
Asa 13:17 The God of this people of Israel chose our fathers, and exalted the people when they dwelt as strangers in the land of Egypt, and with an high arm brought he them out of it. Andriamanitr' izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin' ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany. Ny Andriamanitr' izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin' ny sandry mahery no nanesorany azy tao. Le Dieu de ce peuple, le Dieu d' Israël élut nos pères et fit grandir ce peuple durant son exil en terre d'Égypte. Puis, en déployant la force de son bras, il les en fit sortir
Asa 13:18 And about the time of forty years suffered he their manners in the wilderness. Ary Izy nandefitra tamin' ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona. Namelona azy tokony ho efa-polo taona tany an' efitra izy, et, durant quarante ans environ, il les entoura de soins au désert.
Asa 13:19 And when he had destroyed seven nations in the land of Chanaan, he divided their land to them by lot. Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin' ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin' ireny izy ary nony efa nandrava firenena fito tany amin' ny tany Kanaana izy dia nanome ny faritanin' ireny ho fananany, Ensuite, après avoir exterminé sept nations dans la terre de Canaan, il les mit en possession de leur pays :
Asa 13:20 And after that he gave unto them judges about the space of four hundred and fifty years, until Samuel the prophet. tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin' i Samoela mpaminany. tokony ho dimam-polo sy efa-jato taona. Taorian' izany dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin' i Samoely mpaminany. quatre cent cinquante ans environ. Après quoi, il leur donna des juges, jusqu' au prophète Samuel.
Asa 13:21 And afterward they desired a king: and God gave unto them Saul the son of Cis, a man of the tribe of Benjamin, by the space of forty years. Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen' Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak' i Kisy, lehilahy avy tamin' ny firenen' i Benjamina. Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen' Andriamanitra an' i Saoly zanak' i Sisy, lehilahy avy amin' ny fokon' i Benjamina, naharitra efa-polo taona. Par la suite, ils demandèrent un roi, et Dieu leur donna Saül, fils de Cis, de la tribu de Benjamin : quarante ans.
Asa 13:22 And when he had removed him, he raised up unto them David to be their king; to whom also he gave their testimony, and said, I have found David the son of Jesse, a man after mine own heart, which shall fulfil all my will. Ary rehefa nanaisotra an' i Saoly Izy, dia nanandratra an' i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an' i Davida, zanak' i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1 Sam. 13. 14; Sal. 89. 20). Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan' izy ireo,dia ilay nankatoaviny tamin' ny teny hoe: Efa hitako Davida zanak' i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra. Après l' avoir écarté, Dieu suscita pour eux David comme roi. C' est à lui qu' il a rendu ce témoignage : J' ai trouvé David, fils de Jessé, un homme selon mon coeur, qui accomplira toutes mes volontés.
Asa 13:23 Of this man' s seed hath God according to his promise raised unto Israel a Saviour, Jesus: Avy tamin' ny taranak' izany lehilahy izany no nitondran' Andriamanitra an' i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely, Avy tamin' ny taranany no namoahan' Andriamanitra an' i Jeso, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an' Israely. C' est de sa descendance que, suivant sa promesse, Dieu a suscité pour Israël Jésus comme Sauveur.
Asa 13:24 When John had first preached before his coming the baptism of repentance to all the people of Israel. rehefa notorin' i Jaona tamin' ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan' ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy. Talohan' ny nahatongavany anefa, dia Joany no nitory batemim-pibebahana tamin' ny vahoaka Israely rehetra; Jean, le précurseur, avait préparé son arrivée en proclamant à l' adresse de tout le peuple d' Israël un baptême de repentance.
Asa 13:25 And as John fulfilled his course, he said, Whom think ye that I am? I am not he. But, behold, there cometh one after me, whose shoes of his feet I am not worthy to loose. Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory. ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian' i Joany, dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako izy, ka tsy mendrika ny hamaha ny kofehin-kapany akory aho. Au moment de terminer sa course, Jean disait : "Celui que vous croyez que je suis, je ne le suis pas ; mais voici venir après moi celui dont je ne suis pas digne de délier la sandale. "
Asa 13:26 Men and brethren, children of the stock of Abraham, and whosoever among you feareth God, to you is the word of this salvation sent. Ry rahalahy, taranak' i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an' Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin' izao famonjena izao. Ry rahalahy taranak' i Abrahama, sy ireo matahotra an' Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin' izao famonjena izao, " Frères, vous les enfants de la race d' Abraham, et vous ici présents qui craignez Dieu, c' est à vous que ce message de salut a été envoyé.
Asa 13:27 For they that dwell at Jerusalem, and their rulers, because they knew him not, nor yet the voices of the prophets which are read every sabbath day, they have fulfilled them in condemning him. Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon' ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin' ny nanamelohany Azy. satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala azy, ka nahatanteraka ny tenin' ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata, tamin' ny nanamelohany azy; En effet, les habitants de Jérusalem et leurs chefs ont accompli sans le savoir les paroles des prophètes qu' on lit chaque sabbat.
Asa 13:28 And though they found no cause of death in him, yet desired they Pilate that he should be slain. Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin' i Pilato ihany izy hamonoana Ary. ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana azy tamin' i Pilaty. Sans trouver en lui aucun motif de mort, ils l' ont condamné et ont demandé à Pilate de le faire périr.
Asa 13:29 And when they had fulfilled all that was written of him, they took him down from the tree, and laid him in a sepulchre. Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin' i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin' ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana. Tanterak' izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba azy, vao nesoriny tamin' ny hazo izy, ka naleviny tao am-pasana. Et lorsqu' ils eurent accompli tout ce qui était écrit de lui, ils le descendirent du gibet et le mirent au tombeau.
Asa 13:30 But God raised him from the dead: Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin' ny maty. Fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin' ny maty. Mais Dieu l' a ressuscité ;
Asa 13:31 And he was seen many days of them which came up with him from Galilee to Jerusalem, who are his witnesses unto the people. Ary Izy niseho andro maro tamin' izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin' ny olona ankehitriny. Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin' izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema izy, ka dia ireo no vavolombelony amin' ny vahoaka ankehitriny. pendant de nombreux jours, il est apparu à ceux qui étaient montés avec lui de Galilée à Jérusalem, ceux-là mêmes qui sont maintenant ses témoins auprès du peuple.
Asa 13:32 And we declare unto you glad tidings, how that the promise which was made unto the fathers, Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin' ny razana, Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin' ny razantsika, " Et nous, nous vous annonçons la Bonne Nouvelle : la promesse faite à nos pères,
Asa 13:33 God hath fulfilled the same unto us their children, in that he hath raised up Jesus again; as it is also written in the second psalm, Thou art my Son, this day have I begotten thee. dia ny nahatanterahan' Andriamanitra izany tamin' ny zanatsika, raha nanangana an' i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin' ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7). fa notanterahin' Andriamanitra tamintsika zanak' izy ireo izany, tamin' ny nananganany an' i Jeso tamin' ny maty, araka izay voasoratra amin' ny Salamo faharoa hoe: Zanako hianao; izaho no niteraka anao androany. Dieu l' a accomplie en notre faveur à nous, leurs enfants : il a ressuscité Jésus. Ainsi est-il écrit dans les psaumes : Tu es mon fils, moi-même aujourd' hui je t' ai engendré.
Asa 13:34 And as concerning that he raised him up from the dead, now no more to return to corruption, he said on this wise, I will give you the sure mercies of David. Ary ny amin' ny nananganany Azy tamin' ny maty, ka tsy hiverina ho amin' ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an' i Davida (Isa. 55. 3). Ary voalazany fa natsangany tamin' ny maty izy, ka tsy hiverina amin' ny lò intsony, tamin' ny teny hoe: Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an' i Davida; Que Dieu l' ait ressuscité des morts et qu' il ne doive plus retourner à la corruption, c' est bien ce qu' il avait déclaré : Je vous donnerai les choses saintes de David, celles qui sont dignes de foi.
Asa 13:35 Wherefore he saith also in another psalm, Thou shalt not suffer thine Holy One to see corruption. Fa hoy Izy ao amin' ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10). ary tamin' ny teny hafa koa hoe: Tsy havelanao ho tratry ny lò ny Masinao. C' est pourquoi il dit ailleurs encore : Tu ne laisseras pas ton saint voir la corruption.
Asa 13:36 For David, after he had served his own generation by the will of God, fell on sleep, and was laid unto his fathers, and saw corruption: Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin' ny razany izy ary tratry ny lò; Raha Davida aloha, dia nody mandry izy rahefa nahatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra tamin' ny androny, ka nakambana tamin' ny razany, sy tratry ny lò; Or David, après avoir en son temps servi les desseins de Dieu, est mort, a été réuni à ses pères et a vu la corruption.
Asa 13:37 But he, whom God raised again, saw no corruption. fa Izay natsangan' Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò. fa izay natsangan' Andriamanitra tamin' ny maty no tsy tratry ny lò. Celui que Dieu a ressuscité, lui, n' a pas vu la corruption.
Asa 13:38 Be it known unto you therefore, men and brethren, that through this man is preached unto you the forgiveness of sins: Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin' ny Lalàn' i Moizy, " Sachez-le donc, frères, c' est par lui que la rémission des péchés vous est annoncée. L' entière justification que vous n' avez pu obtenir par la Loi de Moïse,
Asa 13:39 And by him all that believe are justified from all things, from which ye could not be justified by the law of Moses. ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin' ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin' ny lalàn' i Mosesy. dia ao aminy no anamarinana an' izay rehetra mino mba ho afaka amin' izany. c' est par lui que quiconque croit l' obtient.
Asa 13:40 Beware therefore, lest that come upon you, which is spoken of in the prophets; Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin' ny mpaminany hoe: Koa mitandrema hianareo fandrao dia iharan' izay voalazan' ny mpaminany hoe: " Prenez donc garde que n' arrive ce qui est dit dans les Prophètes :
Asa 13:41 Behold, ye despisers, and wonder, and perish: for I work a work in your days, a work which ye shall in no wise believe, though a man declare it unto you. Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin' ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5) Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna hianareo; fa izaho hanao zavatra anankiray amin' ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza. Regardez, contempteurs, soyez dans la stupeur et disparaissez ! Parce que de vos jours je vais accomplir une oeuvre que vous ne croiriez pas si on vous la racontait. "
Asa 13:42 And when the Jews were gone out of the synagogue, the Gentiles besought that these words might be preached to them the next sabbath. Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin' ny Sabata manaraka. Nony nivoaka izy ireo, dia nangatahany mba hilaza izany teny izany indray amin' ny sabata manaraka. Et, à leur sortie, on les invitait à parler encore du même sujet le sabbat suivant.
Asa 13:43 Now when the congregation was broken up, many of the Jews and religious proselytes followed Paul and Barnabas: who, speaking to them, persuaded them to continue in the grace of God. Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin' ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an' Andriamanitra no nanaraka an' i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin' ny fahasoavan' Andriamanitra. Rahefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny proselita nanompo an' Andriamanitra no nanaraka an' i Paoly sy Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin' izy ireo sy namporisika azy haharitra amin' ny fahasoavan' Andriamanitra. Après que l' assemblée se fut séparée, nombre de Juifs et de prosélytes qui adoraient Dieu suivirent Paul et Barnabé, et ceux-ci, dans leurs entretiens, les engageaient à rester fidèles à la grâce de Dieu.
Asa 13:44 And the next sabbath day came almost the whole city together to hear the word of God. Ary nony tamin' ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin' Andriamanitra. Tamin' ny sabata nanaraka, dia saika tafangona hihaino ny tenin' Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra. Le sabbat suivant, presque toute la ville s' assembla pour entendre la parole de Dieu.
Asa 13:45 But when the Jews saw the multitudes, they were filled with envy, and spake against those things which were spoken by Paul, contradicting and blaspheming. Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain' i Paoly, sady niteny ratsy. Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain' i Paoly no nanevateva azy. A la vue de cette foule, les Juifs furent remplis de jalousie, et ils répliquaient par des blasphèmes aux paroles de Paul.
Asa 13:46 Then Paul and Barnabas waxed bold, and said, It was necessary that the word of God should first have been spoken to you: but seeing ye put it from you, and judge yourselves unworthy of everlasting life, lo, we turn to the Gentiles. Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin' ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin' Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin' ny jentilisa izahay; Tamin' izay Paoly sy Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin' Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho hianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin' ny jentily izahay. S' enhardissant alors, Paul et Barnabé déclarèrent : " C'était à vous d' abord qu' il fallait annoncer la parole de Dieu. Puisque vous la repoussez et ne vous jugez pas dignes de la vie éternelle, eh bien ! nous nous tournons vers les païens.
Asa 13:47 For so hath the Lord commanded us, saying, I have set thee to be a light of the Gentiles, that thou shouldest be for salvation unto the ends of the earth. fa izao no nandidian' ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan' ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin' ny faran' ny tany Hianao (Isa. 49. 6). Fa toy izao no nandidian' ny Tompo anay: Efa nantsangako ho fahazavan' ny jentily hianao, mba hitondra famonjena hatramin' ny fara vazan-tany. Car ainsi nous l' a ordonné le Seigneur : Je t' ai établi lumière des nations, pour que tu portes le salut jusqu' aux extrémités de la terre. "
Asa 13:48 And when the Gentiles heard this, they were glad, and glorified the word of the Lord: and as many as were ordained to eternal life believed. Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin' Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin' ny fiainana mandrakizay dia nino. Faly ny jentily nony nandre izany, ka nankalaza ny tenin' ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin' ny fiainana mandrakizay. Tout joyeux à ces mots, les païens se mirent à glorifier la parole du Seigneur, et tous ceux-là embrassèrent la foi, qui étaient destinés à la vie éternelle.
Asa 13:49 And the word of the Lord was published throughout all the region. Ary ny tenin' ny Tompo dia naely eran' izany tany rehetra izany. Dia niely eran' izany tany izany ny tenin' ny Tompo. Ainsi la parole du Seigneur se répandait dans toute la région.
Asa 13:50 But the Jews stirred up the devout and honourable women, and the chief men of the city, and raised persecution against Paul and Barnabas, and expelled them out of their coasts. Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin' i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin' ny taniny. Nefa notarihin' ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin' ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an' i Paoly sy Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin' ny taniny. Mais les Juifs montèrent la tête aux dames de condition qui adoraient Dieu ainsi qu' aux notables de la ville ; il suscitèrent de la sorte une persécution contre Paul et Barnabé et les chassèrent de leur territoire.
Asa 13:51 But they shook off the dust of their feet against them, and came unto Iconium. Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin' ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma. Tamin' izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin' ny tongony hiampanga an' ireo, dia lasa nankany Ikonioma, Ceux-ci, secouant contre eux la poussière de leur pieds, se rendirent à Iconium.
Asa 13:52 And the disciples were filled with joy, and with the Holy Ghost. Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra. ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina. Quant aux disciples, ils étaient remplis de joie et de l' Esprit Saint.

<-
->